Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe: "Tandremo ny mpaminany sandoka izay manatona anareo manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha; ny voany no hahafantaranareo azy. Moa mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona, na voan’aviavy amin’ny hery? Toy izany, ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara hokapaina ka hatsipy ao anaty afo: ka dia ny voany no hahafantaranareo azy."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy amin’ny kisoa ny voahanginareo, sao hitsahiny ireny, dia hifotitra hamiravira anareo izy. Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany. Midira amin’ny vavahady etý, fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana, ka maro no mahazo any; fa tery kosa ny vavahady, ary etý ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Aza mitsara mba tsy hotsaraina ianareo; fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa. Ary nahoana ianao no mahita ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa tsy mahita ny sakamandimby izay eo amin’ny masonao? Ary ahoana no ilazanao amin’ny rahalahinao hoe: "Avelao hesoriko ny tapak’ahitra amin’ny masonao", nefa indro fa misy sakamandimby eo amin’ny anao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby izay ao amin’ny masonao, ary rahefa izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tsy misy olona mahay manompo tompo roa, fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany, na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hoesoiny. Koa tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny vola ianareo. Noho izany, izao no ataoko aminareo: Aza manahy foana ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy ny aina no ambony noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana? Jereo ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsopitra ireny, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy; ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo? Ary iza aminareo, na dia manahy aza, no mahay manalava ny tenany na dia iray hakiho ihany aza? Ary ahoana no anahianareo ny amin’ny fitafiana? Zahao ny fanirin’ny lisy any an-tsaha, fa tsy mba miasa, na mamoly ireny; kanefa lazaiko aminareo fa na dia i Salômôna teo amin’ny voninahiny rehetra aza dia tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’izy ireny. Ka raha toy izany no fanafin’Andriamanitra ny ahitra any an-tsaha izay eny anio nefa hatsipy any am-patana rahampitso tsy mihoatra noho izany va no hataony aminareo ry kely finoana? Noho izany aza manahy ianareo manao hoe: Inona no hohaninay, na inona no hosotroinay na inona no hotafinay? Fa ny Jentily no mikatsaka izany rehetra izany; ary fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany. Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny. Ary aza manahy ny ho ampitso ianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy, ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Aza mihary harena ho anareo etý an-tany izay misy harafesina sy kalalao manimba, ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra; fa miharia harena ho anareo any an-danitra izay tsy misy harafesina na kalalao manimba, sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra. Fa izay itoeran’ny harenao no itoeran’ny fonao koa. Ny maso no jiron’ny tena: raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra; fa raha ratsy kosa ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra, ka raha zary maizina àry ny fahazavana izay eo amin’ny tenanao, fahamaizinana manao ahoana izany!"
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Efa renareo fa voalaza hoe: Maso efai-maso, nify efai-nify. Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory; fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana, dia atolory azy koa ny ilany; ary raha misy te-hiady aminao mba hahazoany ny akanjonao, dia afoizo ho azy koa ny lambanao; ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana, miaraha aminy roa arivo. Omeo izay mangataka aminao, ary aza ilaoza-mihataka izay te-hisambotra aminao.”
Ary andro fiomanana tamin'izay, ka nangataka tamin'i Pilaty ny Jody mba hotapahina ny ranjon'ireo nofantsihana, dia hoesorina, mba tsy hisy faty mihantona amin'ny Hazofijaliana amin'ny andro sabata (fa andro lehibe izany sabata izany). Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon'ny voalohany sy ny an'ilay anankiray niara-nofantsihana taminy koa; fa nony nankeo amin'i Jesoa izy ireo, dia hitany fa efa maty sahady izy, ka tsy mba notapahiny ny ranjony. Fa nolefonin'ny miaramila anankiray kosa ny Fony, ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin'izay. Ary ilay nahita no milaza, ka marina ny filazany, sady fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa. Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: "Tsy hisy hotapahina ny taolany, na dia iray aza". Ary hoy indray koa ny Soratra Masina: "Hijery IIay nolefoniny izy".
Ilaina fantarina ny toetra maha izay sy ny maha izy ny olona ho vadiana. (02-06-2021)
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Ianareo no fanasin’ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, hatao ahoana no fanasina azy indray? Tsy ho azo atao inona intsony izy, fa hariana any alatrano hohitsahin’ny olona. Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao: tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra, ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano. Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra."
Tamin’izany andro izany, nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rahefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany, ka niloa-bava Izy nampianatra azy, nanao hoe: "Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany. Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo. Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy. Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy. Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy. Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy. Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny amiko: mifalia sy miravoravoa ianareo fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra, satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo."
Tamin’ny andro voalohan’ny Azima izay fanomanana ny Paka, dia nilaza tamin’i Jesoa ny mpianany nanao hoe: "Aiza no tianao halehanay hanamboaranay ny hihinananao ny Paka?" Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy ka nilazany hoe: "Mankanesa any an-tanàna, ary hifanena amin’ny lehilahy iray mitondra siny feno rano ianareo, ka manaraha azy. Dia lazao amin’ny tompon’ny trano izay hidirany hoe: ‘Izao no asain’ny Mpampianatra lazaina aminao: Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paka amin’ny mpianatro?’Dia hotoroany efitrano malalaka voavoatra tsara ianareo, ka ao no anamboary ho antsika".
Dia nandeha ny mpianatra ka tonga tany an-tanàna, ary nahita araka izay nolazainy taminy sy nanamboatra ny Paka. Ary raha mbola nihinana Izy, dia nandray mofo i Jesoa, ka nony efa notsofiny rano sy novakiny dia nomeny azy ireo, sy nataony hoe: "Raiso, fa Vatako ity". Raha efa izany dia nandray ny kalisy Izy, ka nony efa nisaotra, dia nomeny azy izany sy nisotroan’izy rehetra. Ary nolazainy taminy hoe: "Rako ity, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny maro. Lazaiko marina aminareo fa tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-piavin’ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra". Nony efa nanao hira fiderana izy ireo, dia nankany amin’ny tendrombohitra Oliva.
Tamin’izany andro izany, izao no nolazain’i Jesoa ny vahoaka, tamin’ny fampianarany: "Mahîna amin’ny mpanora-dalàna, izay tia ny mitsangantsangana miakanjo mirebareba, sy ny arahabaina eny an-kianja, ary ny fipetrahana voalohany ao amin’ny sinagôga, mbamin’ny fitoerana ambony amin’ny fanasana. Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny, kanjo mihinana ny fananan’ny mpitondratena, ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa."
Raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra i Jesoa, dia nijery ny fandatsaky ny olona tao, ary maro ny mpanan-karena no nandatsaka be. Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa, ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy. Dia nantsoin’i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe: "Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra; satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany, fa izy kosa nandatsaka izay ilainy, dia izay rehetra nananany sy ivelomany."
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco