Tamin’izany andro izany, hoy ny vahoaka tao Kafarnaôma tamin’i Jesoa: "Inona àry no fahagagana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona no asa ataonao? Ny razantsika nihinana ny mana tany an’efitra araka ny voasoratra hoe: Mofo avy any an-danitra no nomeny azy hohaniny."

Dia hoy i Jesoa taminy: "Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i Môizy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ny mofo avy any an-danitra izay tena izy tokoa; satria izay mofo midina avy any an-danitra sy manome ny fiainana an’izao tontolo izao no mofon’Andriamanitra."

Ary hoy izy ireo taminy: "Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany." Dia hoy i Jesoa taminy: "Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay."

Ny ampitson’ny fampitomboana ny mofo, dia tsaroan’ny vahoaka nijanona teny an-dafin’ny rano masina fa tsy nisy afa-tsy sambo kely anankiray no teo, ary i Jesoa tsy niara-niondrana an-tsambo tamin’ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha; nefa nisy sambo kely hafa maro avy any Tiberiady tonga tao akaikin’ny tany nanomezan’ny Tompo mofo hohaniny rahefa nisaotra Izy.

Dia niondrana tamin’ireo sambo ireo ny olona nony nahita fa tsy teo i Jesoa na ny mpianany, ka nankany Kafarnaôma hitady an’i Jesoa. Ary rahefa hitany teny an-dafin’ny ranomasina Izy, dia nilazany hoe: "Raby, oviana no tonga teto Ianao?"

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Lazaiko marina dia marina aminareo: Ianareo no mitady Ahy, dia tsy noho ny nahitanareo fahagagana fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky. Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’Olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombo-kase."

Ary hoy izy ireo taminy: "Inona ary no hataonay mba hiasanay ny asan’Andriamanitra?" Namaly i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe: "Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Ilay nirahiny."

Ny fahafantarana ny tenanao no tena antoka voalohany indrindra amin' ny fahatokisana ny tena. (14-04-2021)

Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia lasa nankany an-dafin’ny ranomasin’i Galilea, na ny farihin’i Tiberiady, ary vahoaka be no nanaraka Azy, noho izy ireo nahita ny fahagagana nataony tamin’ny marary. Dia niakatra any an-tendrombohitra i Jesoa, ka nipetraka teo Izy mbamin’ny mpianany. Efa akaiky ny Paka andro lehibe tamin’ny Jody. Nony nanopy ny masony i Jesoa, ka nahita ireto vahoaka be nanatona Azy, dia hoy Izy tamin’i Filipo: "Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo?" Fantany rahateo ny hataony, fa ny hitsapany azy no nilazany an’izany. Dia hoy i Filipo taminy: "Na dia mofona denie roanjato aza, tsy ampy hahazoan’izy ireo sombiny kely avy akory." Ny anankiray tamin’ny mpianany koa, dia i Andre rahalahin’i Simôna Piera, nilaza taminy hoe: "Misy zazalahy anankiray manana mofo ôrja dimy sy hazandrano roa ao: fa ho ampy inona izany amin’ny olona maro be toy izao?" Dia hoy i Jesoa: "Asaovy mipetraka ny olona." Ary nisy ahitra be teo, ka nipetraka ny olona, ary tokony ho dimy arivo ny isan’ny lehilahy. Dia nandray ny mofo i Jesoa, ka nony efa nisaotra dia nizara azy tamin’izay nipetraka ary nomeny toy izany koa ny hazandrano sady nampanaraniny fo. Rahefa voky izy ireo, dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: "Angony ny sombintsombiny sisa tsy lany, mba tsy hisy very." Dia nangoniny ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo ny sombintsombin’ny mofo dimy sisa tsy lanin’izay nihinana. Nony nahita ny fahagagana nataon’i Jesoa ireo olona ireo, dia nanao hoe: "Itý tokoa no ilay Mpaminany ho avy amin’izao tontolo izao." Dia fantatr’i Jesoa fa ho avy haka Azy an-keriny hatao mpanjaka izy ireo, ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao tamin’i Nikôdema hoe: "Izay avy any ambony no ambonin’ny olona rehetra; fa izay avy amin’ny tany dia tany, ka ny etý an-tany ihany no lazainy. Izay avy any an-danitra no ambonin’ny olona rehetra; ary izay efa hitany sy reny no ambarany, nefa tsy misy mandray ny fanambaràny. Izay nandray ny fanambaràny dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. Satria izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny tenin’Andriamanitra fa tsy misy fetrany no fanomen’Andriamanitra ny Fanahy. Ny Ray tia ny Zanaka, ka napetrany eo am-pelatanany ny zavatra rehetra. Izay mino ny Zanaka no manana ny fiainana mandrakizay, fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita ny fiainana fa itoeran’ny hatezeran’Andriamanitra."

Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.

Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin'izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao. Izay mino azy dia tsy tsaraina: fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra tokana. Ary izao no fitsarana: tonga amin'izao tontolo izao ny fahazavana, nefa naleon'ny olona ny aizina toy izay ny fahazavana, satria ratsy ny asany. Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana, ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany; fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana, mba hiharihary ny asany, fa atao amin'Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao tamin’i Nikôdema hoe: "Aza gaga ianao noho ny nilazako taminao hoe: ‘Tsy maintsy hateraka indray ianareo.’ Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany; tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy." Dia namaly i Nikôdema ka nanao taminy hoe: "Atao ahoana no hahatonga izany?" Ary hoy i Jesoa taminy: "Mpampianatra amin’i Israely ianao ka tsy mahalala izany va? Lazaiko marina dia marina aminao fa izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay, nefa tsy raisinareo ny filazanay. Raha tsy mino Ahy ianareo amin’ny filazako ny zavatra etý an-tany, hataonareo ahoana no fino ny filazako ny any an-danitra? Ary tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra ihany, dia ny Zanak’Olona izay any an-danitra. Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’Olona koa, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay."

Nisy Farisianina anankiray atao hoe Nikôdema, isan’ny lehibe tamin’ny Jody. Nankao amin’i Jesoa izy nony alina ka nanao taminy hoe: "Raby, fantatray fa Mpampianatra avy amin’Andriamanitra Ianao, fa tsy misy olona hahefa izao fahagagana ataonao izao raha tsy Andriamanitra no momba azy." Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra." Ary hoy i Nikôdema taminy: "Ataon’ny olona ahoana no hateraka indray rahefa antitra izy? Moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka indray?" Fa hoy i Jesoa: "Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy indray ny olona, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Izay ateraky ny nofo, dia nofo, ary izay ateraky ny Fanahy, dia fanahy. Aza gaga ianao noho ny nilazako taminao hoe: ‘Tsy maintsy hateraka indray ianareo.’ Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany; tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy."

Nony hariva ny andro voalohany amin’ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody, dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin’izy ireo hoe: "Ho aminareo anie ny fiadanana!" Nony efa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny tratrany, ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo. Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo: "Ho aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa". Rehefa nilaza izany Izy, dia nitsoka ka nanao tamin’izy ireo hoe: "Raiso ny Fanahy Masina: ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana".

Fa i Tômà ilay atao hoe Didimo, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy kosa, tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’i Jesoa. Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy: "Efa nahita ny Tompo izahay". Fa hoy izy tamin’izy ireo: "Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako, ary atehiko amin’ny tratrany ny tanako, dia tsy hino aho". Nony afaka havaloana, raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany, sady tao koa i Tômà, dia tonga i Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana. Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe: "Ho aminareo anie ny fiadanana!" Ary hoy Izy tamin’i Tômà: "Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako ary arosoy ny tananao ka atehefo eto amin’ny tratrako; dia minoa, fa aza malain-kino". Dia namaly i Tômà ka nanao taminy hoe: "Tompoko sy Andriamanitro!" Fa hoy i Jesoa taminy: "Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy; sambatra izay tsy nahita ka nino". Maro koa ny fahagagana hafa nataon’i Jesoa teo imason’ny mpianany no tsy voasoratra amin’ity boky ity. Fa voasoratra ireto mba hinoanareo, fa i Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra ary mba hahazoanareo ny fiainana amin’ny Anarany, amin’ny finoana Azy.

Ianao ihany no sakana mampisy ny tsy fahatokisantena, nefa mety hitarika tsy fahombiazana izany. (07-04-2021)

Raha mitohy dia mitondra famoizam-po ary mitarika mankany amin' ny fahafatesana ny terintsaina.(03-03-2021)

Ny fahatokisatena dia miankina bebe kokoa amin' ny lafin'ny fanabeazana. (31-03-2021)

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...