Nony henemana sisa tsy hahatongavan’ny Paka, dia tonga tany Betania i Jesoa, tany amin’izay nitoeran’i Lazara, ilay natsangan’i Jesoa ho velona. Nanaovan’ny tao nahandro Izy, ka i Marta nampihinana, i Lazara isan’izay niara-nihinana taminy. Ary i Maria kosa naka diloilo manitra sarobidy lanjàna iray livatra natao tamin’ny salohin’ny narda, dia nanosotra ny tongotr’i Jesoa sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany, ka nandraraka eran’ny trano ny hanitry ny diloilo. Tamin’izay, hoy i Jodasy Iskariôta, anankiray tamin’ny mpianany, ilay efa hamadika Azy, hoe: "Tsy naleo re namidy denie telonjato iny diloilo manitra iny ka nomena ny mahantra?" Tsy ny fiahiany ny mahantra anefa no nilazany an’izany, fa noho izy mpangalatra sy mpitana ny kitapom-bola, ary nifetsy izay nalatsaka tao anatiny. Ka hoy i Jesoa taminy: "Avelao izy hanao, fa nitahiry izany ho amin’ny andro handevenana Ahy. Fa ny mahantra dia hisy mandrakariva eto aminareo, ary Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo lalandava." Maro tamin’ny Jody no nahare hoe tao Betania i Jesoa, ka tonga tao tsy noho i Jesoa ihany fa mba hahita an’i Lazara ilay natsangany ho velona koa. Fa i Lazara koa dia efa notetehin’ny lehiben’ny mpisorona hovonoina, satria noho izy, dia maro ny olona niala tamin’ny Jody ka nino an’i Jesoa.
Raha vao maraina ny andro, ny lohandohan’ny mpisorona dia niara-nihevitra tamin’ny loholona sy ny mpanora-dalàna ary ny mpisaina rehetra, ka namatotra an’i Jesoa, dia nitondra Azy sy nanolotra Azy tamin’i Pilaty. Ary i Pilaty nanontany Azy hoe:
Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe:
Ary maro ny zavatra niampangan’ny lohandohan’ny mpisorona Azy, ka nanontany Azy indray i Pilaty nanao hoe:
Fa tsy namaly intsony i Jesoa na dia kely aza, ka gaga i Pilaty. Ary isaky ny fetin’ny Paka dia fanaony ny mandefa mpifatotra iray, izay angatahin’ny vahoaka; ka nisy kosa lehilahy iray atao hoe Barabasy niara-nifatotra tamin’ny mpikomy namany, satria nahafaty olona tamin’ny fikomiana. Dia niakatra ny vahoaka ka nangataka azy mba hanao araka izay fanaony aminy; fa namaly i Pilaty nanao hoe:
Satria fantany fa fialonana no nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona Azy taminy. Kanjo ny mpisorona namoky ny vahoaka fa aleo i Barabasy no halefany ho azy. Ka hoy indray i Pilaty taminy:
Dia niantso indray izy ireo nanao hoe:
Ary hoy i Pilaty taminy:
Dia vao mainka niantso mafimafy kokoa izy ireo nanao hoe:
Ary noho i Pilaty te hahazo sitraka amin’ny vahoaka, dia nandefa an’i Barabasy ho azy izy, ary nampikapoka an’i Jesoa sy nanolotra Azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana. Dia nentin’ny miaramila i Jesoa ho ao amin’ny tokotany, izany hoe ao amin’ny fitsarana, sady novoriany ny miaramila namany. Nony efa nampitafiany kapaoty jaky izy, dia nosatrohany fehiloha tsilo, izay norandraniny, ny lohany; ary dia niarahaba Azy izy nanao hoe:
Sady nikapoka volotara ny lohany sy nandrora Azy izy, ary nandohalika nitsaoka Azy. Nony efa nolalaoviny toy izany Izy, dia noesoriny ny kapaoty jaky teny aminy, ka natafiny Azy indray ny fitafiany, vao nentiny hofantsihana amin’ny Hazofijaliana Izy. Ary nisy lehilahy Sireneanina atao hoe i Simôna, rain’i Aleksandra sy i Rofosy, nandalo avy any an-tsaha, dia noteren’izy ireo hilanja ny Hazofijaliany, ary Izy dia nentiny tao amin’ny tany atao hoe Gôlgôtà izay adika hoe tanin’ny karan-doha. Dia nomeny divay miharo mira Izy hosotroiny, fa tsy nety nisotro. Nony voafantsika tamin’ny Hazofijaliana Izy, dia nozarainy ny akanjony, ka loka no nataony hahazoany izay ho anjarany avy. Ary tamin’ny ora fahatelo no namantsihana Azy tamin’ny Hazofijaliana. Ny filazana ny anton’ny namonoana Azy dia voasoratra hoe: MPANJAKAN’NY JODY. Ary nisy mpangalatra roa lahy niara-nofantsihany taminy tamin’ny hazofijaliana: ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany; ka tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: “Natao isan’ny ratsy fanahy Izy”. Ary izay nandalo dia sady nanevateva Azy no nanakifikifi-doha nanao hoe:
Ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia naneso Azy toy izany koa, fa izao no resany eo:
Dia ireo niara-nofantsihana taminy avy koa no naneso Azy. Nony tamin’ny enina, dia rakotra haizina ny tany rehetra hatramin’ny sivy; ary tamin’ny sivy, dia niantso mafy i Jesoa nanao hoe:
Izany hoe:
Nony nandre izany ny sasany tamin’izay teo, dia nanao hoe:
Dia nihazakazaka ny anankiray tamin’izy ireo, novontosany vinaingitra ny spônjy sy notohizany volotara, dia natolony Azy hotsentsafiny, ka hoy izy:
Fa niantso mafy i Jesoa, dia niala aina.
Ary rovitra nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba tao amin’ny Tempoly. Ilay kapiteny nitsangana teo antandrifin’i Jesoa, nony nahita fa niala aina tamim-piantsoana mafy toy izany izy, dia nanao hoe:
Ny tokony hatao manoloana ny tranga rehetra mianjady ny olona mitondra ny "TERINTSAINA" na "STRESS".(24-03-2021)
Tamin’izany andro izany, maro tamin’ny Jody izay tonga tao amin’i Maria sy i Marta sy nahita ny nataon’i Jesoa no nino Azy. Fa ny sasany tamin’izy ireo kosa dia lasa nankany amin’ny Farisianina, ka nilaza taminy izay nataon’i Jesoa. Dia namory ny mpanolo-tsaina ny lehiben’ny mpisorona sy ny Farisianina ka nanao hoe: "Inona itý ataontsika, fa manao fahagagana maro iny Lehilahy iny? Raha avelantsika hanao ihany Izy, dia hino Azy ny olona rehetra, ka ho avy ny Rômanina dia haka ny tanànantsika sy ny firenentsika." Dia hoy ny anankiray tamin’izy ireo atao hoe Kaifa, izay lehiben’ny mpisorona tamin’izany fotoana izany: "Tsy mahalala na inona na inona ianareo, na tsy mihevitra akory fa tsara ho anareo raha maty ho an’ny vahoaka ny lehilahy anankiray, mba tsy ho rava ny firenena manontolo." Tsy avy aminy anefa no itenenany an’izany, fa noho izy lehiben’ny mpisorona tamin’izay taona izay, dia naminany izy fa ho faty ho an’ny firenena i Jesoa, ary tsy ho an’ny firenena ihany, fa mba hamory ny zanak’Andriamanitra izay efa niely koa ho antokony iray. Hatramin’izany andro izany dia nikendry izay hahafaty Azy izy ireo. Koa tsy nandeha ampahibemaso tany amin’ny Jody intsony i Jesoa, fa niala teo nankany amin’ny tany akaikin’ny efitra, ho any an-tanàna atao hoe Efrema, dia nitoetra tany Izy mbamin’ny mpianany. Efa akaiky ny Pakan’ny Jody tamin’izay, ka maro ny olona avy tamin’izany tany izany no niakatra tany Jerosalema alohan’ny Paka, mba handio tena. Dia nitady an’i Jesoa izy ireo ka nifampilaza tao anatin’ny tempoly hoe: "Ahoana no hevitrareo, dia tsy ho avy hamonjy ny fety ve Izy?"
Tamin’izany andro izany, dia naka vato hitorahana an’i Jesoa ny Jody, fa hoy Izy tamin’izy ireo: "Be ny asa soa nasehoko teo taminareo, avy tamin’ny Ray, ka iza amin’ireny asa ireny no itorahanareo Ahy?" Dia hoy ny Jody namaly Azy: "Tsy ny asa soa no itorahanay Anao, fa ny teninao miteny ratsy an’Andriamanitra; satria olombelona fotsiny Ianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra." Ary i Jesoa namaly azy hoe: "Moa tsy izao no voasoratra ao amin’ny Lalànareo: Hoy Izaho: andriamanitra ianareo? Ka raha ireny nanambaràna ny tenin’Andriamanitra ireny aza antsoin’ny lalàna hoe andriamanitra, ary tsy azo foanana ny Soratra Masina, ahoana no ilazanareo an’Ilay nohamasinin’ny Ray sy nirahiny tetý ambonin’ny tany hoe: miteny ratsy an’Andriamanitra Ianao satria nilaza hoe: Zanak’Andriamanitra Aho? Raha tsy manao ny asan’ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy ianareo; fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy te-hino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asako, dia ho fantatrareo fa ny Ray ato amiko, ary Izaho ao amin’ny Ray." Tamin’izay, dia nitady hisambotra Azy indray izy ireo, fa niala teo an-tanany Izy. Dia lasa Izy nankany an-dafin’i Jordany, amin’ilay tany nanaovan’i Joany batemy voalohany, ka nitoetra tany. Ary maro no nanatona Azy, fa nanao hoe: "Tsy nanao fahagagana i Joany; nefa marina avokoa ny teny rehetra nilazan’i Joany Azy." Koa maro no nino Azy teo.
Ny endrika ivelany isehoan' ny "Terintsaina" na "Stress" eo amin' ny olona tratrany.(17-03-2021)
Ireo fomba hamantarana ivelany fa misy terintsaina "stress" ny olona iray.(10-03-2021)
Tamin’izany andro izany, dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely Gabriely ho any amin’ny tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta, ho any amin’ny Virjiny anankiray fofombadin’ilay lehilahy atao hoe Jôsefa, taranak’i Davida, ary ny anaran’ilay Virjiny dia Maria. Ary nony niditra tao aminy ilay Anjely dia nanao hoe: "Arahaba, ry ilay feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao." Taitra izy nahare izany, ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany. Fa hoy ny Anjely taminy: "Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak’Andriamanitra ianao. Ary indro hitoe-Jaza ianao ka hiteraka Zazalahy, ary Jesoa no hataonao anarany. Ho lehibe Izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra; dia homen’Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy Izy, ka hanjaka mandrakizay amin’ny taranak’i Jakôba, ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany." Fa hoy i Maria tamin’ilay Anjely: "Ahoana no hahatongavan’izany, fa tsy mahalala lahy aho?" Hoy ny Anjely namaly azy: "Ny Fanahy Masina no ho tonga ao aminao, ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao; noho izany, dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao. Ary indro, i Elizabeta rahavavinao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza, ary efa mandray enina izy izao ilay natao hoe momba, fa tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra atao." Dia hoy i Maria: "Inty aho ankizy vavin’ny Tompo, aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao." Dia niala teo aminy ny Anjely.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Jody nino Azy, nanao hoe: "Raha mahatana ny teniko ianareo dia ho mpianatro tokoa, sady ho fantatrareo ny marina, ary ny marina no haha-olona afaka anareo." Dia hoy ny navalin’izy ireo Azy: "Taranak’i Abrahama izahay, ary tsy mba nanompo olona na oviana na oviana, ka ahoana no ilazanao hoe: Ho olona afaka ianareo?" Fa hoy i Jesoa taminy: "Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay manota dia mpanompon’ny ota. Ny mpanompo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva fa ny zanaka no mitoetra ao mandrakariva. Koa raha ny Zanaka no manafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. Fantatro ihany fa taranak’i Abrahama ianareo, nefa mitady hamono Ahy ianareo, satria tsy tafalatsaka ao am-ponareo ny teniko. Izaho milaza izay hitako eo amin’ny Raiko, ary ianareo kosa manao izay renareo ao amin’ny rainareo." Namaly ireo ka nanao taminy hoe: "I Abrahama no rainay." Fa hoy i Jesoa taminy: "Raha zanak’i Abrahama ianareo dia hanao ny asan’i Abrahama. Nefa mitady hamono Ahy ianareo ankehitriny, dia Izaho izay nilaza taminareo ny marina reko tamin’Andriamanitra: tsy asan’i Abrahama izany. Ny asan’ny rainareo no ataonareo!" Dia hoy ireo taminy: "Tsy mba teraka tamin’ny fijangajangana izahay, ka iray ihany no rainay, dia Andriamanitra." Fa hoy kosa i Jesoa tamin’izy ireo: "Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria Andriamanitra no niaviako, ary Izy no nahatongavako atý, fa tsy tonga ho Ahy Aho, fa Izy no naniraka Ahy."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Farisianina nanao hoe: "Handeha Aho ka hitady Ahy ianareo, ary ho faty amin’ny fahotanareo. Izay alehako tsy azonareo aleha." Dia hoy ny Jody: "Hamono tena angaha Izy no manao hoe: izay alehako tsy azonareo aleha?" Fa hoy Izy tamin’izy ireo: "Ianareo avy etý an-tany, Izaho avy any an-danitra; ianareo olon’izao tontolo izao; Izaho tsy mba olon’izao tontolo izao. Izany no nilazako taminareo fa ho faty amin’ny fahotanareo ianareo; satria raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin’ny fahotanareo ianareo." Dia hoy ry zareo taminy: "Iza moa Ianao?" Ka hoy ny navalin’i Jesoa azy: "Izay lazaiko aminareo indrindra. Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo Aho; fa marina Ilay naniraka Ahy, ary izay efa reko taminy no lazaiko amin’izao tontolo izao." Tsy nahalala izy ireo fa ny Ray no nolazainy taminy. Ka hoy i Jesoa taminy: "Rahefa voasandratrareo ny Zanak’Olona vao ho fantatrareo fa Izaho no Izy, sady tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa izay nampianarin’ny Ray Ahy no lazaiko. Ary Izay naniraka Ahy dia eto amiko, fa tsy navelany ho irery Aho, satria manao izay tiany mandrakariva." Tamin’Izy niteny izany, dia maro no nino Azy.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Farisianina nanao hoe: "Izaho no fahazavan’izao tontolo izao: izay manaraka Ahy tsy mandeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ny fiainana." Dia hoy ny Farisianina taminy: "Manambara tena Ianao, ka tsy marina ny fanambaranao." Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Na dia manambara tena aza Aho, dia marina ny fanambarako, satria fantatro izay niaviako sy izay alehako, ary ianareo tsy mahalala izay iaviako sy izay alehako. Ianareo mitsara araka ny nofo, fa Izaho kosa tsy mitsara olona na iza na iza. Ary raha mitsara Aho, dia marina ny fitsarako, satria tsy Izaho irery, fa Izaho sy ny Ray izay naniraka Ahy; ka araka ny voasoratra eo amin’ny Lalànareo, dia marina ny fanambaràn’ny olona roa. Ary Izaho sady manambara ny tenako no ambaran’ny Ray izay naniraka Ahy koa." Dia hoy ry zareo taminy: "Aiza ny Rainao?" Fa i Jesoa namaly hoe: "Samy tsy fantatrareo na Izaho na ny Raiko; fa raha mahalala Ahy ianareo, dia ho nahalala ny Raiko koa." Teo amin’ny fandatsahan-drakitra no nilazan’i Jesoa an’izany, raha nampianatra tao amin’ny tempoly Izy; nefa tsy nisy nisambotra Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nankany an-tendrombohitra Oliva, fa nony marainakoa vao niverina tany an-tempoly Izy, ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra, dia nipetraka nampianatra azy ireo Izy. Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina; ka narosony teo afovoany. Dia hoy izy tamin’i Jesoa: "Ry Mpampianatra, azo nijangajanga itý vehivavy itý. Ary i Môizy ao amin’ny Lalàna dia nandidy antsika hitora-bato ny olona toy izany, fa Ianao kosa mba ahoana, hoy Ianao?" Izy no nanao izany, dia ny hakany fanahy Azy, mba hisy hiampangany Azy. Fa i Jesoa kosa niondrika dia nanoratra tamin’ny rantsan-tanany teo amin’ny tany. Ry zareo amin’izany tsy nitsahatra, fa mbola nanontany Azy ihany, ka nitraka Izy dia nanao taminy hoe: "Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany." Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin’ny tany. Fa ry zareo kosa nony nandre izany, dia nihatakataka tsirairay, ny zokinjokiny no lohalalana, ka i Jesoa irery sisa nijanona sy ilay vehivavy teo afovoany. Izay vao nitraka i Jesoa, ka nanao taminy hoe: "Ravehivavy, aiza ry zareo niampanga anao teo? Moa tsy nisy nanameloka anao va?" Hoy izy: "Tsy nisy, Tompoko." Dia hoy i Jesoa: "Izaho koa tsy hanameloka anao. Mandehana, ka aza manota intsony."
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco