Ny fitiavan-tanindrazana sy ny finoana dia mira zotra ho fampandrosoana ny firenena, indrindra ho fandravana ny lainga, sy ny tsy fahamarinana, kolikoly. 14 oktobra 1958 no nanambaràna tamin'ny fomba ôfisialy fa afaka i Madagasikara, saingy hatramin'izao anefa dia mbola eo ambany ziogan'ireo firenena matanjaka vahiny ny Malagasy. 14 oktobra 2025 no nijoro ireo Miaramila hanavotra ny firenena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Hajain'ny Eglizy fatratra ny Soratra Masina noho izy Tenin'Andrimanitra. Efa hatrany am-piandohana mihitsy dia efa najain'ny Fiangonana fatratra ny Soratra Masina ary mbola mitohy mandraka ankehitriny izany fanajàna izany, indrindra indrindra amin'ny Litorjia Masina. Tsy nisaraka na oviana na oviana tamin'ny lovam-pampianarana ny Soratra Masina... Katesizy momba ny Soratra Masina ao amin'ny fiainan'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny hanatonan'ny mpino kristiana amin'ny fomba malalaka ny Tenin'Andriamanitra no tanjon'ny Fiangonana ka fomba hahatongavana amin'izany ny Teny. Tany am-piandohana dia dikan-teny roa lehibe no nankatoavin'ny Fiangonana dia eo aloha ny avy amin'ny Grika tranainy, nataon'izy 70 lahy ka zary niantsoana azy hoe dika-teny Septanta, ary avy amin'ny Latinina "Volgata"... Katesizy momba ny Soratra Masina ao amin'ny fiainan'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Nandray ny asa maha Filoham-panjakana azy, nanomboka androany 17 oktobra 2025, ny Kolonely Randrianirina Michaël. Tontosa teny amin'ny Lapan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana androany, ny lanonam-pitsarana manetriketrika, nadraisana ny fianianany amin'izany maha Filoha azy izany... • Nametra-pialana ny Governoran'ny Faritra Matsiatra Ambony, Lova Paupil Razfindrafito. Fametraham-pialana noho ny fiovan'ny fahefana sy ny rafitra vaovao, araka ny nambarany... • Nivoaka tamin'ny fahanginany ary nanao fanambarana ho an'ny vahoakan'Antananarivo Renivohitra androany, ny Ben'ny Tanana Harilala Ramanantsioa. Fanamby napetrany, hoy izy, ny fanadiovana sy ny fandaminana mba hisy fiantraikany mivantana ho an'ny mponina ny asa atao...
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Niabo ny vokatra azo tamin’ilay tetik’asa niarahan’ny Réseau SOA sy ny tambazotra iraisam-pirenena hoan’ny Fanofanana Ara-pambolena sy ny eny ambanivohitra na ny RI-FAR nanatanteraka. Tetik’asa nandritra ny roa taona nanomboka ny volana septambra 2023 ary nifarana ny volana septambra lasa teo...
• Nandray ny asany amin'ny maha Filoham-panjakana nanomboka ny maraina teo ny Kolonely Randrianirina Michaël. Izy izay nanome toky fa hanavao ny Lalam-panorenana... • Nampita hafatra ho an'ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina sy ny sehatra iraisam-pirenena ny Filohan'ny HCC Florent Rakotoarisoa. Fitiava-tanindrazana no nahatonga izao zava-misy izao, raha ny nambarany... • Efa manana drafi-pitantanana, paikadim-panarenana ary tetikasam-pampandrosoana ny firenena, ny SECES...
• Hanatanteraka ny fianianany eny amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalam-panorenana, na ny HCC eny Ambohidahy, amin'ny maha Filoham-panjakana azy anio, ny Kolonely Randrianirina Michaël... • Nahemotra amin'ny alatsinainy izao indray ny fivoriana handinihan'ny Mpanolotsain'ny Tanana ao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Kianjan'ny 13 mey. Nangingina ny teny amin'ny 13 mey omaly... • Mbola manao ranolava ny fanambarana sy fanehoan-kevitra avy amin'ny fikambanana, firaisamonim-pirenena sy sendika...
Ankoatry ny mpanoratra dia marihan'ny konsily fa misy zavatra 5 asongadin'ny boky mandrafitra ny baiboly : Manamafy ny voalaza mahakasika an'i Kristy Tompo, Manazava hatrany ny tena fampianarany, Mitory ny herim-pamonjena avy amin'ny asan'Andriamanitra nataon'i Kristy, Mitantara ny fiatombohan'ny fiangonana sy ny fihitarany, Milaza ny fahataperany be voninahitra... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
• Miverina amin'ny fampiasana ny Lalam-panorenana teo aloha ny fitondrana ankehitriny, tarihin'ny Kolonely Michaël Randrianirina. Namoaka fanambarana momba izany ny Filankevitra ho an'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny hariva teo... • Hambara ampahibemaso ny alatsinainy izao ny vokatry ny fanadihadiana momba ny nahatongavan'ny Praiminisitra teo aloha Christian Ntsay sy Mamy Ravatomananga tatsy Maurice... • Nitory eny amin'ny Fitsarana, ny Depiote Antoine Rajerison, momba ny nanjo azy tao aorian'ilay fisamborana teny Tsiadana. Anisan'ny nanaovany fitoriana ny fanerena azy alaina sary niaraka tamin'ny basy...
♦ Miandry ny fahavitan'ny fihanianana hotanterahana rahampitso ny fanendrena ny Praiministra hoy ny filoham-panjakàna ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Manentana ny olom-pirenena tsy handairan'ny vaovao tsy mari-pototra ny kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena. Miantso ny zandary hanohy ny asa sahaniny koa ny Jeneraly Mamelison Mbinina Nonos... ♦ Nahaton'ny vondrona afrikana tsy ho mpikambana ao amin'io Vondrona io i Madagasikara nanomboka omaly... ♦ 75 no naratra tany Perou vokatry ny fifandonan'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro filaminana...
Ho fanesorana ny firenena anatin'ny olana misy ankehitriny dia ilay any finiavana, anjara biriky hisian'ny fifanajàna sy fihavanana, fifampihainoana ary fifanampiana. Miainga sy miankina amin'ny tsirairay ny mety hatsara ny fiainam-pirenena, mifototra indrindra amin'ny firaisan-kina. Firaisan-kina mitondra amin'ny fivoarana sy fandrosoana, hiteraka filaminana. Miorina amin'ny safidy ihany koa anefa ny lalam-piainana rehetra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco