Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 18-25)

Indrakindrafana be ihany ny zava-boaary rehetra miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
ataoko fa ny fahorian’izao fiainana izao
dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika.
Fa indrakindrafana be ihany ny zava-boaary rehetra
miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra;
satria izao zava-boaary rehetra izao
dia natao mpanompo ny zava-poana, tsy araka ny nahiny,
fa noho Ilay nampanompo azy,
nefa nahazo fanantenana fa izy aza dia hoalàna amin’ny fanandevozam-pahalovana
ho amin’ny fahafahana amam-boninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.
Fa fantatsika fa, mandraka ankehitriny,
dia miara-misento sy mijaly toy ny mihetsi-jaza izao zava-boaary rehetra izao.
Ary tsy izy ihany,
fa na isika efa manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy koa aza,
dia misento ao anatintsika ao,
miandry ny fananganan-janaka amam-panavotana ny vatantsika.
Fa vao amin’ny fanantenana fotsiny no nahavoavonjy antsika.
Ary ny mahita izay antenaina,
dia tsy mba manantena intsony,
fa efa hitany ka ahoana indray no hanantenany?
Fa raha ny tsy hita no antenaintsika,
dia miandry amim-paharetana isika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 125, 1-2ab. 2de-3. 4-5. 6

Lalina tokoa ny nataon’ny Tompo taminay.

Raha nampody ny babo tamin’i Siôna ny Tompo,
dia ohatra nanonofy izahay!
Tonga feno hehy ny vavanay;
feno hira ny lelanay!

Tamin’izay ireo firenena nitakoritsika hoe:
Lalina itý nataon’ny Tompo taminy!
Lalina tokoa ny nataon’ny Tompo taminay:
ka faly moa izahay!

Ampodio, ry Tompo, ny babo taminay,
toy ny ranotrambo any Atsimo!
Izay mamafy amin-dranomaso, no mijinja amin-kira.

Eny tokoa, raha mandroso no tomany
manipy ny voa.
Fa nony miverina, velona akora
milanja ny vokatra!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 18-21)

Ny voan-tsinapy nambolena tonga hazo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny hoe:

“Ny inona no tahaka ny fanjakan’Andriamanitra,
ary ny inona no hanoharako azy?
Tahaka ny voan-tsinapy izy
izay nalain’ny olona ka namboleny tamin’ny tanimboliny,
dia nitombo ka tonga hazo,
ary nitoeran’ny voromanidina ny rantsany.”

Dia hoy indray Izy:

“Inona no hanoharako ny fanjakan’Andriamanitra?
Tahaka ny lalivay izay nalain’ny vehivavy anankiray izy,
ka nampifangaroiny tamin’ny lafarinina intelon’ny famarana
mba hampibohaka ny koban-dafarinina rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 18 ôktôbra 2024

♦ Misokatra ho an'ny taom-pianarana 2024-2025 ny Oniversite Don Bosco ASJA, ao amin'ny Diôsezin'i Moramanga... ♦ Antoky ny fiainana mandrakizay ny Fanahy Masina, hoy ny fampianaran'ny Ray masina tamin'ny alarobia 16 ôktôbra 2024... ♦ Manana ny anjara toerany avokoa ny olona tsirairay avy, ao amin'ny fianakaviambe maneran-tany, ka tokony tsy hisy olona iharan'ny fanilihana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...