27 mey — Niaina tamin'ny tapany faharoa amin'ny taonjatoa fahenina sy ny fiatombohan'ny taonjato fahafito i Masindahy Augustin. Mpitoka-monina tao amin'ny fikambanan'ny Bénédictins tao Roma izy, ary tao no nahafantarany sy ireo asa soratra masina. Avy eo izy lasa lehiben'ny ankohonam-piainana Saint-André.
Rehefa tonga teo amin'ny Fiketrahana Masina ny papa Grégoire le Grand, dia naniraka an'i Augustin hitory ny Vaovao Mahafaly tany Angleterre. Niainga tao Roma i Augustin ny taona 596, niraka tamin'ireo mpitoka-monina iraka miisa 40 teo ho eo. Tao Lérins izy no nianatra ny fiteny sy ny fomban'ny Saxons. Natahotra anefa izy rehefa novinavinaina taminy ny loza miandry azy, ka niverina tany Roma izy mba hiangavy ny papa tsy handefa azy amin'izany iraka izany. Nankahery azy ny papa ka niverina nanohy ny diany izy sy ireo mpiara-dia aminy. Ny taona 597 dia tonga tao Angleterre izy ireo ka ny tanjona tamin'izany dia ny hampiely ny finoana katôlika amin'iezo mponina izay mbola latsaka tao anatin'ny fanompoan-tsampy tao aorian'ny fanafihan'ny Saxons. Nandray tsara azy ny mpanjaka Æthelberht, tao Kent, izay marihana fa nanambady an'i Berthe, mpino katôlika. Natao batemy tamin'io taona io ihany ny mpanjaka, tamin'ny andron'ny Pantekôty, niaraka tamin'ny olona maro. Nomen'ny mpanjaka toerana tao Cantorbéry ireo mpitoka-monina ireo. Rehefa niorina ny fiangonana tao Kent dia niverina tany France i Augustin, ary tany izy no niangavian'ny papa Grégoire I ho evekan'ny Anglisy. Notanterahina tao amin'ny bazilikan'i Sainte-Rufine tao Arles ny fanamasinana azy ka ny arseveka tao Mgr Virgile, niaraka tamin'ny eveka maro no nametra-tanana taminy.
Nahomby ny iraka nampanaovina an'i Augustin ka dia naniraka mpitoka-monina roa tany Roma izy mba hanambara izany amin'ny papa. Nomen'ny papa ny laharana maha arseveka àry i Augustin, ary nandefasany ihany koa ireo torolalana rehetra amin'ny paik'ady hitantanany ny Fiangonana tao, ary rehefa niverina ireo iraka dia nitondra namana vaovao maro. Na dia nahomby aza ny fitoriana nataony tamin'ireo Anglo-Saxons, dia tsy vitany ny nampiobmona tamin'ireo Fiangonana celtes. I Masindahy Augustin no nanorina ny trano fitokana-monina Masindahy Pierre sy Paul, nampiditra ny fitsipi-piainan'i Masindahy Benoît sy nametraka tranom-boky nahitana boky maro avy any amin'ny papa Grégoire. Izy ihany koa no nampiditra ny hira romana na ilay antsoina hoe Modulatio romana tao Angleterre. Rehefa avy nanorina ny finoana katôlika romana tao Grande Bretagne i Augustin, dia nodimandry ny 26 mey 604. Nalevina tao amin'ny lalana manelanelana an'i Kent sy Cantorbéry izy, avy nafindra tany amin'ny fiangonana Masindahy Pierre sy Paul ny reliques-ny ka lasa niova ho Saint-Augustin io fiangonana io taty aoriana. Izy no mpanorina ny Fiangonana tao Angleterre sy arseveka voalohany tao Cantorbéry. Mitovy ny fanajan'ny Fiangonana ao Angleterre an'i Masindahy Grégoire le Grand sy i Masindahy Augustin de Cantorbéry.