♦ Mankalaza ny faha-125 taonany ny ECAR Masina Maria Mpanampy ao Soanierana. Tamin'ny alalan'ny Sorona Masina no nanombohana izany omaly niaraka tamin'ny fankalazana ny fetin'ny Fiangonana... ♦ Tsy tapaka ny fifandraisana ara-diplômasia eo amin'i Madagasikara sy Comores hoy ny Ministry ny raharaham-bahiny Malagasy ny faran'ny herinandro teo. Misokatra ho an'i Comores ny sisin-dranomasin'i Madagasiraka rehefa miverina amin'ny laoniny ny toe-draharaha momba ny fahasalamana...  ♦ Mitohy hatrany ny fahatapahan'ny herin'aratra nandritra ny faran'ny herinandro teo. Voahitsakitsaka ny andininy faha-21 amin'ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon'ny olombelona hoy ny mpiaro ny zon'olombelona...

[audio src="/images/sounds/jma-20241104.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...