Vakiteny voalohany

Bokin’i Tôbia (Tôb. 11, 5-17)

Nofaizinao aho dia nositraninao indray, ary indro mahita ny zanako aho.

Tamin’izany andro izany nandeha isan’andro nipetraka teo amoron-dalana i Annà,
tamin’izao havoana kely izao, fa mahatazan-davitra eo.
Raha ilay nitily ny hiavian-janany iny indrindra izy
dia indry izy tazany tamy mbola lavitra,
ka rahefa fantany dia lasa izy nihazakazaka
nilaza tamin’ny lahy nanao hoe:

“Indry tamy ny zanakao.”

I Tôbia izany, dia nilazan-dRafaela hoe:

“Rahefa tonga any an-trano ianao,
ny Tompo Andriamanitrao no itsaohy miaraka amin’izay dia misaora Azy,
vao manatona an-drainao ianao sy manoroka azy;
ary hosory faingana amin’ilay aferon-kazandrano nentinao ny masony,
satria fantatro fa hisokatra eo no ho eo ny masony
ka hahita ny hazavan’ny lanitra ny rainao,
sy ho feno hafaliana amin’ny fahitana anao.”

Tamin’izay ilay alika nanaraka azy tany am-pivahiniana,
nihazakazaka nialoha azy ireo toa hilaza ny vaovao,
nanafosafo tamin’ny rambony, an-kafaliana fatratra.
Dia nitsangana ity ray jamba, ka rafitra nihazakazaka,
fa tafintohina ny tongony ka noraisin’ny mpanompo anankiray tamin’ny tanany izy
handeha hitsena an-janany.
Nofihininy tamin’ny tanany sy nohorokorohany izy,
ary toraka izany koa no nataon’ny vadiny,
dia samy latsa-dranomason-kafaliana izy mivady.
Nony avy nitsaoka sy nisaotra an’Andriamanitra izy ireo dia nipetraka.
Niaraka tamin’izay, nalain’i Tôbia ny aferon-kazandrano,
ka nohosorany tamin’io ny mason-drainy.
Niandry sahabo ho antsasak’adiny izy,
dia nisy zavatra fotsifotsy hoatra ny hoditr’atody
nanomboka niala avy ao amin’ny masony.
Noraisin’i Tôbia izany,
nosintoniny hiala amin’ny mason-drainy,
dia nahiratra niaraka tamin’izay izy.
Koa nisaotra an’Andriamanitra izy ireo
dia izy sy ny vadiny mbamin’izay rehetra nahalala azy.
Hoy i Tôbia:

“Misaotra Anao aho, ry Tompo Andriamanitr’i Israely,
fa nofaizinao aho dia nositraninao indray;
ary indro mahita an’i Tôbia zanako aho.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 145, 2. 7. 8-9a. 9bd-10

Derao ny Tompo, ry fanahiko!

Izaho midera ny Tompo,
raha mbola velona aina,
miantsa ny Andriamanitro,
raha mbola misy koa!

Ilay manome rariny
ny ampahoriana!
Ilay mamahana ny noana,
Tompo mamaha ny mpifatotra.

Tompo nampahiratra ny jamba,
Tompo mampitraka ny miondrika,
Tompo mpiaro ny vahiny,
tohan’ny kamboty sy ireo mpitondratena.

Tompo tia ny olo-marina,
fa nampiviona kosa ny olon-dratsy;
Tompo manjaka mandrakizay,
ny Andriamanitrao, ry Siôna.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo;
ny baikonao mazava manilo ny maso.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 35-37)

Ahoana no ilazany fa i Kristy dia zanak’i Davida?

Tamin’izany andro izany, i Jesoa raha mbola nampianatra tao an-tempoly
dia niteny nanao hoe:

“Ahoana no ilazan’ny mpanora-dalàna
fa i Kristy dia zanak’i Davida?
Nefa i Davida ihany no nampilazain’ny Fanahy Masina hoe:
‘Ny Tompo nilaza tamin’ny Tompoko hoe:
mipetraha eo ankavanako Ianao
mandra-panaoko ny fahavalonao
ho fitoeran-tongotrao.’
Koa raha antsoin’i Davida ho Tompony Izy,
ahoana no maha-zanany Azy?”

Ary nihaino Azy an-kafaliana ny vahoaka be.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...