Vakiteny voalohany

Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apok. 5, 1-10)

Voavono ny Zanak’ondry ka ny Rany no nanavotany antsika.

Izaho Joany dia nahita teny an-tanana ankavanan’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana
boky voasoratra tao anatiny sy teo ivelany, voaisy tombokase fito.
Dia indro, nisy anjely mahery anankiray niantso tamin’ny feo mafy hoe:

“Iza no mendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny?”

Ary tsy nisy, na tany an-danitra, na tetý an-tany, na tany ambanin’ny tany,
nahasokatra sy nahajery azy akory.
Koa nitomany mafy aho, fa tsy hita izay mendrika hanokatra ny boky sy hijery azy.
Dia hoy ny anankiray tamin’ny Anti-dahy tamiko:

“Aza mitomany, fa indro, efa nandresy ny Liona avy amin’ny fokon’i Jodà ny solofon’i Davida,
ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito.”

Ary hitako, fa indro, teo afovoan’ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra,
sy teo afovoan’ireo Anti-dahy, dia nisy Zanak’ondry nitsangana,
tahaka ny voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito,
dia ny Fanahy fiton’Andriamanitra nirahina any amin’ny tany rehetra.
Dia tonga Izy ka nandray ny boky teny an-tanan’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana.
Nony nandray ny boky Izy,
dia niankohoka teo anoloan’ny Zanak’ondry ny Zava-manana aina efatra sy ny Anti-dahy efatra amby roapolo,
izay samy nanana lokanga sy lovia volamena feno zava-manitra,
dia ny fivavahan’ny olo-masina izany.
Ary nanao hira vaovao izy ireo nanao hoe:

“Ianao no mendrika handray ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny.
Fa voavono Ianao, ka ny Ranao no nanavotanao ho an’Andriamanitra ny fokom-pirenena rehetra sy ny samihafa fiteny,
mbamin’ny fanjakana sy ny firenena rehetra.
Nataonao fanjakana mpisorona ho an’Andriamanitra izy ireo, ka manjaka etý ambonin’ny tany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 149, 1-2. 3-4. 5-6a sy 9b

Nataonao fanjakan’Andriamanitray sy mpisorona izahay.

Ihirao hira vao ny Tompo!
Derao ao am-Piangonan’ny mpivavaka Izy!
I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy;
ny zanak i Siôna hiravo amin’ilay Mpanjakany.

Hidera ny Anarany amin-dihy,
hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga!
Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany;
ravahany fandresena ny ory!

Ny mpivavaka aoka hientana amin’ny voninahiny,
sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba
ho fankalazana an’Andriamanitra:
izany no voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 41-44)

Raha mba nahalala izay hampiadana anao manko ianao.

Tamin’izany andro izany,
nony mby akaiky an’i Jerosalema i Jesoa dia nitomany azy nanao hoe:

“Raha izay kosa manko ianao no mba nahalala izay hampiadana anao,
na dia amin’itý andro nomena anao itý ihany aza!
Fa takona ny masonao izany ankehitriny.
Ka ho avy aminao ny andro hanaovan’ny fahavalonao hady manodidina anao;
hosaronany ianao sy hotereny hatraiza hatraiza,
ary hofongorany hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao eo anatinao
ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao,
satria tsy nahalala ny andro namangiana anao ianao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...