♦ Hotanterahana ny alahady 5 janoary 2025 ny fametrahana ny Eveka Vaovaon'ny Diôsezin'i Farafangana, Mgr Marcelin Randriamamonjy eo amin'ny Katedra araka ny fomban'ny Fiangonana... ♦ Voatery niverin-dalana teny ampanidinana omaly ny sidina mampitohy an'i Paris sy Antananarivo an'ny kaompaniam-pitanterana an'habakabaka Air France noho ny fahitàn'ny mpanamory toe-javatra mampiahiahy teny ampanidinana tao amin'ny fari-dranomasina Méditerrané... ♦ Tandondomin-doza noho ny fanapotehana ny tontolo iainana ny velontenan'ireo mpanjono amin'ny farihy misy eto Madagasikara. Mihena isan-taona ny velaran'ny faritra azon'izy ireo anjonoana...

[audio src="/images/sounds/jmi-20241104.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...