Vakiteny voalohany

Boky Deteronômy (Det. 4, 32-40)

Noho ny fitiavany ny razanareo dia nifidy fara aman-dimby ho azy ireo Izy.

Tamin’izany andro izany,
niteny tamin’ny vahoaka i Môizy nanao hoe:

“Anontanio ny andro fahagola tany alohanao,
hatramin’ny andro naharian’Andriamanitra ny olombelona teto ambonin’ny tany
sy hatramin’ny faravodilanitra na aiza na aiza,
raha mba nisy zava-dehibe tahaka izany na oviana na oviana,
na nisy re toy izany akory na oviana na oviana!
Vahoaka aiza no efa nandre ny feon’Andriamanitra
niteny tao anatin’ny afo toy ny efa renareo,
ka mbola velona ihany izy?
Oviana no mba nisy Andriamanitra nanandrana haka firenena anankiray ho azy
tao afovoan’ny firenena iray hafa,
tamin’ny fitsapana, famantarana, fahagagana, ady,
tanana mahery, sandry ahinjitra, ary fangorohoroana lehibe,
toraky ny nataon’ny Tompo Andriamanitrareo ho anareo,
teo imasonareo tany Ejipta?
Ianao no nanehoana izany, mba hahafantaranao,
fa ny Tompo no Andriamanitra, ary tsy misy hafa afa-tsy Izy.
Nampandre anao ny feony avy any an-danitra hampianatra anao Izy,
sy nampiseho anao ny afony lehibe teto an-tany;
ary nandre ny teniny tao anatin’ny afo ianao.
Noho ny fitiavany ny razanao,
dia nifidy fara aman-dimby ho azy ireo Izy,
ka nampivoaka anao avy tany Ejipta,
tamin’ny nitoerany tao aminao sy ny heriny lehibe,
handroahany firenena maro sady matanjaka noho ianao teo anoloanao,
mba hampidirany anao amin’ny taniny sy hanomezany izany ho lovanao,
araka izao ankehitriny izao.

Koa fantaronao anio,
sy araiketo ao am-ponao fa ny Tompo no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony,
sy ety amin’ny tany ambany ary tsy misy hafa.
Tandremo ny lalàny sy ny didiny, izay andidiako anao anio,
mba ho sambatra ianao, dia ianao sy ny zanakao manaraka anao,
ary mba ho lava ny andronao, amin’ny taona mifandimby rehetra
any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 76, 12-13. 14-15. 16 sy 21

Tsaroako izany vitan’ny Tompo.

Tsaroako ny asa mahatalanjona
narafitry ny tanan’izy Tompoko.
Ireo asa vitanao, Andriamanitra ô,
dia tena mahagaga ny fisainako.

Ny lalanao no masina Andriamanitra
tsy misy toa Anao ireo andriamanitra.
Nahefa be Ianao ka mahatalanjona,
niaiky ny herinao tokoa ny olona.

Vahoakanao nahazo fanavotana:
i Jakôba sy i Jôsefa sy ny zanany.
Ka indro ny olonao tsy very lalana:
i Môizy sy i Aarôna no filohany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo;
Izaho mahalala azy, ary izy mahalala Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 24-28)

Inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany,
sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy.
Fa izay ta-hamonjy ny ainy no hahavery azy,
ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy.
Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy,
nefa very ny fanahiny?
Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?
Fa ny Zanak’Olona dia ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy
miaraka amin’ny anjeliny,
ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy.
Lazaiko aminareo marina tokoa,
fa ny sasany eto, dia tsy hanandrana fahafatesana,
raha tsy efa mahita ny Zanak’Olona avy amin’ny fanjakany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...