Tamin’izany andro izany, nifanena tamin’i Natanaely i Filipo dia nanao taminy hoe: "Efa hitanay Ilay voalazan’i Môizy tao amin’ny Lalàna, sy nambaran’ny Mpaminany, dia i Jesoa zanak’i Jôsefa avy any Nazareta." Ka hoy i Natanaely taminy: "Moa mba mety hisy zava-tsoa va avy any Nazareta?" Dia hoy i Filipo taminy: "Avia, ary zahao." Nony nahita an’i Natanaely tamy nanatona Azy i Jesoa dia nilaza azy hoe: "Io no tena Israelita tokoa, izay tsy misy fitaka." Ka hoy i Natanaely taminy: "Ahoana no nahalalanao ahy?" Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: "Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao, dia hitako tao ambanin’ny aviavy ianao." Dia namaly Azy i Natanaely, ka nanao hoe: "Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely." Ary hoy i Jesoa taminy: "Mino ianao, satria nilazàko fa hitako tao ambanin’ny aviavy ianao; mbola hahita zava-dehibe noho izany aza ianao." Dia hoy koa Izy: "Lazaiko marina dia marina aminareo fa hahita ny lanitra misokatra sy ny anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina ao ambonin’ny Zanak’olona ianareo."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny nanao hoe: "Loza ho anareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo. Loza ho anareo, mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, noho ianareo mitetitety ny ranomasina sy ny tanety mba hahazo mpianatra na dia iray aza; ka nony mahazo ianareo, dia ataonareo zanaky ny gehen’afo mihoatra indroa noho ianareo. Loza ho anareo, ry mpitari-dalana jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin’ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny volamena izay ao amin’ny tempoly, dia voafehy izy. Ry adala sy jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny volamena sa ny tempoly izay mahamasina ny volamena? Ary koa: Raha misy mianiana amin’ny ôtely, tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny fanatitra eo amboniny, dia voafehy izy. Ry jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny fanatitra sa ny ôtely izay mahamasina ny fanatitra? Koa amin’izany izay mianiana amin’ny ôtely, dia mianiana aminy sy amin’izay rehetra eo amboniny; izay rehetra mianiana amin’ny tempoly, dia mianiana aminy sy amin’Ilay mitoetra ao anatiny; ary izay mianiana amin’ny lanitra, dia mianiana amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, sy amin’izay mipetraka eo amboniny."

Tamin’izany andro izany, ren’ny Farisianina fa nataon’i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseanina, dia nivory izy rehetra; ary ny anankiray izay mpahay lalàna tamin’izy ireo nanontany Azy mba haka fanahy Azy hoe: "Ry Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra amin’ny lalàna?" Ary hoy i Jesoa taminy: "Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, sy amin’ny fanahinao rehetra, ary amin’ny sainao rehetra. Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany; ary ny faharoa izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Ao amin’izany didy roa izany ny lalàna rehetra sy ny mpaminany."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny lehiben’ny mpanora-dalàna sy ny loholona indray nanao itý fanoharana itý hoe: "Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny andriamanjaka anankiray izay nanao fanasana tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy, ka naniraka ny ankiziny hanainga izay efa nasaina, ho any amin’ny fampakaram-bady, fa tsy nety nankany ireo. Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe: Lazao amin’ny nasaina hoe: Indro efa voavoatra ny nahandro ka efa voavono ny ombiko sy ny zavatra nafahy, ary efa vonona avokoa ny zavatra rehetra, koa tongava atý amin’ny fampakaram-bady ianareo. Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny iray nankany amin’ny sahany, ny iray nankany amin’ny varony; ary ny sasany nisambotra ny ankiziny, ka nony efa notevatevainy dia novonoiny.

Tezitra ny mpanjaka nony nandre izany, ka naniraka miaramila nandringana izany mpamono olona izany, sy nandoro ny tanànany. Dia hoy izy tamin’ny ankiziny: Efa voaomana ny fanasana amin’ny fampakaram-bady, fa ny nasaina no tsy mendrika. Koa mandehana ianareo any amin’ny fihaonan-dalana, ary asao ho atý amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo. Dia niely eran’ny arabe ny ankiziny, nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy, ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana. Ary niditra ny mpanjaka nizaha ny mpihinana, ka nahita lehilahy anankiray tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady, dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, nahoana ianao no niditra eto, nefa tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady? Fa sina ilay olona; ka hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: Afatory ny tongotra aman-tanany, ka ario any amin’ny maizina any ivelany io, any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Fa maro no nantsoina, nefa vitsy no fidîna."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao itý fanoharana itý tamin’ny mpianany: "Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka marainakoa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony. Ary rahefa nifanaiky tamin’ny mpiasa izy fa denie iray avy isan’andro ny karamany, dia nasainy hankany an-tanim-boalobony izy ireo.

Ary nivoaka izy tamin’ny ora fahatelo, dia nahita mpiasa hafa nidonana-poana teny an-kianja; ka andeha koa ianareo, hoy izy taminy, mankany amin’ny tanim-boaloboko, fa homeko anareo izay antonony. Dia nankany ireo. Ary nivoaka indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy, ka nanao toraka izany koa. Ary dia nivoaka koa izy tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo, ka nahita mpiasa hafa nijanom-poana, dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro? Fa hoy ireo taminy: Satria tsy nisy nanakarama anay. Dia hoy izy taminy: Andeha koa ianareo mankany amin’ny tanim-boaloko.

Ary nony hariva ny andro, dia hoy ilay tompon’ny tanim-boaloboka tamin’ny mpitandrina ny fananany: Antsoy ny mpiasa, ary omeo ny karamany, aseseo avy atý amin’ny farany, ka hatrany amin’ny voalohany. Dia nanatona izay nilatsaka tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo, ka samy nahazo denie iray misesy avy. Fa nony nanatona kosa ny voalohany, dia nanantena hahazo bebe kokoa, kanjo denie iray misesy avy ihany koa no azony. Teo am-pandraisana izany izy dia nimonomonona tamin’ilay tompon-trano nanao hoe: Tsy niasa afa-tsy adim-pamantaranandro iray monja ireto farany ireto, kanefa nampitovianao aminay izay niaritra ny hasasarana sy ny hainandro nandritra ny andro. Dia izao no navalin’ny tompo ny anankiray tamin’izy ireo: Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy marina aminao aho; moa tsy denie iray va no nifanekenao tamiko? Anao ny anao, dia mandehana, fa tiako ny manome an’ilay farany toraka ny anao koa. Tsy mahazo manao izay tiako amin’izay fananako va aho, sa ratsy ny masonao satria tsara aho? Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Lazaiko marina aminareo fa sarotra ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra. Ary izao koa no lazaiko aminareo: moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra." Gaga dia gaga ny mpianany nandre izany teny izany, ka nanao hoe: "Koa iza ihany àry no mety ho voavonjy?" Nijery azy ireo i Jesoa ka nanao hoe: "Tsy hain’olombelona izany, fa vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra." Namaly i Piera ka nanao taminy hoe: "Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra, ary nanaraka Anao, ka inona àry no ho azonay?" Hoy i Jesoa taminy: "Lazaiko marina aminareo fa raha mby amin’ny andro fanavaozana, ny Zanak’Olona dia hipetraka eo amin’ny fiketrahan’ny fiandrianany; ary ianareo izay nanaraka Ahy koa hipetraka amin’ny fiketrahana roa ambin’ny folo, ka hitsara ny foko roa ambin’ny folo amin’i Israely. Ary izay rehetra handao ny tranony, na ny rahalahiny, na ny anabaviny, na ny rainy, na ny reniny, na ny vadiny, na ny zanany, na ny taniny, noho ny Anarako, dia sady hahazo zato heny no handova ny fiainana mandrakizay. Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary maro koa izay farany no ho voalohany."

Indray andro, nisy olona anankiray nanatona an’i Jesoa ka nilaza hoe: "Ry Mpampianatra tsara ô, inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay? Dia hoy Izy namaly azy: Ahoana àry no iantsoanao Ahy hoe tsara? Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra; ka raha te-hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy." Dia hoy izy hoe: "Didy inona avy?" Dia hoy i Jesoa: "Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona tsy marina, manajà ny rainao aman-dreninao, ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao." Dia hoy ilay tovolahy taminy: "Hatra ny fony mbola kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany, ka inona no mbola tsy ampy amiko?" Ary hoy i Jesoa taminy: "Raha tahîny tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao, ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao; ary rahefa izany, dia avia hanaraka Ahy." Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin’alahelo, satria be ny fananany.

♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny Eglizy ny Papa François, amin'ity volana aogositra ity... ♦ Napetraka omaly ny Tonian'ny Fivondronana faha-11 ny Antilin'i Madagasikara ao amin'ny Aumônerie militaire ho an'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Notontonsaina ny 7 sy 8 aogositra teo ny fivoriam-be faharoa fanaon'ny FFVA teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo...

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy ny 06 aosgositra 2021 i Sr Rafaraonisoa Blandine, malagasy voalohany voatendry ho lehiben’ny Fikambanana Masera Filles de Marie auxiliatrice eto Madagasikara- Province "Marie Source de vie". Haharitra enin-taona ny fotoam-piasany.

♦ Ataovy amim-pitiavana ny zavatra rehetra, hoy i Mompera Innocent Bizimana, Lehiben'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco eto Madagasikara, tamin'ny fandraisana ny voady farany nataon'ireo Masera Filles de Marie Auxiliatrice, ny alakamisy 5 aogositra 2021 tao amin'ny EKAR Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely Ivato... ♦ Fahasoavana lehibe no noraisaina tamin'ny Masera Saint Paul de Chartres, hoy i Mgr Alfredo de Nobrega, evekan'i Mananjary, tamin'ny fankalazana ny faha-325 taona niorenan'ny fikambanana, ny 1 aogositra 2021 teo...

Tamin’izany andro izany, nisy zazakely maromaro nentina teo amin’i Jesoa, mba hametrahany tanana sy hivavahany ho azy; fa noraran’ny mpianany mafy ireo. Ka hoy i Jesoa taminy: "Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an’ny tahaka azy ny fanjakan’ny lanitra." Ary rahefa nametra-tanana tamin’izy ireo Izy, dia nizo-dalana indray.

Tamin’izany andro izany, nisy Farisianina nanatona an’i Jesoa mba haka fanahy Azy, ka nanao hoe: "Mahazo misao-bady va ny lehilahy na inona na inona antony?" Dia hoy Izy namaly azy ireo: "Tsy novakianareo va fa izay nahary ny olona tamin’ny voalohany, dia nanao azy ho lahy sy vavy ary nilaza hoe: ‘Noho izany, dia hilaozan-dralehilahy ny rainy aman-dreniny ka hikambana amin’ny vadiny izy, ary ho nofo iray ihany izy roroa?’ Noho izany tsy roa intsony izy, fa nofo iray. Ka aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’ny olona." Fa hoy ireo taminy: "Ka nahoana àry i Môizy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy?" Dia hoy Izy taminy: "Ny hamafin’ny fonareo no nanomezan’i Môizy lalana anareo hisao-bady; fa hatramin’ny voalohany dia tsy mba toy izany. Koa dia lazaiko aminareo, fa izay rehetra mandroaka ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka manambady hafa, dia mpijangajanga ary izay mampakatra ny vehivavy voaroaka, dia mpijangajanga koa." Hoy ny mpianany taminy: "Raha izany no toetry ny lehilahy amin’ny vadiny, dia aleo tsy manambady." Ary hoy Izy taminy: "Tsy ny olona rehetra no mahazo izany teny izany, fa izay nomena fahasoavana ihany. Fa misy eonoka hatrany an-kibon-dreniny; misy eonoka nataon’ny olona, ary misy eonoka izay nanao ny tenany eonoka noho ny fanjakan’ny lanitra. Aoka handray izay mahay mandray."

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...