Vakiteny voalohany
Bokin’i Barôka (Bar. 4, 5-22. 27-29)
Ilay nahatonga loza taminareo, dia hahatonga hafaliana mandrakizay aminareo.
Matokia, ry oloko, fahatsiarovana an’i Israely ô!
Ny nivarotana anareo tamin’ny firenena, tsy mba ny haringana;
fa ianareo nihantsy ny fahatezeran’Andriamanitra,
no nanolorana anareo ho an-tanan’ny mpampahory.
Satria nampahatezitra an’Ilay nanao anareo ianareo,
tamin’ny nanoloranareo sorona tamin’ny demony,
fa tsy tamin’Andriamanitra.
Nanadino an’Ilay namelona anareo ianareo, dia Andriamanitra mandrakizay,
ary nampalahelo an’ilay nitaiza anareo, dia i Jerosalema;
fa hitany miantefa aminareo ny fahatezeran’Andriamanitra, ka nilaza izy hoe:
“Mihainoa, ianareo mifanolo-bodirindrina amin’i Siôna,
fa nanirahan’Andriamanitra fisaonana lehibe aho.
Hitako ny fahababoan’ny zanako lahy aman-janako vavy;
sy izay nampiharin’Ilay mandrakizay tamin’izy ireo.
Tamin-kafaliana no nitaizako azy ireo,
fa tamin-dranomaso amam-pisaonana kosa no namelako azy handeha.
Aza dia misy mifaly e,
saingy mahita ahy mpitondra-tena sy nilaozan’ny maro be!
Efa lao aho noho ny fahotan’ireo zanako,
satria izy ireo nivily nandao ny lalàn’Andriamanitra.Matokia, anaka, miantsoa ny Tompo,
fa hahatsiaro anareo Ilay nahatonga izany loza rehetra izany taminareo.
Fa toy ny niheveranareo ny hanalavitra an’Andriamanitra
no hikatsahanareo Azy amin-kafanam-po impolo heny
rehefa tafaverina aminy ianareo.
Satria Ilay nahatonga loza taminareo,
dia hahatonga hafaliana mandrakizay aminareo kosa amin’ny famonjeny anareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 68, 33-35. 36-37
Fa ny Tompo mihaino ny mahantra.
Ny ory mahita ka mifaly.
Veloma ny aina, ry mpitady an’Andriamanitra:
fa ny Tompo mihaino ny mahantra;
ny babo tsy hainy hamavoina.
Hidera Azy anie ny tany sy ny lanitra,
ny ranomasina sy izay mihelotrelotra ao!
Fa Andriamanitra hamonjy an’i Siôna
sy hanangana ny tanànan’i Jodà:
ka hisy mponina indray ao,
izay hivolon-tompony tokoa!
Ny taranaky ny mpanompony no handova;
izay tia ny Anarany no honina ao!
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 17-24)
Noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio.
Tamin’izany andro izany,
dia niverina tamin-kafaliana ny roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe:
“Tompo ô,
na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny Anaranao.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Nahita an’i Satana latsaka avy tany an-danitra toy ny varatra Aho.
Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka
mbamin’ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo
ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny.
Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo,
fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio.”
Tamin’izay nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina Izy ka nanao hoe:
“Misaotra Anao Aho, ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany,
noho Ianao nanafina izany tamin’ny mahay sy ny hendry,
fa nanambara azy tamin’ny zaza madinika kosa.
Eny, Raiko, fa izany no sitraponao.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra,
ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray,
na ny Ray afa-tsy ny Zanaka
sy izay tian’ny Zanaka hanambarana Azy.”
Dia nitodika tamin’ny mpianany Izy ka nilaza taminy manokana hoe:
“Sambatra ny maso mahita izay hitanareo;
fa lazaiko aminareo
fa maro ny mpaminany sy ny mpanjaka naniry hahita izay hitanareo,
fa tsy nahita,
ary handre izay renareo fa tsy nandre.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.