Vakiteny voalohany

Boky Deteronômy (Det. 34, 1-12)

Teo amin’ny toerana nandidian’ny Tompo hahafatesany i Môizy no maty; ary tsy nisy mpaminany nitsangana toa azy intsony teo amin’i Israely.

Tamin’izany andro izany,
niakatra avy eo an-tany lemak’i Môaba i Môizy,
nankany an-tendrombohitra Nebao, ao an-tampon’i Fasgà, tandrifin’i Jerikao.
Ary nasehon’ny Tompo azy avokoa ny tany rehetra,
dia Galaada hatrany Dana, Neftali rehetra mbamin’ny tanin’i Efraima sy i Manase,
ny tanin’i Jodà rehetra, hatramin’ny Ranomasina andrefana,
ny Negeba, ny faritanin’i Jordany, ny lohasahan’i Jerikao,
dia ny tanànan’ny rofia hatrany Segôra.
Dia hoy ny Tompo taminy:

“Io ny tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba hoe:
‘Homeko ny taranakao izany.’
Nataoko nahita maso azy ianao, nefa tsy hiditra eny ianao.”

Teo no nahafatesan’i Môizy, mpanompon’ny Tompo,
dia teo amin’ny tany Môaba, araka ny didin’ny Tompo.
Ary naleviny teo an-dohasaha, amin’ny tanin’i Môaba,
tandrifin’i Bet-Fôgôra izy.
Ary tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.
Efa roapolo amby zato taona i Môizy no maty,
nefa ny fahiratany tsy nihena, ny tanjany tsy niala taminy.
Nisaona an’i Môizy, telopolo andro tao amin’ny tany lemak’i Môaba ny zanak’i Israely
ka tapitra ny andro fitomaniana tamin’ny fisaonana an’i Môizy.

Ary i Jôsoe, zanak’i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena,
fa efa nametrahan’i Môizy tanana izy,
ka nanoa azy ny zanak’i Israely sy nanao araka ny nandidian’ny Tompo an’i Môizy.
Tsy nisy mpaminany nitsangana teo amin’i Israely intsony
sahala amin’i Môizy izay fantatry ny Tompo mifanatrika,
na ny amin’ny famantarana amam-pahagagana nanirahan’ny Tompo azy tany Ejipta,
hanaovany izany tamin’ny Faraôna,
sy ny mpanompony mbamin’ny taniny rehetra,
na ny amin’ny tanany mahery rehetra aman-java-mahatahotra rehetra
izay vitan’i Môizy teo imason’i Israely rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 65, 1-3a. 5 sy 8. 16-17

Hisaorana anie Andriamanitra, Ilay namelona ny fanahiko.

Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo!
Antsao ny Anarany be voninahitra!
Miderà Azy, ka miantsoa hoe:
Eny, mahatahotra Ianao, ry Andriamanitra.

Tongava hizaha ny Asan’Andriamanitra!
Mahatahotra itý nataony ho an’ny zanak’olombelona!
Misaora an’Andriamanitra rey vahoaka!
Redòny ny feo fiderana Azy!

Tongava avokoa izay matahotra an’Andriamanitra!
Mihainoa hitantarako izay nataony tamiko:
dia Izy Ilay fiantsan’ny vavako
sy fideran’ny lelako!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 15-20)

Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatona azy;
ka rahefa mitokana ianareo, dia asehoy azy ny hadisoany.
Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;
fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao
mba ho tapaka noho ny teny hataon’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra.
Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny Eglizy;
ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny jentily sy ny poblikanina.
Lazaiko marina aminareo
fa na inona na inona hofehezinareo etý ambonin’ny tany
dia ho voafehy any an-danitra;
ary na inona na inona hovahanareo etý ambonin’ny tany,
dia ho voavaha any an-danitra.
Ary izao koa no lazaiko aminareo:
raha misy roa aminareo mifanaiky etý ambonin’ny tany,
na inona na inona angatahiny
dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany.
Fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny Anarako,
dia eo afovoany Aho.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...