Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 25, 6-10)

Manomana fanasana ny Tompo ary hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra.

Amin’izany andro izany
ny Tompo, Andriamanitry ny tany aman-danitra,
dia hanomana fanasana amin’ity tendrombohitra ity
ho an’ny firenena rehetra,
fanasana amin’ny hena matavy,
fanasana amin’ny divay ela niotrehana,
hena matavy sy be tsoka,
divay ela niotrehana sy voatantavana.
Horovitiny eto amin’ity tendrombohitra ity
ny voaly manarona ny olona rehetra,
mbamin’ny rakotra mandrakotra ny firenena rehetra.
Ny fahafatesana hofoanany tsy hisy mandrakizay.
Ny Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra,
ny henatry ny vahoakany
hesoriny tsy hisy amin’ny tany rehetra;
fa efa niteny ny Tompo.
Izao no holazain’ny olona amin’izany andro izany:

“Indro ny Andriamanitsika
izay niankinantsika mba ho voavonjy;
dia ny Tompo izay nantenaintsika.
Aoka isika hanao hafaliana sy firavoravoana
amin’ny famonjeny.”

Fa ny tanan’ny Tompo
hipetraka amin’ity tendrombohitra ity.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6

Ny tranon’ny Tompo no honenako amin’ny taona maro mifandimby.

Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inona aho.
Izaho ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy fanahy,
tarihiny amin’ny lala-marina noho ny Anarany.
Na mamaky lohasaha maizina aza aho,
tsy matahotra izay loza,
satria Ianao miaraka amiko;
ny kibay aman-tehinao mampatoky ahy.
Rosoanao sakafo eo imason’ny rafiko aho:
ka ny loha mitavona ilo, ny kapoaka safomorona.
Eny,
hatsaram-po sy hasambarana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo.
Ny tranon’ny Tompo no fonenana
amin’ny taona maro mifandimby.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tongava, ry Tompo, ary aza ela; vahao ny fatoran’ny vahoakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 15, 29-37)

Nanasitrana olona maro i Jesoa ary nampitombo ny mofo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nankany amoron-dranomasin’i Galilea,
ary niakatra tany an-tendrombohitra Izy ka nipetraka teo.
Maro ny vahoaka nanatona Azy teo,
nitondra ny moana, ny jamba, ny mandringa, ny kilemaina
mbamin’ny marary hafa betsaka,
sy nametraka azy teo an-tongotr’i Jesoa dia nositraniny,
hany ka gaga ireo vahoaka rehetra ireo
nony nahita ny moana niteny, ny kilemaina sitrana,
ny mandringa afa-mandeha, ny jamba nahiratra,
ka nankalaza an’Andriamanitr’i Israely izy ireo.
Ary niantso ny mpianany i Jesoa ka nilaza taminy hoe:

“Mampalahelo Ahy ireto vahoaka,
fa efa hateloana izay no tsy nisarahany tamiko,
ka tsy manan-kohanina izy,
tsy tiako ny hampody azy tsy homan-kanina
sao dia reraka eny an-dalana izy.”

Fa hoy ny mpianany taminy:

“Aiza no hahazoanay mofo
ampy hahavoky ireo vahoaka be ireo aty an’efitra?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Manana mofo firy ianareo”?

Hoy ireo taminy:

“Fito sy hazandrano madinika vitsy foana.”

Dia nasainy nipetraka tamin’ny tany ny vahoaka;
ary noraisiny ny mofo fito sy ny hazandrano,
dia nanaovany fisaorana sy novakìny
ka nomeny ny mpianany,
ary ny mpianany kosa nanome ny vahoaka.
Dia nihinana izy rehetra ka voky,
ary sobika fito no feno ny sombintsombiny
sisa tsy lany nangonina.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...