♦ Nankatoavin'ny Papa François ny fangatahan'ny Arsevekan'Antananarivo, hitsahatra amin'ny fitantanana ny Diôsezin'Antananarivo ; ka notendren'ny Ray masina handimby azy, i Mgr Jean de Dieu Raoelison... ♦ Notontosaina omaly ny fizakana ny Seminera Zandriny Ambohipo, ary nanentana ny kristianina rehetra izy ireo, fa maro tokoa ny ezaka izay hatao amin'ny fanabeazana ireo izay ho pretra rahatrizay... ♦ Hotanterahana ny alahady ho avy izao ny fankalazana iombonana ny Sakramenta Masina, eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, eo amin'ny Kianjan'i Masina Misely Amparibe...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...