Tamin’izany andro izany, nisy Farisianina nanasa an’i Jesoa hiara-mihinana aminy, ka niditra tao an-tranon’ilay Farisianina Izy, dia nipetraka nihinana. Ary indro nisy vehivavy ratsy fitondran-tena tao an-tanàna nahalala fa nihinana tao an-tranon’ilay Farisianina i Jesoa ka dia nivimbina tavoara alabastra feno diloilo manitra, dia nijanona teo ivohony tanilan’ny tongony sady nitomany ka kotsan’ny ranomasony ny tongony, fa nofaohiny tamin’ny volon-dohany sy norohany, ary nohosorany diloilo manitra.

Nony nahita izany ilay Farisianina nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe: "Raha mpaminany Izy dia ho nahalala ny toetran’itý vehivavy mikasika Azy, fa hoe mpanota io." Ary i Jesoa niteny taminy nanao hoe: "Ry Simôna, misy zavatra holazaiko aminao." Dia hoy izy: "Lazao, ry Mpampianatra." Ary hoy i Jesoa: "Nisy olona roa lahy nananan’ny mpampanjana-bola anankiray trosa, ny iray nananany denie dimanjato, ary ny iray dimampolo. Noho izy ireo samy tsy nanan-kaloa, dia nafoiny ny trosa tamin’izy roa lahy. Koa iza amin’ireo no ho tia azy kokoa?" Dia hoy i Simôna namaly Azy: "Ataoko fa ilay namoizany bebe kokoa." Ary hoy Izy taminy: "Marina ny anao."

Dia nitodika an-dravehivavy izy ka nanao hoe: "Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho, fa ianao tsy nanome rano hanasako tongotra, izy kosa nanondraka ny tongotro tamin’ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany. Ianao tsy nanoroka Ahy, izy kosa tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro hatrizay nidirako. Ianao tsy nanosotra diloilo ny lohako, izy kosa nanosotra diloilo manitra ny tongotro. Noho izany dia lazaiko aminao fa voavela ny heloka be nataony satria be fitiavana izy; fa izay amelana kely no kely fitiavana." Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: "Voavela ny helokao." Ary izay niara-nihinana taminy nanao anakampo hoe: "Iza moa itý no mamela na dia ny heloka aza?" Fa hoy Izy tamin-dravehivavy: "Ny finoanao no nahavonjy anao, mandehana amim-piadanana."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Hohariko amin’iza re ny olona amin’itý taranaka itý, ary tahaka an’iza izy? Tahaka ny ankizy mipetraka eny an-kianja izy, izay mifampilaza hoe: ‘Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.’ Fa tonga i Joany Batista tsy nihinana mofo na nisotro divay, lazainareo hoe: ‘Azon’ny demony izy.’ Tonga indray ny Zanak’Olona mihinana sy misotro, ataonareo hoe: ‘Lehilahy tendan-kanina sy mpisotro io, sady sakaizan’ny poblikanina sy ny olon-dratsy fiaina.’ Fa ny Fahendrena efa nohamarinin’ny zanany rehetra."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’i Nikôdema nanao hoe: "Tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra ihany, dia ny Zanak’olona izay any an-danitra. Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra, no tsy maintsy anandratana ny Zanak’olona koa, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa rahefa tapitra nampandre toriteny maro tamin’ny vahoaka, dia niditra tao Kafarnaôma. Ary nisy kapiteny anankiray nanana ankizilahy tiany tokoa, narary efa ho faty. Nony nandre ny amin’i Jesoa ilay kapiteny, dia naniraka loholon’ny Jody ho any aminy mba hangataka Azy ho avy hanasitrana ilay ankizilahiny. Ary rahefa tonga tany amin’i Jesoa izy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: "Mendrika hanaovanao izany izy, fa sady tia ny firenentsika no nanao ny sinagôgantsika aza."

Dia niara-nandeha tamin’izy ireo i Jesoa. Fa nony mby teo akaikin’ny trano Izy dia nampaniraka ny sasantsasany tamin’ny sakaizany ilay kapiteny hilaza aminy hoe: "Tompo ô, aza dia misahirana toy izao re, fa tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafontranoko akory aho; ary na dia ny tenako aza dia noheveriko ho tsy mendrika hanatona Anao akory, fa manonòna teny iray monja, dia ho sitrana ny ankiziko. Fa izaho olona manan-dehibe mba mifehy miaramila koa, ka ny anankiray ilazako hoe: "Mandehana", dia mandeha; ny anankiray ataoko hoe: "Avia", dia avy; ary ny mpanompoko koa hoe: "Ataovy izany", dia manao izy." Gaga i Jesoa nony nandre izany, ka nitodika ny vahoaka nanaraka Azy nanao hoe: "Lazaiko marina aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’i Israely aza." Ary nony tafaverina tao an-tranon’ilay kapiteny ireo iraka, dia nahita fa sitrana ilay ankizilahy narary.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany dia nankany amin’ny vohitra manodidina an’i Sezarean’i Filipo ary teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy nanao hoe: "Ataon’ny olona ho iza moa Aho?" Ary ireo namaly Azy nanao hoe: "I Joany Batista, hoy ny sasany; i Elia, hoy ny sasany; ary anankiray amin’ny mpaminany, hoy kosa ny sasany". Ary hoy Izy tamin’izy ireo: "Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza?" Dia namaly i Piera ka nanao taminy hoe: "Ianao no i Kristy". Ary noraràny mafy izy ireo mba tsy hilazalaza Azy na amin’iza na amin’iza.

Tamin’izay, nambarany tamin’izy ireo fa ny Zanak’olona dia tsy maintsy hijaly mafy sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana, sady nataony mazava tsara ny filaza izany. Dia nentin’i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy. Fa nihodina nijery ny mpianany Izy, ary niteny mafy an’i Piera hoe: "Mialà amiko, ry Satana, satria tsy mihevitra araka an’Andriamanitra ianao, fa araka ny olombelona". Dia nantsoiny ny vahoaka mbamin’ny mpianany ka nilazany hoe: "Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliana ka hanaraka Ahy. Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy".

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, na hazo ratsy mamoa voa tsara. Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy mioty aviavy amin’ny tsilo, na voaloboka amin’ny voaroitsilo. Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; ary ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka ny ratsy avy amin’ny rakitra ratsin’ny fony; fa ny be ao am-pony no itenenan’ny vavany.

Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko? Hasehoko anareo izay azo anoharana ny olona rehetra manatona Ahy ka mihaino ny teniko sy manatanteraka azy: tahaka ny olona anankiray manao trano izy, izay nihady lalina aloha vao nandatsaka ny fototra eo ambonin’ny vatolampy, ka nony tondraka ny rano dia nasian’ny riaka mafy izany trano izany, nefa tsy nampihontsona azy akory izany, satria tsara orina tambony vatolampy izy. Fa izay mihaino ihany kosa nefa tsy manaraka, dia tahaka ny olona anankiray nanorina ny tranony eo ambonin’ny tany tsy àry fototra, ka vao nasian’ny riaka, dia nirodana niaraka tamin’izay, ary loza ny faharavan’izany trano izany."

Ary toy izao no nahaterahan’i Kristy: i Maria reniny dia efa fofom-badin’i Jôsefa; fa raha mbola tsy niray trano izy ireo, dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy. Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina, sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, indro ny anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy, ka nanao hoe: "Ry Jôsefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny anarany hataonao hoe Jesoa, fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany." Ary izany rehetra izany no tonga, dia mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe: "Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe amintsika Andriamanitra."

♦ "Tranobe ho an'ny rehetra, andeha havaozintsika ny tranon'Andriamanitra", io no lohahevitry ny fahatsiarovana ny "Taonan'ny fahariana", ny 1 septambra ka hatramin'ny 4 ôktôbra 2021... ♦ Nitsidika ny Diôsezin'Ihosy ny sary famantarana an'i Masina Maria niseho tany La Salette, nanomboka ny 28 aogositra 2021... ♦ Hotanterahana any Budapest, Hongrie, ny Kôngresy Eokaristika iraisam-pirenena, manomboka ny 5 hatramin'ny 12 septambra 2021...

Ny sabotsy 31 jolay 2021 tamin'ny 2 ora sy sasany folak'andro lasa teo, oran'ny Roma, no notanterahana ny fivoriambe nataon'ny tompon'andraikitry ny MSJ (Mouvement Salésien des Jeunes) na Firohotan'ny Tanora Salezianina maneran-tany, izay niarahan'izy ireo tamin'i solontenan'ny pastoralin'ny tanora sy ny mpandrindra an'ity MSJ ity. Araka ny atontan'isa dia nahitana mpandray anjara miisa 130 tamin'ity fivorianam-be ity.

Nanomboka tamin’ny 26 Aogositra 2021 lasa teo ny fiofanana tao amin’ny sekoly iray izay tantanan’ny Salezianina ao Amerika. Sekoly mampiofana ny olona eo amin’ny lafin’ny fifandraisan’ny mpiara-belona. Miisa 83 ireo mpandray anjara ao anatin’izany sampam-piofanana momban’ny serasera izany, ary avy any amin’ny provinsy efatra ambin’ny folo mampiasa ny fiteny espaniôla.

Mila mahay manome fitiavana sy mandray fitiavana isika. Mila fandinihantena izany rehefa mifarana ny tontolo andro. Tena fanazarantena ilaina izany hanatsara ny fiainantsika sy ny manodidina antsika, ary mamporisika antsika hifandray amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...