♦ Olona 4 farafahakeliny no nosamborina vokatry ny hetsi-pitakiana tao an-drenivohitra androany. Olona maromaro no naratra teny Anosibe sy ny manodidina amin'izay hetsika nafàna tao an-drenivohitra izay... ♦ Naneho ny alahelony ny fianakavian'i Rivaldo, ilay tovolahy voatifitry ny basy tany Antsiranana, nandritra ny hetsika tany an-toerana. Nandiso ny nambaran'ny filoham-pirenena izy ireo fa tratra teo am-panaovana fandrobàna no nahafaty azy... ♦ Tsy mitsaha-mitombo ireo sendikà mitaky ny zony, manoloana izao zava-misy eto amin'ny firenena izao. Anisan'ireny androany ny sendikàn'ny Enjeniera momba ny fambolena...

♦ Nangataka ny famindram-pon'ny filohan'ny repoblika hanafaka ny solombavambahoaka Mahavitara Sylvestre any am-ponja ny vadiny sady Ben'ny tanànan'i Vangaindrano. Hojerena ny momba izany hoy Andriamatoa Andry Rajoelina. Misy ireo olona nofonjaina amin'ny fomba tsy ara-drariny sy tsy ara-dalàna hoy izy... ♦ Mifampitaona eny Ambohijatovo indray androany ireo tanora Gen Z sy ny mpiara-dia aminy. Hentitra nefa ny fitandroana filaminana avokoa ny lalana miditra an'Analakely sy Ambohijatovo... ♦ Tsy marina hoy ny Fitsaràna fa misy amin'ireo mpianatra nosamborina nanao fihetsiketsehana notazomina am-ponjy vonjy maika no tsy noraisin'ny mpandraharahan'ny Fonja...

♦ Miantso fitokonambe anio ny tanora mivondrona ao amin'ny Gen Z. Miroso amin'ny fitokonana faobe koa ny sendika efatra ao amin'ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy... ♦ Baolina kitra : voahazon'ny Barean'i Madagasikara ny laharana faharoa ao anatin'ny Vondrona I, misy azy na ahoana na ahoana ny vokatry ny lalao fahafolo farany amin'ny alahady izao... ♦ Niara-nanaiky ny dingana voalohany amin'ny fifanarahana naroson'ny filoha amerikana Donald Trump handaminana ny ady any Gaza ny Hamas palestiniana sy ny fanjakàna Israeliana. Dingana, mamaritra ny fifanakalozana babo an'ady sy takalon'aina...

Ny Testamenta Vaovao diamisy boky 27 mandrafitra azy izay azo sokajiana toy izao : Ny Evanjely 4, Asan'ny Apôstôly, Taratasin'i Md Paoly 13, Taratasy ho an'ny Hebrio, Taratasy Katolika 7, Ny fanambarana na ny Apôkalipsa. Ny Evanjely no fara-tampony noho izy indrindra fanamarinana manokana mahakasika ny fiainan'ny Teny tonga Nofo, mpamonjy antsika... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

♦ Hihaona amin'ny solotenan'ireo hery velona eto amin'ny firenena eny amin'ny lapam-panjakàna Iavoloha anio tolok'andro ny filoha Malagasy Rajoelina Andry... ♦ Tsy misy "service minimum" sy "zéro service" amin'ny asa aman-draharaha sahanin'ireo internes des hôpitaux manerana ny nosy mandrapivaly ny fitakian'izy ireo... ♦ Tanterahina any Côte d'Ivoire anio amin'ny 7 ora hariva, ora eto an-toerana ny lalaon'i Barean'i Madagasikara sy Comores, izay tafiditra amin'ny andro faha-sivy amin'ny fifanitsanana ho an'ny fiadiana ny amboara eran-tany 2026...

♦ Notendrena alina ireo ministra telo mianadahy hisahana ny filaminana eto amin'ny tany sy ny firenena : asa maika miandry azy ireo ny famerenana ny filaminana anatin'ny fotoana fohy... ♦ Tsy manana fikasana hivoaka amin'ny fanajana ny lalam-panorenana fa hamita hatramin'ny farany ny fe-potoam-piasana dimy taona araka ny voafaritra ny lalàna ny filoha Rajoelina araka ny tafa nataon'ny tamin'ny vahoaka Malagasy alina... ♦ Mpanolontsaina an'ny tanàna an'Antananarivo mpitari-tolona : hitory ny filoha Malagasy eo anivon'ny Fitsarana ady heloka bevava iraisam-pirenena (CPI)...

Tsy azo atao tsinotsinona fa tena zava-dehibe ny Testamenta Taloha ho an'ny Kristianina izay manaradia an'i Kristy. Tsy azo sarahina ny Testamenta Vaovao sy ny Taloha satria ny samy notsilovin'Andriamanitra ny mpanoratra azy ary ny Testamenta Taloha dia mamono ny testamenta Vaovao. Ny testamenta Vaovao dia mamelabelatra ny Testamenta Tranainy... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

• Nanao fanambarana manoloana ny zava-misy eto amin'ny firenena androany, ny mpitandrina eo anivon'ny FJKM. Miantso ny hanaovana fanadihadiana lalina momba ny zava-misy. Takiana ihany koa ny famoahana ireo voasambotra noho ny fanehoan-kevitra nataony... • Naparitaky ny mpitandro ny filaminana io takariva io, ireo mpanao fihetsiketsehana teny Anosy sy ny manodidina. Nisy ireo naratra novonjen'ireo mpitsabo mpanao asa an-tsitrapo... • Toherin'ireo antoko mpanohitra ny fanendren'ny Filoham-pirenena ny Praiminisitra vaovao omaly. Fiantsiana sy tsy fahavononana hitady vahaolana miaraka, izao zava-misy izao, hoy ny Vovonana Firaisankina...

♦ Vita sahady ny maraina teo ny famindram-pahefana teo amin'ny praiministra teo aloha sy ny vaovao. Nandao ny Lapan'i Mahazoarivo Andriamatoa Ntsay Christian, rehefa lehiben'ny Governemanta nandritra ny 7 taona sy 3 volana... ♦ Miantso ny antoko politika rehetra hanatevina ny tolona ny Génération Z. Namoaka fanambaràna momba ny raharaham-pirenena indray izy ireo ny maraina teo, taorian'ny fitsipahana ny fanendrena Praiministra, alina... ♦ Mitaky ny hanarenana ny lafiny sôsialiny ireo mpampianatra amin'izao toe-draharaha eto amin'ny firenena izao. Tokony averina amin'ny Ministeran'ny fanabeazana ny teti-bola 200 miliara Ariary, nomena ny JIRAMA hoy izy ireo...

Ny Pôeta Radialph avy any Vatomandry, amin'ny Faritra Atsinanana no nipoiran'ny hai-famoronana "TÔKALO". Tamin'ny taona 1999 no namoronana ity tôkalo ity, taorian'ny fahatsapana fa somary latsa-danja amin'ny literatiora sy ny lahabolana rehetra ny tononkalo, nikaroka fomba hisarihana ny mpihaino ny mpamorona ka ny fampifandraisana ny Tôkatôka sy ny Tononkalo no vokatry ny saina ; misy antsikana ao anatin'ny sangan'asa tanteriny, misy mpiantsa sy mpiventy.

♦ Voatendry, alina, ny Praiministra vaovao. Hisahana ny fitantanana ny lehiben'ny Governemanta ny Jeneraly Zafisambo Ruffin Fortunat Dimbisoa hisolo an'Andriamatoa Ntsay Christian, noho ny toe-drahararaham-pirenena... ♦ Namoaka fanambaràna avy hatrany alina ny eo anivon'ny Gen Z, taorian'izao fanendrena Praiministra vaovao izao. Fandrebirebena pôlitika fotsiny izany ka toherinay marin-drano hoy izy ireo... ♦ Hanomboka anio ny fitanterana ireo milina mavesatra mpamokatra herinaratra 105 MegaWatt avy any Toamasina mankaty Antananarivo. Hiteraka fanelingelenana ny fifamoivoizana amin'ny lalam-pirenena RN2, izany...

Misy karazana fampianarana 16 isa navoakan'ny Konsily vatikana faharoa, ary izy ireo dia azo sokajiana 3 araky ny lanjany avy : Foto-pampianarana (miisa 4), Sori-dàlana (miisa 9) ary Fanabeazana (miisa3). Ny foto-pampianarana mahakasika ny fanambaran'Andriamanitra dia tena fototra mahakasika ny Litorjia, miankina be dia be aminy ny foto-pampianarana manodidina azy... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...