Vakiteny voalohany
Taratasy voalohan’i Masinday Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim. 2, 1-8)
Manaova vavaka ho an’ny olona rehetra, amin’Ilay Andriamanitra tia ny hahavoavonjy ny olon-drehetra.
Ny angatahiko voalohany indrindra,
dia ny hanaovana fivavahana, fangatahana, fifonana,
ary fisaorana ho an’ny olona rehetra,
ho an’ny mpanjaka sy ho an’ny manam-pahefana rehetra,
mba hiainantsika amim-piadanana sy fandriam-pahalemana,
amim-panajana an’Andriamanitra sy fahamaotonana tanteraka.
Izany no tsara sy ankasitrahana eo imason’Andriamanitra Mpamonjy antsika,
izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra,
sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina.
Fa iray monja Andriamanitra,
ary iray ihany no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olombelona,
dia i Kristy Jesoa tonga olombelona,
izay nanolotra ny tenany ho avotry ny olombelona rehetra:
zavatra voambara tamin’ny fotoany izany,
ary ny hitory izany no nametrahana ahy ho mpitory sy Apôstôly
ary ho mpampianatra ny jentily amin’ny finoana sy ny fahamarinana;
milaza ny marina aho fa tsy mandainga.
Koa ny lehilahy tiako hivavaka na aiza na aiza,
manandra-tanana madio,
tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 27, 2. 7. 8-9
Isaorana ny Tompo nihaino ny feoko mihanta.
Henoy ny feoko mihanta,
fa miantso Anao aho,
manandra-tanana
mitodika ny Toeranao Masina.
Ny Tompo no heriko sy ampinga
itokian’ny foko.
Notahìny aho, ka mibitaka ny foko,
ka velon-kira aho misaotra Azy!
Izy no Mpamonjy ny Voahosony!
Tompo ô! vonjeo, ny vahoakanao!
Tsofy rano ny Lovanao!
Andraso izy ireo, ary ento an-trotroana mandrakizay.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 1-10)
Tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’i Israely aza.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa rahefa tapitra nampandre toriteny maro tamin’ny vahoaka,
dia niditra tao Kafarnaôma.
Ary nisy kapiteny anankiray nanana ankizilahy tiany tokoa,
narary efa ho faty.
Nony nandre ny amin’i Jesoa ilay kapiteny,
dia naniraka loholon’ny Jody ho any aminy
mba hangataka Azy ho avy hanasitrana ilay ankizilahiny.
Ary rahefa tonga tany amin’i Jesoa izy ireo,
dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe:
“Mendrika hanaovanao izany izy,
fa sady tia ny firenentsika no nanao ny sinagôgantsika aza.”
Dia niara-nandeha tamin’izy ireo i Jesoa.
Fa nony mby teo akaikin’ny trano Izy
dia nampaniraka ny sasantsasany tamin’ny sakaizany ilay kapiteny
hilaza aminy hoe:
“Tompo ô,
aza dia misahirana toy izao re,
fa tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafontranoko akory aho;
ary na dia ny tenako aza
dia noheveriko ho tsy mendrika hanatona Anao akory,
fa manonòna teny iray monja,
dia ho sitrana ny ankiziko.
Fa izaho olona manan-dehibe mba mifehy miaramila koa,
ka ny anankiray ilazako hoe:
‘Mandehana’, dia mandeha;
ny anankiray ataoko hoe:
‘Avia’, dia avy;
ary ny mpanompoko koa hoe:
‘Ataovy izany’, dia manao izy.”
Gaga i Jesoa nony nandre izany,
ka nitodika ny vahoaka nanaraka Azy nanao hoe:
“Lazaiko marina aminareo
fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho,
na dia tamin’i Israely aza.”
Ary nony tafaverina tao an-tranon’ilay kapiteny ireo iraka,
dia nahita fa sitrana ilay ankizilahy narary.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.