Vakiteny voalohany

Bokin’i Zakaria Mpaminany (Zak. 8, 1-8)

Indro Aho hanafaka ny vahoaka avy any atsinanana sy avy any andrefana.

Tonga ny tenin’ny Tompon’ny tafika nanao hoe:

“Saro-piaro dia saro-piaro an’i Siôna Aho,
sady entim-pahatezerana mafy Aho, noho ny aminy.
Tafaverina eto Siôna Aho,
ka te-honina eo afovoan’i Jerosalema;
i Jerosalema hantsoina hoe:

‘Ny tanànan’ny fahamarinana’;

ary ny tendrombohitry ny Tompon’ny tafika, hatao hoe:

‘Ny tendrombohitry ny fahamasinana.’

Mbola hisy anti-dahy sy anti-bavy indray,
hipetraka eny amin’ny kianja any Jerosalema,
samy hitana tehina avy noho ny andro niainany efa maro.
Ny kianjan’ny tanàna ho feno zazalahy aman-jazavavy
milalao eny amin’ny kianjany.
Amin’izany andro izany,
na hiseho ho zava-mahagaga aza izany
eo imason’izay sisa amin’itý firenena itý;
moa ho zava-mahagaga eo imasoko koa va izany?
— teny marin’ny Tompon’ny tafika —.
Indro Aho hanafaka ny vahoakako avy any amin’ny tany atsinanana sy ny tany andrefana; hoentiko mody izy honina ao afovoan’i Jerosalema,
ka izy ho vahoakako ary Izaho ho Andriamanitr’izy ireo
amin’ny rariny sy ny hitsiny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 101, 16-18. 19-21. 29 sy 22-23

Hanorina an’i Siôna ny Tompo, ka hiseho anatin’ny Voninahiny.

Hatahotra ny Anaran’ny Tompo ireo firenena,
ny voninahitrao, ny Mpanjaka rehetra eran-tany!
Ny Tompo mantsy hanorina an’i Siôna,
ka hiseho anatin’ny voninahiny,
hanatrika ny vavak’izay norobaina,
tsy hanosika ny talahon’izy ireo!

Soraty izany ho an’ny taranaka any aoriana:
ka hidera ny Tompo ny vahoaka mbola ho àry!
Avy any an-toerany Masina any ambony Izy mitsinjo,
avy any an-danitra ny Tompo no mitazana ny tany:
hahahenoany ny senton’ny mpifatotra,
hanafahany an’ireo voatondro hovonoina.

Ny zanaky ny mpanomponao handry fehizay,
ary ny taranany hijoro eo anoloanao!
Ka ho voatantara ao Siôna ny Anaran’ny Tompo,
sy ao Jerosalema ny fiderana Azy,
raha ho tafaray mba hanompo ny Tompo
ireo vahoaka sy ireo fanjakana!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 46-50)

Izay kely indrindra eo aminareo no ho lehibe indrindra.

Tamin’izany andro izany,
nisy hevitra tonga tao an-tsain’ireo mpianatra,
dia ny amin’izay lehibe aminy.
Fantatr’i Jesoa ny hevitra tao am-pony,
ka naka zaza kely anankiray Izy napetrany teo anilany,
dia hoy Izy tamin’izy ireo:

“Na iza na iza mandray itony zaza kely itony amin’ny Anarako
dia mandray Ahy,
ary na zovy na zovy mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy;
fa izay kely indrindra eo aminareo rehetra
dia izy no lehibe.”

Dia niteny i Joany nanao hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
nahita olona anankiray nandroaka demony tamin’ny Anaranao izahay,
ka noraranay,
satria tsy namantsika izy.”

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Aza raràna,
fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...