♦ Fikaonan-doha mazava sy mahomby no ilaina, olona mahasolo tena ny maro sy mahalala ny tombontson'izy ireo no hantsoina hoy ny hafatra avy amin'ny fivondronaémben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Vahaolana lavitr'ezaka hamahana ny fitohanan'ny fifamoivoizana eny Ampasika kaominina Bemasoandro Itaosy, ny fanamboarana tetezana eny Ambohitrimanjaka sy Makis mivoaka eny amin'ny Fiombonana sy Ambohidrapeto... ♦ Fikambanan'ny mpivarotra etsy Vavafolo Tsarasaotra : Hametraka fitoriana eny anivon'ny tendrom-pitsaràna miady amin'ny kolikoly (Pac) mahakasika ny Ben'ny tanàna CR Ambatolampy Tsimahafotsy... 

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...