Vakiteny voalohany

Bokin’i Jôsoe (Jôs. 3, 7-10a. 11. 13-17)

Ny fiaran’ny faneken’ny Tompo mialoha anareo ao anatin’i Jordany.

Tamin’izany andro izany, hoy ny Tompo tamin’i Jôsoe:

“Indro Aho hanomboka hanandratra anao eo imason’i Israely rehetra
mba ho fantany fa toy ny nombàko an’i Môizy no ombàko anao koa.
Ary ianao dia manomeza izao didy izao
amin’ny mpisorona mitondra ny fiaran’ny fanekena:
Rahefa tonga eo amoron’ny ranon’i Jordany ianareo,
dia mijanòna ao anatin’i Jordany.”

Ary i Jôsoe nilaza tamin’i Israely hoe:

“Manatòna ianareo,
ary mihainoa ny tenin’ny Tompo Andriamanitrareo.”

Dia hoy i Jôsoe:

“Izao no hahafantaranareo fa eo afovoanareo tokoa ny Andriamanitra velona,
ka tsy maintsy horoahiny eo anoloanareo tokoa ny Kananeanina.
Indro handroso eo alohanareo ao anatin’i Jordany
ny fiaran’ny faneken’ilay Tompon’ny tany rehetra.
Ary raha vao miroboka ao anatin’ny ranon’i Jordany
ny faladian-tongotry ny mpisorona mitondra ny fiaran’Andriamanitra Tompon’ny tany rehetra,
dia ho tapaka ny ranon’i Jordany, ny midina avy any ambony,
ka hihandrona hoatra ny antontan-javatra.”

Nony efa nivoaka ny lainy ny vahoaka hita amin’i Jordany
dia nialoha ny vahoaka ny mpisorona mitondra ny fiaran’ny fanekena.
Raha vao tonga teo Jordany ny mpitondra ny fiara,
ary niroboka ny sisin-drano ny tongotry ny mpisorona mpitondra ny fiara
— fa tondraka mihoatra ny morony rehetra i Jordany mandritra ny fararano, —
dia nihandrona ny rano midina avy any ambony,
ka niavosa hoatra ny antontan-javatra tery lavitra erý,
akaikin’ny tanànan’i Adôma, izay anilan’i Sartàna,
ary tapaka mihitsy ny midina mankany amin’ny ranomasina Arabaha, dia ny ranomasin-tSira,
ka nita tandrifin’i Jerikao ny vahoaka.
Nitsatoka tsy nihetsika tamin’ny tany maina eo afovoan’i Jordany
ny mpisorona nitondra ny fiaran’ny faneken’ny Tompo,
nandritra ny nitan’i Israely rehetra tamin’ny tany maina,
mandra-pahatafitan’ny firenena rehetra an’i Jordany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 113a, 1-2. 3-4. 5-6

Aleloia!

Fony nandao an’i Ejipta i Israely,
an’ilay vahoaka lozabe ny tranon’i Jakôba,
i Jodà tonga toerany masina,
i Israely zary fanjakany.

Ny ranomasina nahita, ka nandositra;
i Jordany nanao dia mianòtra;
ny vohitra niantsambotra toa osilahy,
ny havoana toa zanak’ondry.

Ahoana itý ianao no mandositra, ry ranomasina?
ary i Jordany no manao dia mianòtra?
ny vohitra no miantsambotra toa osilahy?
ny havoana no toa zanak’ondry?

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 21-35 ; 19, 1)

Izaho tsy milaza aminao hamela hatramin’ny impito fa hatramin’ny impitopolo fito.

Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa i Piera nanao hoe:

“Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny rahalahiko
no tokony hamela azy aho?
Hatramin’ny impito va?”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Izaho tsy milaza aminao hoe: hatramin’ny impito
fa hatramin’ny impitopolo fito.
Koa amin’izany ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray
izay te-hamotopototra ny toe-pananany amin’ny mpanompony;
ary raha vao nanomboka nanao izany izy,
dia nentiny teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina.
Ary noho izy tsy nanan-kaloa,
dia nasain’ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany, mbamin’ny fananany rehetra,
mba hanefana ny trosa.
Dia niankohoka ilay mpanompo, ka nifona taminy hoe:
‘Mba omeo andro aho, dia haloako daholo ny anao rehetra.’
Nangoraka ny fon’ilay tompon’izany mpanompo izany,
ka sady nandefa azy handeha no namoy ny trosa taminy.

Fa raha vao nivoaka ilay mpanompo,
dia tojo itý mpanompo namany anankiray izay ananany denie zato;
noraisiny tamin’ny tendany ilay io ka nokendainy nataony hoe:
‘Aloavy ny trosako any aminao.’
Niankohoka ilay namany, dia nifona taminy nanao hoe:
‘Mba omeo andro aho, dia haloako ny anao rehetra.’
Nefa tsy nety izy fa lasa nampanao azy an-tranomaizina, ambara-pandoany ny trosa.
Nalahelo loatra ny mpanompo sasany nony nahita izany,
ka lasa nilaza izany rehetra izany tamin’ny tompony.
Dia nampanalain’ny tompony izy ka nilazany hoe:
‘Ry mpanompo ratsy fanahy,
efa nafoiko avokoa ny trosako rehetra taminao,
noho ianao nifona tamiko,
ka moa tsy tokony mba hamindra fo amin’ny namanao va ianao
tahaka ny namindrako fo taminao?’
Dia tezitra ny tompony ka natolony ny mpampijaly izy,
ambara-pandoany ny trosa rehetra.

Dia ho tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo,
raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.”

Rahefa avy niteny izany i Jesoa
dia niala tao Galilea ka tonga teny an-tsisin’i Jodea,
an-dafin’i Jordany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 ôktôbra 2024

♦ Tontosa ny 13 ôktôbra 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, sy ny fametrahana azy ho eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'Ambatondrazaka azy... ♦ Ny sabotsy 19 ôktôbra 2024 no hanamarihana, any amin'ny Sanctuaire Ambiatibe, ny fankalazana ny faha-12 taona nanandratana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Ny tena harena dia ny tian'Andriamanitra, hoy ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...