Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 13, 2. 5-18)

Aoka re tsy hifanditra izaho sy ianao, fa mpirahalahy isika.

Nanana harena be tokoa i Abrahama,
dia biby fiompy sy volafotsy ary volamena.

I Lôta izay niara-dia tamin’i Abrahama,
dia mba nanana omby aman’ondry sy lay koa;
ka tsy ampy hiarahan’izy roa lahy monina intsony ny faritany,
fa efa be dia be ny fananany,
ka tsy nahazo niara-nitoetra intsony izy.
Nifanditra ny mpiandry ondrin’i Abrahama sy ny mpiandry ondrin’i Lôta.
Ny Kananeanina sy ny Ferezeanina no nitoetra tamin’ny tany tany tamin’izay.
Dia hoy i Abrahama tamin’i Lôta:

“Aoka re tsy hifanditra izaho sy ianao,
na ny mpiandry ondriko sy ny mpiandry ondrinao, fa mpirahalahy isika.
Tsy eo anoloanao ve ny tany rehetra?
Ka aoka hisaraka amiko ianao.
Raha mankany amin’ny havia ianao dia ny havanana kosa no halehako;
ary raha mankany amin’ny havanana ianao dia ny havia kosa no halehako.”

Dia nanopy ny masony i Lôta ka nahita ny tany lemak’i Jordany rehetra
izay azon-drano hatrany hatrany; io tany io,
talohan’ny nandravan’ny Tompo an’i Sôdôma sy Gômôra,
dia tahaka ny sahan’ny Tompo,
tahaka ny tany Ejipta akaikin’i Tsoara.
Ka dia ny tany lemak’i Jordany no nofidin’i Lôta ho azy;
ka nifindra niantsinanana izy;
toy izany no nisarahan’izy roa lahy.
I Abrahama nonina tamin’ny Kanaàna
ary i Lôta kosa nonina tao afovoan’ireo tanàna
eo amin’ny tany lemaka sy nanorina ny lainy hatrany Sôdôma.
Ary ny mponina tany Sodôma dia olon-dratsy sy mpanota indrindra tamin’ny Tompo.

Ary hoy ny Tompo tamin’i Abrahama taorian’ny nisarahan’i Lôta taminy:

“Atopazy ny masonao ary eto amin’ity fitoerana misy anao ity,
dia mijere mianavaratra sy mianatsimo,
ary miankandrefana sy miantsinanana;
fa homeko anao sy ny taranakao mandrakizay izao tany rehetra tazanao izao.
Hataoko toy ny vovo-tany ny taranakao
ka raha azo isaina ny vovo-tany dia ho azo isaina koa ny taranakao.
Koa mitsangana ianao,
tetezo an-davany sy an-tsakany ny tany,
fa homeko anao izy.”

Dia nifindra toby i Abrahama
ka nandeha nonina teo amin’ny terebintan’i Mambre,
izay any Hebrôna,
ary teo izy nanangana ôtely ho an’ny Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 14, 2-3ab. 3de-4ab. 5

Tompo ô, zovy no hiantrano ao an-dainao?

Izay mizotra tsy manan-tsiny
sy mitandro ny rariny:
milaza izay tena ao am-pony,
tsy mamela ny lela haniasia.

Tsy manisy ratsy ny namana,
na manebaka ny miara-monina;
tsy manao ny olo-meloka ho zavatra,
fa manaja izay matahotra ny Tompo;
tsy mivadika amin’ny teny nomena,
na dia hahasingo-tena aza.

Tsy mampanàna vola,
na mandray kolikoly hahavoa ny madio.
Izay manao izany
tsy hihontsona mandrakizay!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana,
ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 6. 12-14)

Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo dia mba ataovy amin’ny olona toraka izany koa.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aza omena ny alika ny zava-masina,
ary aza atsipy amin’ny kisoa ny voahanginareo,
sao hitsahiny ireny, dia hifotitra hamiravira anareo izy.
Koa amin’izany,
izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo,
dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany,
fa izany no Lalàna sy Mpaminany.
Midira amin’ny vavahady ety,
fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana,
ka maro no mahazo any;
fa tery kosa ny vavahady,
ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana,
ka vitsy no mahita azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 ôktôbra 2024

♦ Tontosa ny 13 ôktôbra 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, sy ny fametrahana azy ho eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'Ambatondrazaka azy... ♦ Ny sabotsy 19 ôktôbra 2024 no hanamarihana, any amin'ny Sanctuaire Ambiatibe, ny fankalazana ny faha-12 taona nanandratana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Ny tena harena dia ny tian'Andriamanitra, hoy ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...