Tamin’izany andro izany, nony nandre ny nahafatesan’i Joany Batista i Jesoa, dia niala teo ka niondrana an-tsambo kely mba hitokana samirery any an’efitra fa rahefa nahare izany ny vahoaka, dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa ka nandeha an-tongotra nanaraka Azy. Rahefa niala tao an-tsambo kely Izy, dia nangoraka nahita ireto vahoaka betsaka, ka nositraniny ny marary teo aminy.

Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: "Tany efitra itý, ary efa hariva ny andro: koa ravao ny vahoaka handeha hividy hanina eny amin’ny vohitra." Fa hoy i Jesoa taminy: "Tsy tokony handeha izy, fa omeo hanina." Dia hoy ireo taminy: "Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa atý aminay." "Ento atý amiko izany", hoy Izy taminy. Dia nasainy nipetraka tamin’ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano; ary rahefa novakìny ny mofo, dia nomeny ny mpianany, ka nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky, ary nangonina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo. Nefa dimy arivo lahy no isan’ny nihinana afa-tsy ny zaza amam-behivavy.

Tamin’izany andro izany, nony hitan’ny vahoaka fa tsy teo i Jesoa na ny mpianany, dia niondrana tamin’ny sambo izy ireo ka nankany Kafarnaôma hitady an’i Jesoa. Ary rehefa hitany teny an-dafin’ny ranomasina Izy, dia nilazany hoe: "Raby, oviana no tonga teto Ianao?" Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Lazaiko marina dia marina aminareo: ianareo no mitady Ahy dia tsy noho ny nahitanareo fahagagana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky. Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’Olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra tombo-kase". Ary hoy izy ireo taminy: "Inona àry no hataonay mba hiasanay ny asan’Andriamanitra?" Namaly i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe: "Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Ilay nirahiny". Fa hoy ireo taminy: "Inona àry no fahagagana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona no asa ataonao? Ny razantsika nihinana ny mana tany an’efitra araka ny voasoratra hoe: Mofo avy any an-danitra no nomeny azy hohaniny". Dia hoy i Jesoa taminy: "Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i Môizy no nanome anareo ny Mofo avy any an-danitra izay tena izy tokoa; satria izay Mofo midina avy any an-danitra manome ny fiainana an’izao tontolo izao no Mofon’Andriamanitra". Ary hoy izy ireo taminy: "Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany Mofo izany". Dia hoy i Jesoa taminy: "Izaho no Mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay".

♦ Nankalazaina tao amin'ny Fiangonana Trinite Masina Mangasoavina ny Andro maneran-tany voalohany ho an'ny Raibe sy ny Renibe ary ny Zokiolona, teto Madagasikara... ♦ Notanterahana tao Amboahangibe ny fanamasinana ho pretra, andiany faharoa, ho an'ny diôsezin'Antsiranana... ♦ Notokanana ny 23 jolay 2021 ny "Maison de la culture - Casa di Luigi Piotto"...

♦ Homarihina amin'ny 26 septambra 2021 ny Andron'ny Diôsezy eto Antananarivo. Hotanterahana ny volana jolay sy aogositra ny Ezaka fizakana ny Diôsezy... ♦ Nofy, fahatsiarovana, vavaka : ireo no andry telo hanorenana ny ho avy ho an'ny taranaka, hoy ny Papa François, ao amin'ny hafany ho an'ny zokiolona amin'ny Andro Maneran-tany voalohany ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona, hankalazaina ny 25 jolay izao...

Tamin’izany andro izany, ren’i Herôda tetrarka ny lazan’i Jesoa, ka hoy izy tamin’ny mpanompony: "I Joany Batista izay; efa nitsangan-ko velona izy, ka izany no ahavitany fahagagana maro." Fa i Herôda efa nampisambotra an’i Joany, ka nanagadra sy nanao azy an-tranomaizina, noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny. Satria i Joany nilaza taminy hoe: "Tsy mahazo manambady io ianao." Nitady hamono azy i Herôda saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon’ny olona fa mpaminany i Joany. Ary tamin’ny andro nankalazana ny nahaterahan’i Herôda, dia nandihy teo anatrehan’ny olona nasaina ny zanakavavin’i Herôdiada, ka nahafaly an’i Herôda. Noho izany dia nianiana izy hanome azy izay zavatra hangatahiny na inona na inona. Efa nomen-dreniny hevitra rahateo razazavavy, ka hoy izy hoe: "Omeo ahy eto amin’ny lovia ny lohan’i Joany Batista." Dia nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ny olona niara-nihinana taminy, dia nasainy homena azy ihany izany; ary naniraka nampanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina izy. Dia nentina tamin’ny lovia ny lohany, ka nomena an-drazazavavy, ary nentiny tany amin-dreniny. Nalain’ny mpianatr’i Joany kosa ny faty dia naleviny, vao lasa izy nilaza izany tamin’i Jesoa.

Tamin’izany andro izany nankany amin’ny tany nahabe azy i Jesoa, ary nampianatra tao amin’ny sinagôgany; dia gaga ny olona ka nanao hoe: "Avy taiza àry no nahazoan’izy io izany fahendrena sy hery izany? Tsy ilay zanaky ny mpandrafitra va io? Tsy i Maria va no anaran-dreniny, ary tsy i Jakôba sy i Jôsefa sy i Simôna, ary i Jodà va no rahalahiny ary moa tsy etý amintsika avokoa va ny anabaviny rehetra? Koa taiza no nahazoany izany rehetra izany?" Ary tafintohina taminy izy ireo; fa hoy i Jesoa taminy: "Eo amin’ny tany onenany sy eo amin’ny ankohonany ihany no tsy mba voahaja ny mpaminany." Dia tsy nanao fahagagana betsaka teo Izy noho ny tsy finoan’ireo.

Tamin'izany andro izany, maro tamin'ny Jody no tonga tao amin'i Marta sy i Maria mba hitsapa alahelo azy noho ny nahafatesan'ny anadahiny. Vantany vao ren'i Marta fa hoe tamy i Jesoa, dia nandeha nitsena Azy izy, fa i Maria no nijanona tao an-trano. Dia hoy i Marta tamin'i Jesoa : "Raha tatý Ianao, Tompoko, dia tsy maty ny anadahiko. Ary na dia izao aza, dia fantatro fa na inona na inona hangatahinao amin'Andriamanitra, dia homen'Andriamanitra Anao". Hoy i Jesoa taminy : "Hitsangana ny anadahinao". Fa hoy i Marta taminy : "Fantatro fa hitsangana izy amin'ny farandro fitsanganan'ny maty". Hoy i Jesoa taminy : "Izaho no fananganana sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray ; ary izay rehetra velona ka mino Ahy, dia tsy ho faty mandrakizay. Nino izany va ianao?" – "Eny, Tompoko, hoy izy taminy, mino aho fa Ianao no i Kristy Zanak'Andriamanitra velona, Ilay hoe ho tonga amin'izao tontolo izao".

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha, izay hitan’olona ka nafeniny tao ihany aloha; dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany, ary nividy io saha io. Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto mitady voahangy tsara. Ary nony nahita anankiray be vidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy."

Tamin'ny andro voalohan'ny herinandro, dia lasa marainakoa mbola maizina nankany amin'ny fasana i Maria Madelenina, ka nahita fa voaesotra tamin'ny fasana ny vato. Nijanona nitomany teo ivelan'ny fasana izy. Ary teo am-pitomaniana, dia niondrika izy ka nahita anjely roa niakanjo fotsy, nipetraka tao amin'izay nipetrahan'ny vatan'i Jesoa, ny iray teo an-doha ary ny iray teo an-tongotra. Dia hoy izy ireo taminy : "Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao?" Ka hoy izy namaly ireo : "Satria nalain'olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy". Nony avy nilaza izany izy, dia nitodika, ka nahita an'i Jesoa nitsangana teo, nefa tsy fantany hoe i Jesoa io. Ary hoy i Jesoa taminy : "Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao? Iza no tadiavinao?" Nataony ho mpiandry saha io, ka hoy izy taminy : "Raha ianao re no naka Azy, tompoko, mba atoroy ahy kely izay nametrahanao Azy, hangalako Azy". Dia hoy i Jesoa taminy : "Ry Maria!" Dia nitodika izy ka nanao taminy hoe : "Rabóný!" (Izany hoe Mpampianatra). Hoy i Jesoa taminy : "Aza mikasika Ahy, fa mbola tsy niakatra tany amin'ny Raiko Aho, fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe : Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary any amin'ny Andriamanitro sy Andriamanitrareo!" Dia lasa i Maria Madelenina ka nilaza tamin'ny mpianatra hoe : "Efa nahita ny Tompo aho, ary izany no nolazainy tamiko".

Nankalazaina ny 27 jona 2021 ny taom-bolafotsin'ny Radio Don Bosco. Onjam-peo naorin'ny salezian'i Don Bosco tamin'ny taona 1996. Teny manentana mandritra ny fankalazana ny hoe : "Firotsahana sy hafaliana : mandehana mampianara ny firenen-drehetra" (Mt 28, 19). 

♦ Nankahery ireo pretra Karma vao nohamasinina omaly, i Mgr Rosario Vella, mba tsy ho kivy manoloana ireo fakam-panahy amin'ny maha olombelona... ♦ Nanentana ny fiaraha-miasan'ny lahika sy ny pretra, ny arsevekan'Antsiranana, Mgr Benjamin Marc Ramaroson, nandritra ny fanamasinana ireo pretra efatra mirahalahy, tany Sambava... ♦ Nanao antso avo ho an'ny tanora, ny Kardinaly Tsarahazana Désiré, mba hanome lanja an'Andriamanitra sy ho modely ho amin'ny fiainana, nandritra ny fanamasinana ho pretra ireo tanora efatra mirahalahy avy amin'ny fikambanana Oblats de Marie Immaculée, tao Toamasina...

Tamin’izany andro izany, nony efa nampody ny vahoaka i Jesoa dia mba nody, ary nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: "Lazao anay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny ahi-dratsy." Ary i Jesoa namaly ka nilaza taminy hoe: "Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’Olona; ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny Fanjakana; ny ahi-dratsy dia ny zanak’ilay Ratsy; ny fahavalo izay namafy azy, dia ny demony; ny taom-pijinjana, dia ny fahataperan’izao tontolo izao; ary ny mpijinja, dia ny Anjely. Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin’ny afo no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao. Haniraka ny Anjeliny ny Zanak’Olona, ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra hiala amin’ny Fanjakany, ka hanipy azy ao amin’ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Amin’izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny Fanjakan’ny Rainy. Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana."

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...