• Mbola voafidy ho Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara i Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava. Niova kosa ny Filoha Lefitra sy ny Sekretera Jeneraly...
  • Tsy handray anjara amin'ny fanaraha-maso mandritra ny fifidianana izay ho Ben'ny Tanàna hatao amin'ny 11 desambra 2024, ny FFKM...
  • Nisokatra androany tamin'ny 2 ora tolakandro ny taom-piotazana letchis amin'ity taona ity. Efa nampoizina fa hihena ny vokatra ho an'ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo, noho ny fiovan'ny toetr'andro...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...