Vakiteny voalohany
Bokin’i Tôbia (Tôb. 2, 10-23)
Tsy mba nanana alahelo tamin’Andriamanitra izy tamin’izany ozon-doza tonga jamba izany.
Indray andro, nony tonga tao amin’ny tranony i Tôbia,
ilay sasatra loatra avy nandevina ny maty iny,
dia niretaka teo ambody rindrina; ka nosintonin-tory.
Mbola natory teo izy no nisy tain-tsidintsidina mbola mafana nilatsaka avy any amin’ny akaniny,
teo amin’ny masony roa ka tonga jamba izy.
Fitsapana navelan’Andriamanitra hihatra aminy izany,
mba ho atao fakan-tahaky ny taranaka any aoriana ny faharetany,
toy ny an’i Jôba lehilahy masina.
Fa satria hatramin’ny fahazazany, no natahorany an’Andriamanitra,
sy nitandremany ny didiny mandrakariva,
dia tsy mba nanana alahelo tamin’Andriamanitra izy,
tamin’izany azon-doza tonga jamba izany;
fa naharitra tsy azo nohozongozonina tamin’ny fahatahorana an’Andriamanitra izy,
nisaotra Azy isan’andro nandritra ny andro niainany.
Toy ny nanebahan’ireo loham-pirenena an’i Jôba, lehilahy sambatra,
no nanarabian’ireo havana aman-tsakaizan’i Tôbia ny fitondran-tenany,
nataony hoe:
“Fa zary inona ity fanantenanao,
tamin’ny nanaovanao fiantrana sy nandevenanao ny maty?”
Nanarin’i Tôbia izy ireo, nataony hoe:
“Aza miteny toy izany fa zanaky ny olo-masina isika,
ka ilay fiainana tsy maintsy homen’Andriamanitra
an’izay tsy mitsoaka na oviana na oviana amin’ny firaiketam-po aminy
no antenaintsika.”
I Annà vadiny nandeha isan’andro, nanenon-damba,
ary izay mety ho azony, tamin’ny asan-tanany dia nentiny niverina hiveloman’izy ireo.
Toy izany no sendra nandraisan-dravehivavy zanak’osy,
ka nentiny tao an-trano.
Nony nandre ny fibarareok’ilay zanak’osy ny lahy, dia nanao hoe:
“Jereo, fandrao zanak’osy nangalarina izany,
ka avereno amin’ny tompony,
fa tsy mahazo mihinana na inona na inona avy amin’ny halatra isika,
na dia mikasikasika izany akory aza.”
Izay, dia novalian’ny vavy an-katezerana hoe:
“Miharihary fa foana tokoa ny fanantenanao;
izany no vokatry ny fiantranao?”
Izany sy ny toy izany no teny fikizahany azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 111, 1-2. 7bd-8. 9
Sambatra ny olona matahotra ny Tompo.
Sambatra ny olona matahotra ny Tompo,
sy mankasitraka fatratra ny didiny!
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahina.
Ny fony mitombina matoky ny Tompo;
ny fony tsy matahotra fa mandry fehizay,
ny masony mibandrina ny rafilahiny.
Malala-tanana izy,
manome ny mahantra,
ny fahamarinany maharitra mandrakizay;
ny tandrony misandratra noho ny voninahitra.
Evanjely
Aleloia. Aleloia,
Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo;
tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 13-17)
Omeo an’i Sezara izay an’i Sezara, ary omeo an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.
Tamin’izany andro izany,
naniraka ny sasany tamin’ny Farisianina sy Herôdianina ireo mpanohitra an’i Jesoa
mba hamandrika Azy amin’ny teniny,
ka nony tonga ireo dia nanao taminy hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
fantatray fa marina Ianao ka tsy mampaninona Anao ny olona,
satria tsy mba mizaha tavan’olona Ianao,
fa mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina.
Moa mety va sa tsia ny mandoa hetra ho an’i Sezara:
handoa izahay sa tsy handoa?”
Fa fantatr’i Jesoa ny fihatsarambelatsihiny, ka hoy Izy taminy:
“Nahoana ianareo no maka fanahy Ahy?
Itondray denie iray Aho hozahako.”
Dia nitondrany iray Izy ka hoy Izy taminy:
“Sarin’iza, sy anaran’iza io?”
— Hoy iretsy hoe:
“An’i Sezara.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Aloavy ho an’i Sezara àry izay an’i Sezara,
ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.”
Dia nigagan’izy ireo Izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.