Vakiteny voalohany

Bokin’i Jôsoe (Jôs. 24, 14-29)

Fidio anio ilay tsy maintsy hotompoinareo.

Tamin’izany andro izany,
niteny tamin’ny vahoaka i Jôsoe nanao hoe:

“Matahora ny Tompo ary manompoa Azy amim-pahitsiana sy fahamarinana;
ario ny andriamanitra notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny ony sy tany Ejipta,
ka manompoa ny Tompo.
Raha tsy sitrakareo kosa ny hanompo ny Tompo
dia fidionareo anio izay tianareo hotompoina;
na ny Andriamanitra notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny ony;
na ny andriamanitry ny Amôreana izay onenanareo ny taniny.
Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny Tompo.”

Dia namaly ny vahoaka, ka nanao hoe:

“Lavitra anay izay handao ny Tompo ka hanompo andriamani-kafa.
Fa ny Tompo Andriamanitsika no nampiakatra antsika mbamin’ny razantsika
avy tany amin’ny tany Ejipta, amin’ny trano fanandevozana
ary nanao ireo fahagagana lehibe teo imasontsika,
ary niaro antsika tamin’ny lalana nalehantsika
sy tamin’ny firenena rehetra nandalovantsika.
Ny Tompo nandroaka ny vahoaka rehetra sy ny Amôreana nonina tamin’itý tany itý.
Izahay koa hanompo ny Tompo fa Andriamanitsika Izy.”

Dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka:

“Tsy mahatompo ny Tompo ianareo,
fa Izy dia Andriamanitra masina, Andriamanitra saro-piaro;
tsy hamela ny fahadisoana amam-pahotanareo.
Raha mahafoy ny Tompo ianareo, ka manompo andriamani-kafa
dia hifotitra Izy sy hampahory anareo ary handringana anareo
Izy izay efa nanao soa anareo.”

Fa hoy ny vahoaka tamin’i Jôsoe:

“Tsia, fa hanompo ny Tompo izahay.”

Ka hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka:

“Vavolombelona amin’ny tenanareo ianareo,
fa nifidy ny Tompo hotompoina.”

Hoy ny navaliny:

“Vavolombelon’izany izahay.”

— “Ario àry amin’izao ny andriamani-kafa eo aminareo,
ary avereno amin’ny Tompo Andriamanitr’i Israely ny fonareo.”

Ka hoy ny vahoaka tamin’i Jôsoe:

“Ny Tompo Andriamanitsika no ho tompoinay,
ary ny feony no hohenoinay.”

Nanao fanekena tamin’ny vahoaka i Jôsoe tamin’izany andro izany
ka nanome didy aman-dalàna azy ireo tao Sikema.
Nosoratan’i Jôsoe tamin’ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra ireo teny ireo.
Naka vato lehibe izy, ka natsangany teo ambanin’ny aoka,
teo amin’ny fitoerana voatokana ho an’ny Tompo.
Dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka rehetra:

“Indro itý vato itý no ho vavolombelona amintsika,
fa efa nandre ny teny rehetra nolazain’ny Tompo tamintsika io;
ho vavolombelona aminareo koa io,
mba tsy handavanareo ny Andriamanitrareo.”

Dia nampodian’i Jôsoe ny vahoaka samy ho any amin’ny lovany avy.
Nony afaka izany dia maty i Jôsoe, zanak’i Nona, mpanompon’ny Tompo,
tamin’ny fahafolo amby zaton’ny taonany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 15, 1-2a sy 5. 7-8. 11

Ianao, ry Tompo, no zara lovako!

Andriamanitra Tompo ô, ambeno f’Ianao re no hany ifefeko,
hasambarako tokana an-tany.
Ianao re, ry Tompo, no lova, hany zarako mandrakizay,
toeran-tsoa no natokana ho ahy.

Ka isaorako, Tompo, Ianao fa nanolotra saina, fanahy
sy nanoro ny foko hatrany.
Eo alohako foana ny Tompo; tsy hiala an-kavanako Izy;
ka isaorako mandrakizay!

E ny lalan’ny fiainana izao dia hatoronao ahy hatrany,
ka nameno hafaliana ny foko.
Ho finaritra mandrakizay, izay mitoetra eo ankavananao,
hasambarana tsy mety ritra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 13-15)

Aza raràna tsy hanatona Ahy ny zaza, fa an’ny tahaka azy ireny ny fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany,
nisy zazakely maromaro nentina teo amin’i Jesoa,
mba hametrahany tanana sy hivavahany ho azy;
fa noraran’ny mpianany mafy ireo.
Ka hoy i Jesoa taminy:

“Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy;
fa an’ny tahaka azy ny fanjakan’ny lanitra.”

Ary rahefa nametra-tanana tamin’izy ireo Izy,
dia nizo-dalana indray.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 ôktôbra 2024

♦ Tontosa ny 13 ôktôbra 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, sy ny fametrahana azy ho eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'Ambatondrazaka azy... ♦ Ny sabotsy 19 ôktôbra 2024 no hanamarihana, any amin'ny Sanctuaire Ambiatibe, ny fankalazana ny faha-12 taona nanandratana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Ny tena harena dia ny tian'Andriamanitra, hoy ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...