Alahady faha-30 mandavantaona — D — Hohenoim-bavaka ny manetry tena ; Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao. Izaho misaotra ny Tompo lalandava; ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany. Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko: mandrenesa, ry ory, ka mifalia. Ny Tompo tezitra amin’ny olon-dratsy ka hahavery tadidy azy eto an-tany. Ny Tompo mihaino izay miantso Azy, ny ahiahiny rehetra ataony misava. Ny Tompo eo anilan’izay mijaly ary namonjy ny rera-tsaina. Ny fanahin’ny mpanompony avotan’ny Tompo; tsy mba hisy sazy ho an’izay mifefy aminy...
♦ Andrasana amin'izao faran'ny herinandro izao ny fijoroan'ny governemanta vaovao hotarihan'ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Voatazona am-ponja vonjimaika ao Maorisy ilay mpandraharaha Malagasy Mamy Ravatomanga araka ny didy fisamborana avy amin'ny Financial Crimes Commission (FCC)... ♦ Eo am-panomanana ny fikaonan-doha nasiônaly hanatsaràna ny fomba fitantanana sy fanamafisàna ny andraikitra sahaniny ny tafika Malagasy araka ny toro-marika avy amin'ny filoham-panjakàna ny Kôlônely Randrianirina Michael...
Anjelin'Andriamanitra, mpiambina ahy sy nanankinan'Andriamanitra mpamindra-fo ny aiko, Hazavao aho anio, ambeno ary tahio ary zakao, Amen ; Ry Reny masin’Andriamanitra, arovy izahay miankina aminao: ianareo Anjely mpiambina anay sy ianareo Olomasina rehetra any an – danitra, manampia anay , ary mangataha amin’Andriamanitra ho anay, mba hampiadaniny ety ambonin’ny tany izahay sy harovany tsy ho latsaka amin’ny fahotana, ary dia ho tonga any an – danitra. Ry Misely Arkanjely masina, ampio izahay amin’ny ady manjo anay, arovy izahay amin’ny hasomparana sy ny fandriky ny demony. Mifona izahay, aoka hosakanan’Andriamanitra izy. Ary ianao, ry Filohan’ny tafiky ny lanitra, noho ny herin’Andriamanitra, dia tohero i satana sy ny fanahy mpanimba rehetra, izay mihahaka rean’izao tontolo izao mba hahavery ny olona, ka avarino any amin’ny afobe. Amen... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ampifandrindra ny fiainana Kristiana, araka ny vanim-potoana mba tsy hanafitohina, fandraisana anjaran'ny Kristiana izany hoe : tsy fanovana fotsiny ny fombafomba fa fanorenana ny ara-panahy sy ara-batana mifototra amin'ny fiainam-pinoana Kristiana. Tanjona ny hanandratra sy hampiroborobo ny fiainam-panahy kristiana amin'ny mpino rehetra...Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Ny votoatin'ny Sancrosanctum Concilium dia mizara toko 7 lehibe ka ireto ny telo voalohany : Ny fitsipika ankapoben'ny fanavaozana litorjika ; Ny Eokaristia Masina izay fanavaozana ny zotram-pivavahana tao amin'ny missel ; Ny sakramenta sy ny Sakramentaly, izay fanamafisana ny maha zava-dehibe ny fandraisana sakramenta...Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
• Nahitana lesoka ny sehatry ny fanabeazana, indrindra ny mahakasika ny fanadinam-panjakana tamin'ny taon-dasa. Nifantoka tamin'izay indrindra ny hafatry ny Eveka eto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ho an'ity taom-pianarana vaovao 2025-2026 ity... • Raha tsy misy fiovana dia tokony ho tafajoro amin'ny alahady izao fara fahatarany ny Governemanta, tarihin'ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo... • Hiroso amin'ny fanakatonana ireo masoivoho samihafa eto Antananarivo, manomboka amin'ny alatsinainy izao, ireo mpiasan'ny orinasa JIRAMA, araka ny toromarika nomen'ny mpitarika ny sendikan'ny mpiasa...
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Aina hoan’ny zavamananan’aina, tsy ankanavaka rehetra ny rano, raha olombelona koa tsy afa-miala aminy. Misedra olana momba ny rano nefa isika ankehitriny, na an-tanandehibe na ambanivohitra. Nivoaka tamin’ny fahanginana ny firaisamonim-pirenena misehatra amin’ny rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana na ny OSCEAH manoaloana ny toe-java-misy eto amin’ny firenena...
♦ Hisitraka rano fisotro madio, afaka iray volana ny mpianatra eny amin'ny Université Polytechnique Vontovorona... ♦ Mbola miankin-doha amin'ny frantsay ny toe-karena malagasy ary voabaikony hatramin'ny mpitondra hatramin'izay, hoy ny mpandraharaha Ramananarivo Daniel... ♦ Nijoro ary nanao fanambarana manoloana ireo ambarany ho tsindry sy fanararaotana misy, amin'ireo harem-pirenena eny Angavokely, ny vondron'olona ifotony Soa Iombonana Angavokely (VOI SOIMANGA)... ♦ Manome 60 andro an'Andriamatoa Jacob Zuma, filohan'i Afrika-Atsimo teo aloha, ny fitsaràna any an-toerana hanefany vola an-tapitrisany euros amin'ny fitsaràna...
Ny fomba fijery miabo dia toe-tsaina mitarika ny olona hahita ny tsara sy hanana fanantenana na dia eo amidin’ny fahasahiranana aza, ka manampy amin’ny fanatsarana ny fiainana. Amin’ny fanamby atrehin’ny tanora sy ny ady amin’ny VIH/SIDA, dia ilaina ny fanabeazana sy fanohanana ara-panahy sy ara-tsosialy hanamafisana ny herim-po sy ny fanajana ny hafa. Manoloana ireo marary na mitondra ny VIH/SIDA dia tokony manao toy ny nataony Samiritana ka manampy tsy manilika ary miezaka miaro azy ireny isika. Mila ny fanohanantsika izy ireny ara-moraly... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Jesoa no ivon'ny fiainana sy faratampon'ny litorjia - Tsy ampy ny "mouvement liturgique" fa tsy maintsy asiana fanazavana. Tamin'ny 11 oktobra 1962 dia nanokatra ny Konsily Vatikana-II, ny Papa Jean-XXIII, ka ny iray amin'ireo lohahevitra lehibe dia ny fanavaozana ny Litorjia... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
• Mbola hanadihady tsara ny zava-misy ny SADC, tao aorian'ny fiovam-pitondrana eto Madagasikara. Nihaona tamin'ireo Solombavam-bahoaka indray izy ireo androany, niresaka momba ny toe-draharaha politika eto amintsika... • Ahiana hikatso ny raharaha eny anivon'ny Fitsarana manerana ny nosy, noho ny fe-potoana nomen'ny Sendikan'ny Mpitsara. Ho tapitra rahampitso izany fe-potoana izany, hitakian'izy ireo ny hijerena ireo olana momba ny raharaham-pitsarana... • Miverina indray ny asan-dahalo mahery vaika, any amin'ny Distrikan'Antanimora Atsimo, Faritra Androy. Misy ireo manararaotra ny savorovoro politika eto amin'ny firenena, hoy ny Depiote voafidy tany an-toerana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco