Vakiteny voalohany
Bokin’i Nehemia (Nehem. 2, 1-8)
Raha mba nahita fitia teo anatrehan’ny Mpanjaka aho dia mba alefaso any an-tanindrazako hanamboarako azy.
Tamin’ny volana Nisàna,
taona faharoapolo nanjakan’i Artakserksesa mpanjaka,
raha ilay efa mby teo anoloany iny ny divay,
dia noraisiko izaho Nehemia ny divay ka natolotro ny mpanjaka,
ary nitandrina aho mba tsy halahelo teo anatrehany.
Ka hoy ny mpanjaka tamiko:
“Nahoana itý ianao no malahelo tarehy,
kanefa tsy marary tsinona?
Tsy inona izao, fa alahelon’ny fo mihitsy!”
Nivadi-po terý aho, ka namaly ny mpanjaka hoe:
“Ho velona mandrakizay anie ny mpanjaka!
Hataoko ahoana no tsy falahelo tarehy,
kanefa ny tanàna nisy ny fasan-drazako rava
ary ny vavahadiny levon’ny afo?”
Dia hoy ny mpanjaka tamiko:
“Inona no tianao hangatahina amiko?”
Nivavaka tamin’Andriamanitry ny lanitra aho,
dia namaly ny mpanjaka hoe:
“Raha sitraky ny mpanjaka
ka mba nahita fitia eo imasony koa itý mpanompony
dia alefaso aho ho any Jodà,
any amin’ny tanàna misy ny fasan-drazako
mba hanamboarako azy indray.”
Nipetraka teo anilany koa ny mpanjakavavy tamin’izay,
ary hoy ny mpanjaka tamiko:
“Haharitra ohatrinona ny dianao,
ary rahoviana no hiverina ianao?”
Dia sitraky ny mpanjaka ny handefa ahy,
ka nilaza fetr’andro taminy aho.
Ary hoy koa aho tamin’ny mpanjaka:
“Raha sitraky ny mpanjaka,
aoka homena taratasy aho,
ho an’ny governora any an-dafin’ny ony,
mba hamelany ahy handeha,
mandra-pahatongako any Jodà,
ary taratasy anankiray koa
ho an’i Asafa mpitandrina ny alan’ny mpanjaka,
mba hanomezany hazo ahy, hanaovana sakamandimby
hatao amin’ny varavaran’ny trano mimanda manoloana ny tempoly
sy hatao amin’ny mandan’ny tanàna,
mbamin’ny trano hihatahako.”
Dia nomen’ny mpanjaka ahy izany,
fa nomba ahy ny tanana manambin’Andriamanitro.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 136, 1-2. 3. 4-5. 6
Aoka hipetaka amin’ny lanilaniko ny lelako, raha tsy mahatsiahy anao aho!
Teo amoron’ny onin’i Babela,
nitorovoka izahay, nitomany mafy nahatsiahy an’i Siôna!
Ny lokanganay nahantonay
tamin’ny hazomalahelo izay teny.
Dia avy ny mpamabo
nangataka hira,
ny mpifaoka anay nangata-pifaliana:
“Ihirao hiran’i Siôna hoe izahay!”
Fa dia hataonay ahoana
no fihira ny hiran’ny Tompo atý an-tanin’olona?
Raha sanatria manadino anao aho, ry Jerosalema,
aoka ho maina ny tanako.
Aoka hipetaka amin’ny lanilaniko ny lelako,
raha tsy mahatsiahy anao aho,
raha tsy ianao, ry Jerosalema,
no hany antom-pifaliako!
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy, ka tariho amin’ny fahamarinanao aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 57-62)
Hanaraka Anao aho, na aiza na aiza halehanao.
Tamin’izany andro izany,
raha mbola teny an-dalana ho any Jerosalema i Jesoa sy ny mpianany,
dia nisy olona anankiray nilaza taminy hoe:
“Hanaraka Anao aho,
na aiza na aiza halehanao.”
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Ny amboadia manan-davaka,
ary ny voromanidina manana akany;
fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany.”
Ary hoy Izy tamin’ny anankiray hafa:
“Manaraha ahy.”
Dia izao no navalin’io:
“Aoka aloha, Tompoko,
handevina ny raiko aho.”
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy,
fa ianao kosa mandehana mitory ny Fanjakan’Andriamanitra.”
Dia nisy iray hafa koa nanao taminy hoe:
“Hanaraka Anao aho, Tompoko,
fa aoka aloha hanao veloma ny ao an-tranoko aho.”
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Rahefa mety ho mpitana angadin’omby miherika,
dia tsy sahaza ny Fanjakan’Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.