Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 18, 16-33)

Hataonao maty miaraka amin’ny meloka koa ve ny marina?

Nitsangana handeha ireo lehilahy namangy an’i Abrahama tao Mambre,
dia nitodika nankany Sôdôma;
i Abrahama izany nandeha niaraka taminy koa hanatitra azy.

Ary hoy ny Tompo:

“Hafeniko amin’i Abrahama va izay efa hataoko?
I Abrahama anefa no ho tonga firenena lehibe sy mahery,
sady aminy no hanasoavana ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany.
Fa izy no voafidiko handidy ny zanany sy ny fianakaviany any aoriana
mba hanaraka ny lalàn’ny Tompo amin’ny fitandremana ny rariny sy ny hitsiny;
ka hanatanterahan’ny Tompo amin’i Abrahama ny soa nampanantenainy azy.”

Dia hoy ny Tompo:

“Mafy loatra ny fitarainana miakatra avy amin’i Sôdôma sy Gômôra,
ary lehibe indrindra ny fahotan’izy ireo.
Koa hidina Aho ary hizaha raha efa feno tokoa ny halehiben’ny fahotany
araka ny fitarainana tonga hatratý amiko,
ary raha mbola tsy feno dia ho hitako.”

Niainga ireo lehilahy ireo, ka nandeha nankany Sôdôma;
fa i Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan’ny Tompo ihany.
Ary nanatona i Abrahama ka nanao hoe:

“Hataonao maty miaraka amin’ny meloka koa va ny marina?
Angamba hisy olo-marina dimampolo ao an-tanàna ao ka hovonoina koa va ireny?
Ary tsy hamindranao fo va ny tanàna noho ireo olo-marina dimampolo ireo,
raha misy izany tokoa ao?
Sanatria Anao izay hanao izany,
ka hamono ny marina miaraka amin’ny olo-meloka.
Sahala izany ny hahazo ny marina sy ny meloka!
Sanatria Anao izany.
Mpitsara ny tany rehetra ve ka tsy hitsara marina?”

Hoy ny Tompo:

“Raha mahita olo-marina dimampolo ao an-tanànan’i Sôdôma Aho,
dia hamindra fo amin’ny tanàna manontolo noho ny fitiavako an’ireo.”

Fa hoy indray i Abrahama:

“Indro efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho, izaho vovoka sy lavenona foana.
Angamba ho latsaka dimy ny dimampolo marina;
ka dia haringanao ve ny tanàna manontolo, noho ny dimy?”

Hoy Izy:

“Tsy handringana azy Aho,
raha mahita olo-marina dimy amby efapolo ao.”

Dia mbola niteny taminy ihany i Abrahama ka nanao hoe:

“Angamba ho efapolo ny olo-marina ao.”

Ary hoy Izy:

“Tsy hanao izany Aho,
noho ny fitiavako azy efapolo ireo.”

Ary hoy i Abrahama:

“Enga anie ka tsy hahatezitra ny Tompo,
raha mbola miteny aho: Angamba telopolo izy no ho hita ao.”

Dia hoy Izy:

“Tsy hanao izany Aho raha telopolo no hitako ao.”

Hoy i Abrahama:

“Indro efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho,
angamba roapolo izy no ho hita ao.”

Ary hoy Izy:

“Tsy handringana ny tanàna Aho raha roapolo izy.”

Hoy i Abrahama:

“Enga anie ka tsy ho tezitra ny Tompo,
fa tsy hiteny intsony afa-tsy ity indray mandeha ity aho:
Angamba folo izy no hita ao.”

Dia hoy Izy:

“Tsy handringana azy Aho noho ireo folo ireo.”

Lasa nandeha ny Tompo nony tapi-niteny tamin’i Abrahama,
ary i Abrahama kosa dia nody.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 102, 1-2. 3-4. 8-9. 10-11

Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko
sy ny Anarany Masina, ry ato anatiko rehetra!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko!
Aza misy hadinoina ny soa avy aminy!

Izy Ilay mamela ny helokao rehetra,
manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny lavaka,
manototra hatsaram-po sy indrafo anao.

Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po!
Tsy mba lalandava ny ifandaharany,
na mandrakizay no irehetan’ny Fony.

Tsy araka ny otantsika no ataony antsika:
na araka ny helotsika no avaliny antsika!
Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany,
no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo;
izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 18-22)

Manaraha Ahy.

Tamin’izany andro izany,
nony hitan’i Jesoa ny hamaroan’ny olona nanodidina Azy,
dia nasainy hampitaina eny an-dafin-drano Izy.
Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona nilaza taminy hoe:

“Mpampianatra ô,
hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao.”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana akany,
fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany.”

Ary ny anankiray tamin’ny mpianany koa nilaza taminy hoe:

“Tompoko,
avelao aho aloha handeha handevina ny raiko”;

fa hoy i Jesoa taminy:

“Manaraha Ahy,
fa avelao ny maty handevina ny maty ao aminy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 ôktôbra 2024

♦ Tontosa ny 13 ôktôbra 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, sy ny fametrahana azy ho eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'Ambatondrazaka azy... ♦ Ny sabotsy 19 ôktôbra 2024 no hanamarihana, any amin'ny Sanctuaire Ambiatibe, ny fankalazana ny faha-12 taona nanandratana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Ny tena harena dia ny tian'Andriamanitra, hoy ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...