Bokin’i Siràka (Ekl 35, 1-15)
Ny mitandrina ny lalàna, dia manao fanatitra maro;
ary ny miraikitra amin’ny didy, dia manolotra sorom-pihavanana.
Ny misaotra dia manao fanatitra lafarinina tsara indrindra;
ary ny manao famindram-po, dia manatitra sorona fiderana.
Ny ankasitrahan’ny Tompo, dia ny manalavitra ny ratsy;
ny mahazo famelan-keloka aminy, dia ny mandositra ny tsy marina.
Kanefa aza miseho foan-tanana eo anatrehan’ny Tompo ianao,
fa noho ny didy no tsy maintsy hanaovana ireny fanatitra ireny.
Manatavy ny ôtely ny fanatitra marina;
ary miakatra eo anatrehan’ny Tompo ny fofony manitra.
Mahafinaritra ny soron’ny olo-marina;
ary tsy ho very tadidy ny fahatsiarovana an’izany.
Manomeza voninahitra ny Tompo, amin’ny fo mahafoy be;
ary aza anesorana akory ny voaloham-bokatry ny tananao.
Amin’ny fanatitra rehetra, aoka ho mirana endrika ianao,
ary atokany amim-piravoravoana ny fahafolon-karenao.
Manomeza voninahitra ny Avo Indrindra araka izay nomeny anao,
amin’ny fo mahafoy be, araka izay azon’ny tananao.
Fa manome valy ny Tompo, ka hamerina impito hoatra ny nataonao.
Aza mitady hanangoly Azy amin’ny fanatitra,
fa tsy horaisiny akory izany,
ary aza miantehitra amin’izay fanatitra tsy marina;
fa mpitsara ny Tompo,
ary tsy mijery izay filaharam-piambonian’ny olona akory Izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 49, 5-6. 7-8. 14 sy 23.
Vorio eto amiko ny mpivavaka amiko
izay nifanaiky tamiko tamin-tsorona!
Ny fahamarinany ambaran’ny lanitra.
Eny, Andriamanitra no ilay Mpitsara!
Mandrenesa, ry oloko, fa hiteny Aho;
fa hampamoaka anao Aho, ry Israely:
dia Izaho Andriamanitra,
ilay Andriamanitrao!
Tsy ny fanatitrao no ampamoahako anao:
na ny sorona doranao izay anoloako lalandava!
Ny saotra, atao fanatitra ho an’Andriamanitra;
ny voadinao, tovina ho an’ny Avo indrindra.
Izay misorona saotra no hasaiko
ka hohetsahiko amin’ny vonjiko!
Aleloia. Aleloia.
Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra
mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 28-31)
Tamin’izany andro izany,
i Piera nanao tamin’i Jesoa hoe:
“Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra
ka nanaraka Anao.”
Dia hoy ny navalin’i Jesoa azy:
“Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano,
na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany
noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely,
ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin’ity fiainana ity,
dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany,
na dia ao anatin’ny fanenjehana aza,
ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy.
Fa maro amin’izay farany no ho voalohany,
ary amin’izay voalohany no ho farany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Miseho matetika tamin'ny fiainan'i Jesoa ny vavaka ho an'ireo sakaizany ; tena Mpampianatra sy sakaiza i Jesoa ka vonona miandry am-paharetana ny fibebahan'ny mpianany. Manambara amin'ny fiteny manaitra ny saina ny Taratasy ho an'ny Hebrio ny amin'ny hoe : ahoana ny vavak'i Jesoa no tonga fandresem-pamonjena ." ... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
• 11 febroary 1975 — 11 febroary 2025, 50 taona androany ny nitifirana ny Kolonely Ratsimandrava Richard. Lanonana ara-miaramila toy ny fanao isan-taona no nanamrihana izany teny Ambohijatovo, toerana nitrangan'ny fitifirana... • Mbola mila ezaka goavana i Madagasikara amin'ny ady amin'ny kolikoly. Laharana faha-140 amin'ny firenena 180 isika araka ny IPC, ho an'ny taona 2024... • Niova ny daty hanaovana ny fihaonamben'ireo manam-pahaizana iraisam-pirenena momba ny gidro sy ny rajako, eto Madagasikara. Hotanterahana eto Antananarivo eo anelanelan'ny faha-20 sy ny faha-26 jolay 2025 indray noho izany io fihaonana io...
Lahabolana "JIHE" dia lahabolana fanao an-kira arahina hazakazaka madinika. Ity lahabolana ity dia fanao amin'ny fotoana fifaliana sy amin'ny fahoriana, izany hoe fandrisihana sy fampaherezana ireo izay hiantsàna azy. Ny JIHE dia lahabolana fanaon'ireo foko any amin'ny faritra Atsimo-Andrefana : Masikoro, Vezo, Bara. Lahabolana fanao famporisihana amin'ny asa iombonana toy ny hoe fitariham-bato...
Vavaka faharoa notanterin'i Md Joany (Jo 11, 41-42) ny talohan'ny fananganana an'i Lazara ho velona ; mialoha ny zava-niseho ny fisaorana : "Misaotra Anao Aho, Raiko satria efa nihaino Ahy Ianao", izay midika hoe mihaino lalandava ny fangatahany ny Ray. Nampian'i Jesoa teo no eo hoe : Raha Izaho dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
• Nihaona tamin'ny Papa François tany Vatican, androany maraina, ireo mpikambana ao amin'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... • Manaraka akaiky ny raharahan'i Fernand Cello ny RSF, ka mitaky ny hijerena ny mahaolona, manoloana ny fitazonana azy eny Antanimora... • Nesorin'ny Mouvement Gascar tao anatin'ity Vovonana ity i Mahery Miller. Nolaviny ny filazana azy ho nivadika...
• Nanome hafatrafatra ho an'ireo mpitandro ny filaminana sy ireo miandraikitra ny filaminana eran-tany ny Papa François, nandritra ny fanamarihana ny Jobily 2025 ho azy ireo... • Hafatra ho an'ireo seminarista, indrindra ho an'ireo vao niditra taona voalohany, ao amin'ny Grand Séminaire Faliarivo Ambanidia, no natolotry ny Solontenan'ny Ray masina miasa eto Madagasiakara, nandritra ny Symposium notanterahana ny zoma sy ny sabotsy lasa teo... • Nanentana ny mpitandro ny filaminana hiahy sy hiaro hatrany ny ain'olombelona ny Papa François, nandritra ny toriteniny teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Piera, omaly...
Bokin’i Siràka Ekleziastika (Ekl. 27, 4-7)
Amin’ny fanetsiketsehana ny sivana, no ijanonan’ny faikany betsaka;
amin’ny tenin’ny olona koa, no isehoan’ny kilemany.
Ny memy no fizahan-toetra ny sinin’ny mpanao tanimanga;
ary ny resany kosa no fizahan-toetra ny olombelona.
Ny voan’ny hazo no ahafantarana ny tany aniriany;
toy izany koa ny teny maneho ny hevitry ny fon’ny olombelona.
Aza midera olona alohan’ny nitenenany,
fa ny teny no fizahan-toetra ny olombelona.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 91, 3. 5 ; 13-14 ; 15-16
Tsara ny mitory ny fitiavanao vao maraina
sy ny fahamarinanao raha alina:
amin-tory folo sy valiha,
amin-kalo arahin-dokanga.
Ny olo-marina mamololona toa antrendry,
misandratra avo toa sederan’i Libàna;
ao an-tranon’ny Tompo izy no maniry,
an-kianjan’ny Andriamanitsika no manorobona.
Na antitra aza izy mbola mamokatra,
milenodenoka, be ranon-kazo:
ka maneho fa mahitsy ny Tompo;
ao amin’ilay Vatolampiny, rariny avokoa.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 15, 54-58)
Ry kristianina havana, rehefa mitafy ny tsy fahalòvana ity mety lò ity,
ka mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity,
dia ho tanteraka amin’izay ny teny voasoratra hoe:
Efa noresena ny fahafatesana ka levona.
Ry fahafatesana ô! aiza ny fandresenao?
Ry fahafatesana ô! aiza ny fanindronanao?
Fa ny fahotana no fanindronan’ny fahafatesana;
ary ny Lalàna no herin’ny fahotana.
Hisaorana anie Andriamanitra, Izay nanome antsika ny fandresena,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Koa amin’izany, ry havako malalako,
aoka ianareo hiorina mafy, tsy hiova,
hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo,
fa fantatrareo fa tsy foana ao amin’ny Tompo tsy akory ny fisasaranareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Nosokafan’Andriamanitra ny fontsika mba hitandrina izay nolazain’i Kristy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 39-45)
Tamin’izany andro izany i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny mpianany hoe:
“Moa ny jamba mahatari-dalana ny jamba va?
Moa tsy hiara-mianjera any an-kady va izy roa?
Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra,
fa izay mpianatra tapi-pianarana no hoatra ny mpampianatra azy ihany.
Nahoana no ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao jerenao,
nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao tsy hitanao?
Ary hataonao ahoana no filaza amin’ny rahalahinao hoe:
‘Ry rahalahy, aoka hoesoriko ny sombim-bozaka amin’ny masonao’,
nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao aza tsy hitanao?
Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby amin’ny masonao,
izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao.
Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, na hazo ratsy mamoa voa tsara.
Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra;
fa tsy misy mioty aviavy amin’ny tsilo, na voaloboka amin’ny voaroitsilo.
Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony;
ary ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka ny ratsy avy amin’ny rakitra ratsin’ny fony;
fa ny be ao am-pony no itenenan’ny vavany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco