♦ Ny taranja Malagasy sy SVT, androany no nanombohan'ny mpiadina ny fanadinam-panjakana BEPC. Efa nanomboka avy hatrany ny fitsarana, hoy ny eo anivon'ny Minsiteran'ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Nampitsahatra ny asany, ireo mpianatra ho mpitsabo "interne" sy "interne qualifiant", miasa eny amin'ny hôpitalim-panjakana. Nisy ireo nilanja sora-baventy teny amin'ny HJRA androany, mitaky fampiakarana 13% ny tambin-karama, toy ny mpiasam-panjakana rehetra... ♦ Ankizy tsy ampy taona miisa 2 tapitrisa any ho any amin'izao no efa miditra amin'ny sehatry ny asa, ka ny 80%-n'izy ireo dia anatin'ny asa mamoafady na mitera-doza...
♦ Hotontosaina amin'ny 18 hatramin'ny 22 jolay 2022 ny Fihaonamben'ny Aumônerie Catholique des Prisons. Lohahevitra hobanjinina amin'izany ny hoe "ACP, akaiky an'ireo voafonja mandrakariva"... ♦ "Tsy maintsy homanina ny ho avy", hoy ny pretra nitarika ny Eokaristia Masina, nanatanterahana ny Fihaonamben'ny Ankizy, teto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Olon-dehibe miisa 45 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana, nandritra ny fitsidihana pastôraly nataon'i Mgr Désiré Kardinaly Tsarahazana, tao amin'ny Paroasy Saint Eugène de Mazenod, omaly alahady...
♦ Nanomboka androany ny fanadinana ara-panjakana faharoa ho an'ny fampianarana ankapobeny eto Madagasikara. Mpiadina maherin'ny 310.000 voasoratra anarana no miatrika ny fanadinana BEPC manerana ny nosy. Fanadinana nosokafana tamin'ny fomba ofisialy teny amin'ny Lycée Nanisana... ♦ Nanomboka androany ny fotoam-pitsaràna miaramila amin'ity taona 2022 ity. Eny amin'ny kianjan'i Betongolo no hanaovana izany ho an'ny ao Antananarivo-Renivohitra... ♦ Efa miaina ny fiovaovan'ny toetr'andro i Madagasikara ankehitriny. Misy sehatra anaovana asa manokana nefa hanalefahana ny fiatraikan'izany fiovaovany izany hoy ny tompon'andriakitra ao amin'ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy...
♦ Manomboka androany ny fanadinana ara-panjakana faharoa ho an'ny fampianarana ankapobeiny eto Madagasikara. Mpiadina maherin'ny 310.000 voasoratra anarana manerana ny nosy no miatrika ny fanadinana BEPC... ♦ Nitombol 406 ny olona voatily fa mitondra ny tsimok'aretina teo anelanelan'ny 24 jona hatramin'ny voalohan'ny volana jolay 2022. Marary 08 no anatin'ny "forme grave" na atahorana ny toe-pahasalamany. Miisa 03 ireo lavon'ny aretina... ♦ Nankalaza ny faha-20 taona nijoroany ny antoko Tiako i Madagasikara na ny TIM tamin'ny sabotsy teo. Teny amin'ny kianjan'ny Finoana Magro Behoririka no nanaovana ny lanonana... ♦ Nesorin'ny CEDEAO ny sazy ara-toekarena sy ara-bola ho an'i Mali...
♦ Nanolotra masomboly vary fototra, 8 taonina ho an'i Madagasikara ny Africa-Rice na ny Foiben'ny vary aty Afrika... ♦ Simba ny 30% ny lavanila any amin'ny Faritra Sava, indrindra ny any Vohémar, tratra aoriana loatra ny fotoana fisokafan'ny tsenan'ny lavanila... ♦ Ankidona Fianarantsoa : Nampidirina am-ponja vonjy maika ireo vehivavy roa tompon'antoka tamin'ny fahatratrarana sokatra miisa 91, taoa Ankidona-Fianarantsoa...
Misy karazany maro ny aretina mety ahazo ny tranon-jaza eo amin'ny vehivavy, mba tsy ho tara loatra ny fitsaboana dia tsara ny manantona ny mpitsabo raha vao misy tranga hafahafa eo amin'ny amin'ny manodidina ny kibo sy ny fivaviana na rera-dava. Ireto misy karazan'aretina : Endométrite, fibrome, omamiadan'ny tranon-jaza sy ny vozon'ny tranon-jaza, tsy fahatomombanana ao amin'ny tranon-jaza. Misy tranga tokony ampiahiahy ireto, izay tokony handrisika ny vehivavy hitsabo tena : mandeha ra tsy ara-potoana, manaintaina ny andovania, manana olana amin'ny fivalanan-drano sy vetiny...
♦ Tsy mbola izao no hiakaran'ny vidin-tsolika eto Madagasika na dia tsy maintsy hiakatra aza izany, fa mbola aorian'ny fifanarahana ataon'ny mpitondra fanjakana sy ny ireo mpandraharaha amin'ny solika. Ampy tsara ihany koa ny tahirn'ireo karazan-tsolika ampiasaina eto amintsika... ♦ Efa maherin'ny 1.000 ireo olona nisoratra anarana maniry ny hahazo ny trano mora eny Imerintsiatosika, raha toa ka 320 no isan'ny trano vita eny an-toerana... ♦ Nifarana omaly ny fivorian'ny parlemantera, tsy misy krizy politika eto Madagasikara ka tsy misy antony hanaovana ny fiaraha-mitantana na ny fikaonandoham-pirenena hoy ny filohan'ny Antenimieram-pirenena ; niantso ny Malagasy hiray hina sy tsy hifankahala ny filohan'ny antenimieran-doholona...
♦ Efa maherin'ny arivo, ireo olona nisoratra anarana, maniry ny hahazo ny trano mora eny Imerintsiatosika, raha toa ka 320 no isan'ny trano vita eny an-toerana... ♦ Nihaona mivantana tamin'ireo tantsaha voakasiky ny tetikasa Tanamasoandro any Imerintsiatosika, ny FDA na ny Fitaovana ara-bola entina manohana ny mpamokatra sy ny vondron'ny mpamokatra... ♦ Nifarana androany ny fivorian'ny parlemantera. Tsy misy krizy pôlitika eto Madagasikara, ka tsy misy antony hanaovana fiaraha-mitantana na fikaonan-doham-pirenena, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena...
♦ Notontosaina ny 29 sy 30 jona 2022 ny fihaonana voalohany ho an'ireo Ekipa nasiônaly, namondronana ireo valim-panontaniana rehetra manodidina ny Sinaodin'ny Eveka... ♦ Hotontosaina ny 9 sy 10 jolay 2022 ny fivoriana faharoa ho an'ny Filankevitra Fitondrana ny Vahoakan'Andriamanitra, eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, eny amin'ny FTMTK Ambohipo... ♦ "Aza manao hoe zaza aho, fa handeha any amin'izay hanirahako anao ianao" (Jer. 1, 7a). Io no teny manentana amin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Ankizy eny amin'ny FTMTK sy ny Seminera zandriny Ambohipo, nanomboka androany...
♦ Tsy tafiditra tao anaty lahadinika teny Tsimbazaza indray, tamin'ity fivoriana ara-potoana ity, ny fandraisana fanapahan-kevitra ho an'ireo antontataratasy miisa roa ambin'ny folo izay hanenjehana tompon'andraikitra ambony... ♦ Voasambotra ny mpivady izao mpangalatra zaza amin'ny alalan'ny fisolokiana, any amin'ny Faritra Fitovinany sy Atsimo Atsinanana... ♦ Saika androany zoma kosa vao miroso amin'ny fizarana ny taratasy fiantsoana ireo mpiadina BEPC, ireo sekoly...
♦ Lavin'ireo tompon'orinasa mpikojakoja lalana, manan-trosa amin'ny fanjakna, ny filazana azy ireo ho tsy nahavita ara-dalana ny asa tamin'ny taona 2019. Nilaza ny hanoratra amin'ny mpamatsy vola iraisam-pirenena izy ireo, manoloana ny tsy nandoavan'ny fanjakana ny volany... ♦ Mety ho efa ato ho ato ny fiakaran'ny vidin-tsolika eto Madagasikara. Noferana ho 25 litatra ny fahafahana mividy solika amin'ny bidon, eny amin'ny toby fitsinjarana solika... ♦ Voaheloka higadra an-tranomaizina enim-bolana i Ninie Donia, noho ilay raharaha fiarovany ny vahoaka noho ny ady tany, tany Nosy-Be...
Sabotsy 9 jolay 2022 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 24-33
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco