Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 12, 1-7a. 10-17)

Nanota tamin’ny Tompo aho.

Tamin’izany andro izany:
Naniraka an’i Natàna ho any amin’i Davida ny Tompo,
ka tonga tany aminy izy, dia nanao taminy hoe:

“Nisy olona roa lahy tao amin’ity tanàna anankiray;
ny iray mpanan-karena ary ny iray mahantra.
Omby aman’ondry sesehena no an’ilay mpanan-karena;
fa ondrivavy kely anankiray novidiny no mba an’ilay mahantra.
Nompiany izy ka nitombo tao aminy niaraka tamin’ny zanany,
nihinana tamin’ny mofony,
nisotro tamin’ny kapoakany,
natory teny an-trotroany,
ary nataony toy ny zanany vavy.
Nanam-bahiny kosa ilay mpanan-karena,
nefa tsy nety naka tamin’ny ondriny na ny ombiny izy
hanamboarana sakafo ho an’ilay vahiny tonga tao aminy;
fa ny ondrivavin’ilay mahantra no nalainy sy namboariny,
ho an’ilay olona tonga tao aminy.”

Nirehitra fatratra tamin’izany olona izany ny fahatezeran’i Davida,
ka hoy izy tamin’i Natàna:

“Raha velona koa ny Tompo
dia marina raha tsy mendrika ny hovonoina izay olona nanao izany,
ary ilay ondrivavy honerany efatra heny,
noho izy nahavita an’izany sy tsy nanana antra.”

Dia hoy i Natàna tamin’i Davida:

“Tsy iza fa ianao izany olona izany.
Koa ankehitriny noho ianao nanamavo Ahy,
sy naka ny vadin’i Oria Heteanina, ho vadinao,
dia tsy hiala amin’ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra.
Izao no lazain’ny Tompo:
Indro fa ny ankohonanao,
hananganako ny loza hihatra aminao;
ny vadinao hotsoahiko eo imasonao,
ka homeko ny mifanolo-bodirindrina aminao,
izay handry aminy eo anatrehan’izao masoandro izao;
fa ianao dia mangingina no nanaovanao izany,
ary Izaho kosa dia eo imason’i Israely rehetra
sy anatrehan’izao masoandro izao no hanaovako izany.”

Dia hoy i Davida tamin’i Natàna:

“Nanota tamin’ny Tompo aho.”

Fa hoy kosa i Natàna tamin’i Davida:

“Navelan’ny Tompo ny helokao, ka tsy ho faty ianao.
Nefa nampanesoinao ny Tompo ny fahavalony
tamin’izany zavatra nataonao izany
ka noho izany dia ho faty ny zanaka naterakao.”

Dia lasa nankany an-tranony i Natàna.
Ary nasian’ny Tompo ny zaza nateraky ny vadin’i Oria, tamin’i Davida,
ka nandraiki-narary mafy.

Nivavaka tamin’Andriamanitra ho an’ny zaza i Davida
sady nifady hanina;
ary niditra izy ka nandry tamin’ny tany nandritra ny alina.
Ka niangavy mafy taminy ny loholona tao an-tranony,
mba hampiarina azy amin’ny tany;
nefa tsy nety izy, ary tsy niara-nihinana tamin’ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 50, 12-13. 14-15. 16-17

Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra.

Fo madio vaovao no angatahiko,
sy fanahy mahatoky tanteraka.
Aza alàna aminao aho, ry Tompoko,
ny Fanahy aza esorinao amiko.

Amereno hafaliana aho ho vonjiko,
dia tolory fanahy tena mendrika.
Ny mpanota hotoroako lalana,
aminao no tsy maintsy hiverenany.

Mba fafao amin’izay ny tomaniko,
hilazako fa Ianao no hany marina.
Eny, Tompo ô, sokafy ny molotro,
dia hidera tokoa izany vavako.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao; ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 35-40)

Iza ity no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomosina?

Tamin’izany andro izany, hariva ny andro,
ary i Jesoa niteny tamin’ny mpianany hoe:

“Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano.”

Dia nilaozan’izy ireo teo ny olona
ka nentiny tamin’izao tao an-tsambo kely i Jesoa,
ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy.
Ary nisy tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano
hatrany anaty sambo kely,
ka efa nihafeno rano izy.
Fa i Jesoa kosa natory teo amin’ny sisin’ny sambo kely
tambonin’ny ondana,
ka nofohazin’izy ireo Izy nilazany hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
tsy mampaninona Anao va raha maty izahay?”

Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra,
ary nilaza tamin’ny ranomasina hoe:

“Mangina, mitonia.”

Dia nitsahatra ny rivotra,
ary nitony dia nitony ny andro.
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:

“Nahoana no saro-tahotra ianareo?
Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?”

Ary natahotra dia natahotra izy ireo ka nifampilaza hoe:

“Iza moa io,
fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky Azy?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

26 janoary 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahatelo Mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 26-34)

Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 11, 1-4a. 5-10a. 13-17)

Nanamavo Ahy ianao sy naka ny vadin’i Oria ho vadinao.

Tamin’ny fitsingerenan’ny taona,
nony mby tamin’ny fotoana fandehanan’ny mpanjaka hiady,
dia nalefan’i Davida i Jôaba mbamin’ny mpanompony sy i Israely rehetra,
ka nofongoran’ireo ny taranak’i Amôna, ary nataony fahirano i Rabà;
fa i Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.
Indray hariva raha ilay avy niarina avy teo am-pandriany iny i Davida
ka nitsangantsangana teo amin’ny tafon-tranon’ny mpanjaka,
dia tazany avy eo ambony tafon-trano ity vehivavy anankiray nandro,
ary tsara tarehy erý ravehivavy io.
Nasain’i Davida nanontaniana hoe:

“Iza io vehivavy io?”

Ka izao no nolazain’ny olona azy:

“Io no i Betsebea, zanakavavin’i Eliama,
vadin’i Oria, Heteanina.”

Dia naniraka olona haka azy i Davida
ka tonga tao aminy izy dia nandry taminy izy.
Ary nanana anaka ravehivavy,
ka naniraka nilaza tamin’i Davida hoe:

“Manana anaka aho.”

Tamin’izay, naniraka tany amin’i Jôaba i Davida handidy azy hoe:

“Alefaso hankatý amiko i Oria Heteanina.”

Dia nalefan’i Jôaba hankany amin’i Davida i Oria.
Ka nony tonga tany amin’i Davida i Oria,
dia nanontaniany ny vaovao momba an’i Jôaba sy ny tafika ary ny ady.
Izay i Davida vao nanao tamin’i Oria hoe:

“Andeha àry midina any an-tranonao, dia manasà tongotra.”

Nivoaka ny tranon’ny mpanjaka i Oria,
nampanarahina nahandro fanomezana avy amin’ny mpanjaka;
nefa niara-nandry tamin’ny mpanompon’ny tompony i Oria,
teo am-baravaran’ny tranon’andriana,
fa tsy nidina nody tany an-tranony.
Nolazaina tamin’i Davida izany natao hoe:

“Tsy nidina nody any an-tranony i Oria.”

Nasain’i Davida hihinana sy hisotro teo anatrehany izy ka nomamoiny.
Nony hariva dia nivoaka nandry teo amin’ny fandriany,
teo amin’ny mpanompon’ny tompony ihany i Oria,
fa tsy nidina nody tany an-tranony.
Nony ampitso maraina nanoratra taratasy ho any amin’i Jôaba i Davida
ka tanan’i Oria no nampitondrainy azy.
Izao no nosoratany tamin’ny taratasy:

“Apetraho amin’izay toerana iadiana mafy indrindra i Oria,
dia mihataha avy aoriany ianareo mba ho voavono ka ho faty eo izy.”

Nanao fahirano ny tanàna i Jôaba
ka napetrany tamin’ny toerana farany fantany fa nisy lehilahy mahery indrindra i Oria.
Nivoaka hamely an’i Jôaba ny olona tao an-tanàna,
ka maro tamin’ny vahoaka,
tamin’ny mpanompon’i Davida, no maty;
ary maty koa i Oria Heteanina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 50, 3-4. 5-6a. 6bd-7. 10-11

Iantrao, ry Tompo, fa diso taminao.

Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra,
fa Ianao manko lalim-pitiavana.
Mba koseho re ny heloka vitako,
dia diovy aho hiala amin’ny otako.

Efa niaiky hadisoana ny tenako,
eo imasoko hatrany ny otako.
Taminao aho no diso, Andriamanitro,
fantatrao avokoa ny kilemako.

‘Zay lazainao tokoa no hany marina;
raha mitsara ahy Ianao ara-drariny.
Fa tanaty heloka aho re no teraka,
tamin’ny ota aho no torontoronina.

Ampiravoravoy ny fanahiko
sy ny taolako voamontsamontsana.
Mba esory eo imaso ny otako,
dia koseho tsy ho hita ny heloko.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 26-34)

Mamafy voa ny mpamafy ary matory; ny voa mitsimoka sy mitombo nefa tsy fantany izay faniriny.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra
dia tahaka ny lehilahy anankiray mamafy voa amin’ny tany,
ka izy matory sy mahatsiaro isan’alina sy isan’andro,
ary ny voa mitsimoka sy mitombo,
nefa tsy fantany izay faniriny;
fa mahavokatra ho azy ny tany,
ka tahony no voalohany, dia salohiny no manarakaraka,
vao ventim-bary amin’ny salohiny no farany.
Ary rahefa vokatra dia jinjaina miaraka amin’izay,
satria tonga ny taom-pijinjana.”

Ary hoy indray Izy:

“Amin’inona no hanoharantsika ny fanjakan’Andriamanitra,
ary fanoharana inona no hanehoantsika azy?
ahaka ny voantsinapy izy,
izay kely indrindra amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany raha vao afafy,
fa tonga lehibe indrindra amin’ny anana rehetra kosa
rahefa voafafy sy mitombo,
ary mandrantsana vaventy ka azon’ny voro-manidina ialofana ny alokalony.”

Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy,
araka izay takatry ny sain’izy ireo.
Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy,
fa nony mangingina vao nanambara tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Noho ny vanim-potoana sy ny tontolo manodidina dia lasa misy antsana mampisaraka ny tanora sy olon-dehibe. Misy fomba fifandraisana tsy maintsy arafitra sy arindra, noho izany, mba hisian'ny fifampihainoana.

♦ Tokony ho ny Lefitra voalohan'ny Ben'ny Tanàna, no hotendrena ho PDS hitantana an'Antananarivo, hoy ny antoko Humaniste Ecologique. Manaitra ny fitondrana izy ireo, hanendry izay hitantana ny Renivohitr'i Madagasikara... ♦ Olona 9 hatramini'zao no voarohirohy tamin'ilay fanafiahana nataon'ny dahalo 40 lahy, nahafaty ny Ben'ny Tanànan'Andranomiely, Distrikan'Ankazobe... ♦ Misy andro ratsy miforona indray ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Misy ny fampitandremana navoakan'ny Météo, momba habetsahan'ny rotsak'orana amin'ny fairtra maro manerana ny nosy...

♦ Efa nanainga ny delegasiôna voalohany hanatrika ny fanamasinana sy ny fametrahana an'i Mgr Luc Olivier Razafitsimialona, ho Evekan'i Tolagnaro... ♦ Ho mafy ny sivana ho an'ireo maniry ho kandidan'ny antoko TGV, amin'ny fifidianana amin'ity taona ity. Hiainga eny ifotony ny fanapahan-kevitra, hoy ny Sekretera Nasiônalin'ity antoko ity... ♦ Nifanolanan'ny Fiangonana iray sy ny fikambanana tsy miankina kosa ny tany mirefy 1500 m2, eny Ambatomaro ankehitriny. Nihemotra indray raha tokony hiakatra Fitsarana anio, ity raharaha ity...

Simeona dia zokiolona marina sady mpivavaka niandry ny fanafahana an'i Israely, izay nihaona tamin' i Jesoa teo an-tokontanin'ny Tempoly, nanome voninahitra ary nidera an'Andrimanitra noho ny nahitany ny asa-pamonjena. Sarobidy ny feon'ny zokiolona izay azo lazaina ho "tso-drano", tahaka izay nataon'i Simeona tamin'i Jesoa sy ireo ray aman-dreniny.  Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

♦ Tsy hisy intsony ny fanolorana kandida miainga avy any ambony, ho an'ny antoko TGV, fa homena sehatra ireo mpikambana any ifotony amin'ny fanolorana ireo olona izay hitan'izy ireo fa mendrika hirotsaka hofidina amin'ny fifidianana izay ho Ben'ny Tanàna sy Solombavam-bahoaka... ♦ Tany mirefy 1500 m2 no nifanolanan'ny Fiangonana sy ny fikambanana tsy miankina iray, eny Ambatomaro... ♦ Hampiantrano ny fiadiana ny Tompon-dakan'ny Faritra faha-7, aty amin'ny Ranomasimbe Indiana, eo amin'ny taranja Volley-Ball i Madagasikara, ny 22 febroary hatramin'ny 2 marsa 2024...

♦ Ny fanampiana ny hafa ho sambatra no tena fahasambarana eo amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly, hoy ny Papa François, tamin’ny Vavaka Angélus… ♦ Meteza isika hanjakan’ny hatsarana entin’ny Tenin’Andrimanitra eo amin’ny fiainantsika, hoy ny Papa François… ♦ Apinga ho an’izay rehetra mitoky aminy ny Tenin’Andriamanitra, hoy i P. Wagner Randriamampandry, Vikera Jeneralin’ny Diôsezin’Antananarivo… ♦ Tontosa ny sabotsy 20 sy alahady 21 janoary ny lanonana fitsofan-drano an’i Mgr Luc Olivier Razafitsimialona, tao amin’ny Diôsezin’Ihosy…

Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 7, 18-19. 24-29)

Zinona moa aho, ry Tompo Andriamanitra, Zinona moa ny mpianakaviko.

Tamin’izany andro izany,
nony avy niteny tamin’i Davida i Natàna,
dia niditra ny mpanjaka ary nipetraka teo anatrehan’Andriamanitra ary nanao hoe:

“Zinona moa aho, ry Tompo Andriamanitra ô!
Ary zinona moa ny mpianakaviko no nentinao ho tonga amin’izao aho?
Izany indray aza mbola zavatra kely eo imasonao, ry Tompo Andriamanitra,
fa niteny Ianao ny amin’ny taranaky ny mpanomponao
ka hatrany amin’ny andro aoriana any.
Arakaraka ny lalan’ny olombelona izany ataonao amiko izany,
Tompo Andriamanitra ô!

Nataonao mafy orina i Israely vahoakanao, ho vahoakanao mandrakizay,
ka Ianao, ry Tompo, dia efa tonga Andriamaniny.
Koa ankehitriny, ry Tompo Andriamanitra ô,
tano ny teny voalazanao ny amin’ny mpanomponao sy ny taranany,
tano mandrakizay izany ary tanteraho araka ny teninao;
dia hankalazaina anie ny Anaranao, ka hatao hoe:
Ny Tompon’ny tafika no Andriamanitra amin’i Israely.
Ary aoka ho voaorina mafy eo anatrehanao ny fianakavian’i Davida mpanomponao.
Fa Tenanao, ry Tompon’ny tafika, Andriamanitr’i Israely,
no efa niseho tamin’ny mpanomponao ka nilaza hoe:
Hanorenako trano Ianao.
Ka izany no nahasahian’ny mpanomponao nanao izao hataka izao taminao.
Koa ankehitriny, ry Tompo Andriamanitra,
Ianao no Andriamanitra, ary marina ny teninao.
Efa nilaza izany teny mahafinaritra izany tamin’ny mpanomponao Ianao,
ka aoka ho sitrakao ny hitahy ny fianakavian’ny mpanomponao,
mba haharetany mandrakizay eo anatrehanao.
Fa Ianao, Tompo Andriamanitra, no niteny,
ka amin’ny fitahianao dia ho voatahy mandrakizay ny fianakavian’ny mpanomponao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo

Setriny

Salamo 131, 1-3. 3-5. 11-12. 13-14

Homen’ny Tompo Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy Izy.

Tsarovy i Davida sy izay nataony, ry Tompoko.
Tsarovy ny asa sy ireo teny napetrany.
Fa ilay fianianana izay nataony dia fatratra.
Dia ilay dina masina izay naloaky ny vavany.

Fa zovy àry moa aho no sahy honina ao an-dapako?
Ho sahiko ve ny hiala sasatra eo am-pandriako?
Izay torimasoko tsy ho tonga handrendrika!
Ny masoko tsy mba hikimpy, tsy ho rendremana!

Hoy ny Tompo raha nianiana teo imason’i Davida:
Ho an’izay haterakao ny seza fiandriananao.
Ny taranany aoriana koa handimby azy eo.
Raha mitandrina ny didy sy manaja fanekena.

Fa ny Tompo dia nifidy an’i Siôna mba ho Azy.
Ka ataony Fitsaharany onenany hatrany.
Ho Fitsaharako maharitra ka tiako lalandava.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 21-25)

Entina hapetraka eo ambony fanaovan-jiro ny jiro ary araka izay famarana hamaranareo ihany no hamarana ho anareo koa.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Moa entina hapetraka ao ambanin’ny vata famarana
na ambanin’ny farafara va ny jiro?
Moa tsy hapetraka amin’ny fanaovan-jiro va izy?
Fa tsy misy takona izay tsy haseho,
na miafina izay tsy haposaka.
Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.”

Dia hoy indray Izy:

“Diniho izay renareo.
Araka izay famarana hamaranareo ihany no hamarana ho anareo,
ary homena mihoatra aza ianareo.
Fa izay manana dia homena,
ary izay tsy manana kosa,
na dia izay ananany aza dia hoesorina aminy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

25 janoary 2024 — Ny nibebahan'i Masindahy Paoly Apôstôly — Fety — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 15-18)

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 9, 1-22)

Tompo ô, inona no tianao hataoko?

Tamin’izay i Saoly,
dia mbola tsy nihevitra afa-tsy ny handrahona sy hamono ny mpianatry ny Tompo,
ka nanatona ny lehiben’ny mpisorona izy,
nangataka taratasy taminy ho an’ny sinagogan’i Damasy
mba hitondrany am-patorana ho any Jerosalema
izay rehetra hitany manaraka izany lalana izany,
na lahy na vavy.
Raha mbola teny an-dalana izy ka efa mby akaikin’i Damasy
dia nisy fahazavana tonga tampoka avy any an-danitra
nanjelajelatra nanodidina azy.
Dia lavo tamin’ny tany izy,
ary nandre feo nanao taminy hoe:

“Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?”

Ka hoy izy:

“Iza moa Ianao, Tompoko?”

Ary hoy ny Tompo:

“Izaho no i Jesoa izay enjehinao;
sasa-poana ianao mitroatra manohitra ny fanindronana.”

Dia nangovitra sy very hevitra izy, ka nanao hoe:

“Tompo ô, inona no tianao hataoko?”

Ary hoy ny Tompo taminy:

“Mitsangàna, midira ao an-tanàna,
ary ao no holazaina aminao
izay tsy maintsy hataonao.”

Tafatsatoka talanjona foana ny olona niaraka taminy,
fa nandre ny feo,
nefa tsy nahita olona na iza na iza.
Nony niarina avy hatreo i Saoly,
dia nanokatra ny masony,
fa tsy nahita na inona na inona;
ka olona no nitantana azy hankao Damasy.
Ary hateloana izy no tsy nahita,
sady tsy nihinana na nisotro.

Tao Damasy fahizay
dia nisy mpianatra anankiray atao hoe Anania,
nilazan’ny Tompo tamin’ny tsindrimandry hoe:

“Ry Anania.”

Dia hoy izy:

“Inty aho, Tompoko.”

Ary hoy ny Tompo taminy:

“Mitsangàna,
ka mandehana any amin’ny lalana atao hoe Mahitsy;
tadiavo ao an-tranon’i Jodà,
fa misy lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsy,
efa mivavaka izy izao.

(Tamin’izay koa i Saoly dia nahita lehilahy anankiray
tamin’ny tsindrimandry atao hoe Anania
izay niditra sy nametra-tanana taminy
mba hampahiratra azy).

Ary i Anania namaly hoe:

“Tompoko, reko tamin’ny olona maro
fa loza loatra no nafitsok’io lehilahy io
tamin’ny olonao masina tao Jerosalema,
ary aty indray izy izao nahazo fahefana
tamin’ny lehiben’ny mpisorona
koa mba hamatotra izay rehetra miantso ny Anaranao.”

Fa hoy ny Tompo taminy:

“Mandehana,
fa io lehilahy io dia fanaka voafidy ho Ahy,
hitondra ny Anarako eo anatrehan’ny Jentily
sy ny mpanjaka ary ny zanak’i Israely;
ary hasehoko azy ny mafy tsy maintsy hiaretany
noho ny Anarako.”

Dia nandeha i Anania,
ka nony tonga tao an-trano,
dia nametra-tanana taminy nanao hoe:

“Ry Saoly rahalahy,
i Jesoa Tompo izay niseho taminao
teo amin’ny lalana nalehanao,
dia naniraka ahy mba hahiratra indray ianao
sy ho feno ny Fanahy Masina.”

Niaraka tamin’izay,
nisy zavatra toy ny lanin-kazandrano
niala teo amin’ny masony, ka nahiratra indray izy.
Dia nitsangana izy ka natao batemy;
ary nihinan-kanina, ka dia natanjaka indray.
Niara-nitoetra andro vitsivitsy tamin’ny mpianatra
tao Damasy i Saoly,
ary nitory teo amin’ny sinagôga
niaraka tamin’izay izy,
ka nilaza fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra.
Talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe:

“Tsy ity va ilay nanenjika izay niantso izany Anarana izany tany Jerosalema,
sy tonga aty mba hitondra azy am-patorana
ho any amin’ny lehiben’ny mpisorona?”

Vao mainka nihanahery anefa i Saoly
sy nandresy lahatra ny Jody nonina tao Damasy,
naneho marimarina tamin’izy ireo
fa i Jesoa no Kristy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 22, 3-16)

Mitsangàna, raiso ny Batemy, ary mialà amin’ny fahotana, amin’ny fiantsoana ny Anaran’i Jesoa.

Tamin’izany andro izany:
Hoy i Paoly tamin’ny vahoaka tao Jerosalema:

“Izaho dia lehilahy Jody teraka tany Tarsy any Silisia,
fa teto amin’ity tanàna ity no nahabe ahy,
teo ambanin’ny saokan’i Gamaliely,
nampianarina tsara ny Lalàn’ny razantsika aho,
ary nazoto ery ho an’Andriamanitra
tahaka anareo rehetra izao.
Nanenjika sy namono izay nanaraka izany fampianarana izany aza aho;
ary namatotra azy na lahy na vavy,
sy nampandatsaka azy an-tranomaizina.
Ny lehiben’ny mpisorona sy ny Loholona rehetra no vavolombeloko;
fa nandray taratasy tamin’izy ireo ho an’ny rahalahy aho,
dia nankany Damasa hamatotra sy hitondra
izay hita tao ho aty Jerosalema mba hampijaliana.
Kanjo nony nandeha aho ka mby teo akaikin’i Damasa,
tamin’ilay mitatao vovonana iny ny andro,
dia nisy fahazavana lehibe
tonga tampoka avy any an-danitra nanodidina ahy.
Lavo tamin’ny tany terý aho,
sady nandre feo nanao tamiko hoe:

‘Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?’

Dia namaly aho nanao hoe:

‘Iza moa Ianao, Tompoko?’

Ary hoy izy tamiko:

‘Izaho no Jesoa avy any Nazareta izay enjehinao.’

Ry zareo niaraka tamiko izany,
nahita ny fahazavana ihany,
fa tsy nandre ny feon’izay niteny tamiko.
Ary hoy izaho:

‘Inona no hataoko, Tompoko?’

Ka hoy ny Tompo tamiko:

‘Mitsangàna, ary mankanesa any Damasa,
fa any no holazaina aminao
ny zavatra rehetra tsy maintsy hataonao.’

Tsy nahita anefa aho
azon’ny famirapiratan’izany fahazavana izany,
ka notantanan’izay niaraka tamiko aho,
vao tonga tany Damasa.

Ary nisy lehilahy anankiray atao hoe Anania
izay nanaraka ny Lalàna,
sy tsara laza tamin’ny Jody rehetra nonina tao.
Tonga nanatona ahy izy
ary nitsangana teo anilako nanao hoe:

‘Ry Saoly rahalahy, mahiràta.’

Niaraka tamin’izay, dia nahita azy aho.
Ary hoy izy:

‘Ny Andriamanitry ny razantsika
efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony,
sy hahita ilay Marina, ary hihaino ny teny aloaky ny vavany.
Fa ianao no ho vavolombelony
hanambara amin’ny olona rehetra izay efa hitanao sy renao.
Ary ankehitriny, inona no andrasana?
Mitsangàna, raiso ny batemy,
ary mialà amin’ny fahotana,
amin’ny fiantsoana ny anaran’i Jesoa.’”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 116, 1. 2)

Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely.

Derao ny Tompo,
ry firenen- drehetra!
Ankalazao Izy,
ry foko rehetra!

Fa aminay tsy mba lefy
ny hatsaram-pony,
ary mandrakizay
ny fahamarinany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 15-18)

Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra.

Tamin’izany andro izany,
niseho tamin’izy iraika ambin’ny folo lahy i Jesoa
ka nanao tamin’izy ireo hoe:

“Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao,
mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra.
Izay hino ka hatao batemy dia ho voavonjy;
fa izay tsy hino dia hohelohina.
Ary izao no famantarana homba izay mino:
Handroaka demony amin’ny Anarako izy,
hiteny amin’ny fiteny tsy mbola hainy izy,
handray menarana izy,
ary na misotro zava-mahafaty aza izy
dia tsy hampaninona azy izany;
hametra-tanana amin’ny marary izy,
dia ho sitrana ireny.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...