2 febroary 2024 — Ny nanolorana ny Tompo — Fankalazana manetriketrika — Fahazavana hanilo ny Jentily Izy, sady voninahitr’i Israely olonao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 22-40)
1 febroary 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 6-13)
Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 2, 1-4. 10-12)
Nony efa akaiky ny andro hahafatesan’i Davida,
dia nandidy an’i Salômôna zanany izy, nanao hoe:
“Handeha amin’ny lalana falehan’ny tany rehetra aho ity,
ka mahereza ianao, misehoa ho lehilahy.
Tandremo ny fanompoana ny Tompo Andriamanitrao,
fa araho ny lalàny, tandremo ny didy aman-dalàny, ny fitsipika amam-pandaharany,
araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Môizy,
mba hahomby ianao amin’izay ataonao rehetra sy izay rehetra hoherehinao,
ka dia hotanterahin’ny Tompo ilay teny nilazany ny amiko hoe:‘Raha mitandrina ny diany ny zanakao,
ka mandeha eo anatrehako amim-pahamarinana amin’ny fony rehetra
dia tsy ho lany taranaka ho eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely ianao.’”
Dia nandry any amin’ny razany i Davida,
ka nalevina tao an-tanànan’i Davida.
Efapolo taona no andro nanjakan’i Davida tamin’i Israely,
ny fito taona nanjakany tany Hebrôna,
ary ny telo amby telopolo taona tao Jerosalema.
Ary i Salômôna nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Davida rainy,
ary niorina tsara ny fanjakany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: 1 Tant. 19, 10. 11ab. 11d-12a. 12bde
Isaorana Ianao, ry Tompo Andriamanitr’i Israely Razanay:
hatramin’ny mandrakizay ka ho mandrakizay!
Anao, ry Tompo, ny halehibeazana sy hery,
ny hamirapiratana, fahamendrehana sy fiandrianana.
Anao ny zava-drehetra:
na ny any an-danitra na ny eto an-tany!
Anao, ry Tompo, ny Fanjakana,
sy ny fisandratana ho Lohan’ny zava-drehetra.
Ny harena, ny voninahitra dia avy aminao!
Ianao no manjaka amin’ny zavatra rehetra!
An-tananao ny hery sy ny tanjaka!
Ny tananao no mahalehibe sy mahamafy ny rehetra.
Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 6-13)
Tamin’izany andro izany,
niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy i Jesoa,
ka naniraka azy handroaka ny fanahy maloto.
Ary noraràny tsy hitondra na inona na inona eny an-dalana izy ireo
na kitapo, na mofo, na farantsa kely varahina amin’ny fehin-kibony,
afa-tsy tehina ihany,
fa ny tongotra no asiana kapa, ary tsy mitondra akanjo roa.
Ary hoy koa Izy taminy:
“Na aiza na aiza halehanareo,
dia mitoera amin’izay trano hidiranareo ambara-pialanareo.
Ary raha misy tsy mampiantrano na tsy mihaino anareo,
dia mialà ao ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo ho fiampangana azy.”
Dia nandeha izy ireo ka nitory tamin’ny olona fa tsy maintsy mibebaka izy,
sy nandroaka demony maro,
ary nanosotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
31 janoary 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 1-6)
Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 24, 2. 9-17)
Tamin’izany andro izany,
hoy i Davida mpanjaka tamin’i Jôaba filohan’ny tafika, izay teo aminy:
“Mandehàna tetezo ny fokon’i Israely rehetra
hatrany Dana ka hatrany Bersabea,
hahafantarako ny isan’ny vahoaka.”
Ary natolotr’i Jôaba ny mpanjaka ny boky nisy ny isam-bahoaka,
ka nisy valo hetsy, ny lehilahy mpiantafika, mahatan-tsabatra, tamin’i Israely,
ary dimy hetsy ny lehilahy tamin’i Jodà.
Nandre ny fony nitebiteby i Davida nony nanisa ny vahoaka,
ka hoy i Davida tamin’ny Tompo:
“Nahavita fahotana lehibe aho, tamin’ny nataoko!
Koa ankehitriny, Tompo ô,
mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao,
fa efa nanao toy ny adala tokoa aho.”
Nony ampitso, rahefa nifoha i Davida,
dia tonga tamin’i Gada mpaminany, mpahitan’i Davida, ny tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Mandehàna lazao amin’i Davida hoe:
Izao no lazain’ny Tompo:
Zavatra telo no apetrako eo anoloanao,
ka fidio izay iray hataoko aminao.”
Dia nankany amin’i Davida i Gada ka nanambara izany taminy, nanao hoe:
“Ho tonga amin’ny taninao va ny mosary fito taona,
sa handositra telo volana eo anoloan’ny fahavalonao izay hanenjika anao va ianao;
sa hasian’ny pesta hateloana ny taninao?
Hevero sy saino ankehitriny, izay valy homeko an’Ilay naniraka ahy.”
Dia hoy ny navalin’i Davida tamin’i Gada:
“Latsaka am-panahiana lozantany aho ity!
Indrisy! Aoka re, fa dia aleontsika ho azon’ny tanan’ny Tompo
fa be famindram-po Izy,
toy izay ho azon’ny tanan’olombelona.”
Ary ny Tompo naniraka pesta any amin’i Israely,
hatramin’ny marainan’izay andro izay,
ka hatramin’ilay fotoana voafetra,
ka nahafatesana fito alina ny olona,
hatrany Dana ka hatrany Bersabea.
Mbola naninjitra ny tanany tamin’i Jerosalema ihany ilay Anjely, handringana azy.
Fa nanenenan’ny Tompo ny amin’izany loza izany,
ka hoy Izy tamin’ilay Anjely namono ny vahoaka:
“Aoka izay, fa avonkòny amin’izao ny tananao.”
Teo akaikin’ny famoloan’i Aerônà, Jeboseanina,
no nitoeran’ilay Anjelin’ny Tompo tamin’izay.
Nony nahita ilay Anjely namono ny vahoaka i Davida dia hoy izy tamin’ny Tompo:
“Indro izaho no nanota, izaho no meloka,
fa ireo kosa, ireo ondry ireo mba nanao inona moa?
Ka aoka re izaho sy ny mpianakavin’i Kaky no hasian’ny tananao!”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 31, 1-2. 5. 6-7
Sambatra izay afa-keloka sy voavela ota.
Eny, sambatra ny olona
tsy itanan’ny Tompo hadisoana
sy tsy misy fitaka eo am-bavany.
Koa nitsorako taminao ny otako;
tsy nafeniko Anao ny hadisoako.
Miaiky heloka aho, Tompo! hoy aho,
dia nesorinao ny hadisoana sy ny ota.
Koa amin’ny andro fahoriana,
ny mpivavaka rehetra hidera Anao;
raha ho tondraka ny ranobe,
izy tsy mba ho trany.
Ianao no fiereko
miaro amin’ny loza,
izaho hodidininao
hiram-pahafahana.
Aleloia. Aleloia.
Sokafy, ry Tompo ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 1-6)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nankany amin’ny tany nahabe Azy, ary nanaraka Azy ny mpianany.
Ary rahefa sabata ny andro,
dia nampianatra tao amin’ny sinagôga Izy,
ka be tamin’izay nihaino Azy no gaga tamin’ny fampianarany sy nanao hoe:
“Taiza no nahazoan’Izy io izany rehetra izany?
Fahendrena manao ahoana izao nomena Azy izao,
ary ahoana no ahefan’ny tanany izany asa lehibe izany?
Moa tsy io va ilay mpandrafitra, zanak’i Maria,
rahalahin’i Jakôba sy i Jôsefa ary i Jodà sy i Simôna?
Moa tsy atý amintsika va ny anabaviny?”
Dia tafintohina taminy izy ireo.
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny
sy amin’ny fianakaviany ary amin’ny havany ihany.”
Ary tsy nahazo nanao fahagagana akory Izy teo,
fa marary vitsivitsy monja no nositraniny tamin’ny fametrahan-tanana,
ary gaga Izy noho ny tsy finoan’ireo.
Dia nitety ny vohitra manodidina sy nampianatra Izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
30 janoary 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 21-43)
Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 18, 9-10. 14b. 24-25a. 30 — 19, 3)
Tamin’izany andro izany,
sendra teo anoloan’ny mpanompon’i Davida i Absalôma.
Nitaingina mole i Absalôma
ary nitsofoka tao anatin’ny rantsan’ny terebinta mikirindro ny mole,
dia voasingotry ny terebinta ny lohany,
dia tafahantona teo anelanelan’ny lanitra sy ny tany izy,
ary ny mole nitondra azy dia lasa nandroso.
Hitan’ity lehilahy anankiray izany
ka tonga izy nilaza izany tamin’i Jôaba nanao hoe:
“Indro hitako tafahantona amin’ny terebinta atsy i Absalôma.”
Dia nataony an-tanana ny lefona telo,
ka ilay mbola velona tao amin’ny hazo terebinta iny Absalôma
no notsatohany tamin’ny fony.
Nipetraka teo anelanelan’ny vavahady roa i Davida.
Ary niakatra teo ambonin’ny manda ny mpitily,
ka nanopy ny masony, dia nahatazana,
ka indro lehilahy anankiray mihazakazaka,
ka izy irery ihany.
Niantso ny mpitily nampandre ny mpanjaka.
Dia hoy ny mpanjaka:
“Mitanilà kely ary mitoera etsy àry ianao?”
Koa nitanila kely izy dia nitoetra teo.
Dia indro tonga koa ilay Kosita, ka nanao hoe:
“Aoka ny mpanjaka Tompoko hihaino zava-baovao mahafaly,
fa nomen’ny Tompo anao androany ny rariny,
ny amin’izay rehetra nitsangana hikomy aminao.”
Fa hoy ny mpanjaka tamin’ilay Kosita:
“Tsara tsy misy maninona va ny amin’ny zatovo, Absalôma?”
Ary hoy ny navalin’ilay Kosita:
“Hanahaka iny zatovo iny anie ny fahavalon’ny mpanjaka Tompoko,
mbamin’izay rehetra mitsangan-kanisy ratsy anao!”
Tera-kovitra tamin’ny fientanampony ny mpanjaka,
ka lasa niakatra tany an’efitrano ambonin’ny vavahady,
dia nitomany;
sady nandeha izy no nitanisa hoe:
“Ry Absalôma zanako!
Ry zanako ô, ry zanako Absalôma ô!
Inay anie aho no maty nisolo anao!
Ry Absalôma zanako, zanako ô!”
Nisy olona tonga nilaza tamin’i Jôaba hoe:
“Indro fa mitomany migogogogo ny mpanjaka
noho ny amin’ny zanany.”
Niova fisaonana ho an’ny vahoaka rehetra ny fandrenesana tamin’izany andro izany,
satria ren’ny vahoaka rehetra tamin’izany andro izany fa hoe:
Malahelo mafy ny amin’ny zanany ny mpanjaka.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 85, 1-2. 3-4. 5-6
Mba henoy sy valio aho, ry Tompo,
fa dia ory sy mahantra re ’ty izaho.
‘Ty sakaizanao mifikitra aminao,
mba arovy sy tsimbino lalandava.
Amindrao fo hatrany re, ry Tompo,
fa Ianao no efa antsoiko isan’andro.
‘Ty fanahiko asandratro aminao,
dia ho dibon-kafaliana re ny foko.
Tsara fo sady antra Ianao, ry Tompo.
He! tianao ireo matoky miantso Anao.
Mitalaho an-tanan-droa aho ka henoy;
’zany antso sy talahoko reneso.
Aleloia. Aleloia.
Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 21-43)
Tamin’izany andro izany,
rahefa niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa ka tafita indray,
dia nitangoronan’ny vahoaka teo amoron-dranomasina Izy.
Dia avy ny anankiray amin’ny lehiben’ny sinagôga atao hoe Jaira,
ka nony nahita Azy dia niankohoka tamin’ny tongony izy,
sady nihanta mafy taminy nanao hoe:
“Marary efa ho faty ny zanako vavy,
ka andeha re mba hametra-tanana aminy Ianao,
mba ho sitrana sy ho velona izy.”
Dia nandeha niaraka taminy Izy,
ary be ny vahoaka nanaraka Azy sy nifanety taminy.
Ary nisy vehivavy anankiray nitsi-drà roa ambin’ny folo taona,
izay efa niaritra zavatra mafy betsaka tamin’ny mpanao fanafody maro
sy nandany ny fananany rehetra,
nefa tsy nihatsara velively,
fa vao mainka niharatsiratsy kokoa aza.
Nony nahare ny amin’i Jesoa izy,
dia nisisika tamin’ny vahoaka ka nanendry ny akanjony avy ao ivohony,
fa hoy izy:
“Na dia ny fitafiany ihany aza no voakasiko,
dia ho sitrana aho.”
Dia ritra niaraka tamin’izay ny loharanon’aretiny,
ka tsaroany tao amin’ny tenany fa sitrana izy.
Teo no ho eo ihany dia fantatr’i Jesoa fa nisy hery nivoaka tamin’ny tenany,
ka nitodika ny vahoaka Izy nanao hoe:
“Iza no nanendry ny fitafiako?”
Ary hoy ny mpianany taminy:
“Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao
ka Ianao manontany hoe: Iza no nanendry Ahy?”
Dia nijerijery manodidina Azy Izy hizaha ilay vehivavy izay nanao izany.
Natahotra ravehivavy sy tera-kovitra satria fantany izay tonga taminy,
ka nanatona Azy sy niankohoka teo anatrehany izy,
dia nilaza ny marina rehetra.
Ary hoy Izy taminy:
“Anaka: ny finoanao no nahavonjy anao;
mandehana amim-piadanana,
ary sitràna amin’ny aretinao.”
Raha mbola niteny i Jesoa,
dia tonga ny avy any an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga
ka nanao taminy hoe:
“Maty ny zanakao vavy,
ka nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?”
Fa nony nandre izany teny izany i Jesoa
dia nilaza tamin’ilay lehiben’ny sinagôga hoe:
“Aza matahotra, fa minoa fotsiny ihany.”
Ary tsy nisy navelany nanaraka Azy
afa-tsy i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahin’i Jakôba.
Ary nony tonga tany an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga izy ireo,
dia olona nikorontana sy nitomany ary ninaonaona be ihany no hitan’i Jesoa.
Ary niditra Izy ka niteny tamin’ny olona hoe:
“Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany?
Tsy maty razazavavy, fa matory.”
Dia nihomehy Azy fatratra ny olona;
fa Izy kosa nandroaka azy rehetra,
dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’ireo nanaraka azy
niditra tao amin’izay niamparan-drazazavavy,
ary nandray ny tanany sy nilaza taminy hoe:
“Talita, Komy, izany hoe:
Ry zazavavy, hoy Aho aminao, mitsangàna.”
Niaraka tamin’izay dia nitsangana razazavavy
ka namindra fa efa roa ambin’ny folo taona izy,
dia talanjona indrindra ny olona.
Fa norarany mafy izy ireo mba tsy hatao fantatr’olona izany,
ary nasainy nomen-kanina razazavavy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Misehatra amin'ny famokarana vary manitra ireo tantsaha kaoperativa Vary Manitra Diégo II na ny KOVAMADI-II, ao Anivorano Avaratra Antsiranana-II. Miroborobo ny famokarana noho ny fampiofanana nokarakarain'ny Réseau SOA ho azy ireo.
Zava-tsoa ara-panahy ilaintsika krisitianina mivahiny eto an-tany ny Sakramenta, ary mankany amin'ny mandrakizay ny vokatr'izany.
♦ Hiaka-dapa indray, manomboka amin'ny alatsinainy 29 janoary 2024, ny Loholona sy ny Solombavam-bahoaka. Fivoriana tsy ara-potoana hanoloran'ny Governemanta ny fanatanterahana ny pôlitika ankapoben'ny fanjakana... ♦ Manohana an'i Madagasikara hanatsara ny masom-boly apemba sy ny voanjo ary ny bajiry ny Governemanta Amerikana. Faritra miisa enina eto amin'ny nosy no hanatanterahana izany, amin'ny alalan'ny tetikasa Apemba...
Raha te ho salama dia misy andraikitra tsy maintsy hanapahan'ny tena hevitra ny manatanteraka azy. Misy anefa tranga tsy vitan'ny tena irery fa tsy maintsy miankina amin'ny sehatra hafa.
♦ Efa any amin'ny Diôsezin'i Tolagnaro i Mgr Luc Oliver Razfitsimialona, hohamasinina ho Eveka ao amin'izany Diôsezy izany amin'ny alahady 28 janoary 2024... ♦ Handray anjara amin'ny fifidianana manaraka amin'ity taona ity, ny antoko MMM. Mametraka fepetra kosa anefa izy ireo momba izany... ♦ Mandry tsy lavo loha tanteraka ny mponina ao amin'ny Distrikan'Ankazobe, ato amin'ny Faritra Analamanga, manoloana ny fanafihan-dahalo mahery vaika...
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco