• Tsy mbola azo esorina amin'ny Solombavam-bahoaka Naivo Raholdina, ny zo tsy azo enjehina, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, raha tsy mbola misy fanapahan-kevitra avy amin'ny Birao Maharitry ny Antenimieram-pirenena... • Firenena mahaleo tena sy manana ny fiandrianany i Madagasikara, ka manaja ny safidiny amin'ny fiaraha-miasa amin'ny firenen-kafa, toa an'i Rosia ny Vondrona Eoropeana, hoy ny masoivohony eto amintsika, Roland Kobia... • Mikarakara atrikasa mandritra ny roa andro, handalinan'ireo mpikambana ao aminy, ny lalam-pihariana fiompiana tantely, ny tambajotran'ny Sendikan'ny Orina Ambanivohitra, na ny Réseau SOA...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...