♦ Ny fisian'ny didy fampisamborana mahakasika ny Kôlônely Patrick Rakotomamonjy no nampidirana azy am-ponja saingy mbola mitohy ny fanadihadiana momba ny tenany hoy ny Ministry ny Fitsaràna... ♦ Nandà ny hifampidinika amin'ny Praiministra Rajaonariso Mamitiana ny fikambanana Gen Z 261, tsy misy ny fifampidinihana azo atao manoloana ny fanaovana herisetra, ny fisamborana ary ny fampihorohoroana hoy ireto farany... ♦ Hiova ho oniversitem-panjakàna an-jotra mampiasa ny tontolo nomerika manomboka izao ny CNTEMAD, hampahafantarina mandritra ny varavarana misokatra ny zoma sy sabotsy izao ny momba izany...