Vakiteny voalohany
Boky Faharoan’ny Mpanjaka (2 Mpanj. 4, 8-11. 14-16a)
Olo-masin’Andriamanitra iny koa aoka honina eto.
Indray andro i Elisea nandalo tany Sonàma.
Ary nisy vehivavy mpanan-karena anankiray tao
niangavy mafy taminy hisakafo
ka isaky ny nandalo izy dia nankao aminy hisakafo.
Ary hoy ravehivavy tamin’ny lahy:
“Indro fantatro fa olo-masin’Andriamanitra
iny mpandalo eto amintsika matetika iny.
Ka handeha isika hanao efitrano kely avo manolotra ny rindrina ho azy,
dia asiantsika farafara iray, latabatra iray, seza iray, ary fanaovan-jiro iray ao, ho azy,
mba hihatahany isaky ny tonga aty amintsika izy”.
Dia tonga tao Sonàma i Elisea indray andro,
ka nipetraka tao amin’ilay efitrano avo sy nandry tao.
Ary hoy i Elisea:
“Ka inona àry no hatao ho azy?”
Dia hoy ny navalin’i Giezi:
“Zanaka no tsy ananany ary ny lahy efa antitra”.
Ary hoy i Elisea:
“Antsoy àry izy”.
Dia nantsoiny izy ka nijanona teo am-baravarana;
ka hoy i Elisea taminy:
“Raha afaka herintaona amin’izao fotoana izao,
dia hisafosafo zazalahy ianao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo fandinihana
Sal. 88, 2-3. 16-17. 18-19
Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon’ny Tompo.
Ny fitiavanao, ry Tompo,
hohiraiko mandrakizay;
ny fahamarinanao
hambarako amin’ny taona rehetra.
Vavako no niteny, hoy Ianao:
Voaorina mandrakizay ny fitiavako,
ary ny fahamarinako
voajoro ho toy ny lanitra!
Sambatra izay vahoaka mahay mihoby,
ilay mandroso amin’ny hazavan’ny Tavanao,
mifaly amin’ny Anaranao tontolo andro,
sy mientana amin’ny fitiavanao ny rariny.
Satria Ianao no reharehan’ny heriny,
ary ny fitiavanao, ry Tompo, no tabihanay.
Eny fa ny Tompo no Andrianay,
ilay Masin’i Israely no Mpanjakanay!
Vakiteny faharoa
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 6, 3-4. 8-11)
Niara-nilevina taminy tamin’ny Batemy isika, ka handeha amin’ny fiainam-baovao koa.
Ry kristianina havana,
moa tsy fantatrareo va fa isika rehetra natao Batemy ho amin’i Kristy Jesoa
dia natao Batemy ho amin’ny fahafatesany?
Koa niara-nilevina taminy tamin’ny Batemy ho amin’ny fahafatesana isika,
mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy ho velona, tamin’ny voninahitry ny Ray,
no handehanantsika amin’ny fiainam-baovao koa.
Ary raha niara-maty tamin’i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa,
sady fantatsika fa rehefa nitsangan-ko velona Izy dia tsy maty intsony,
tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
Satria ny fahafatesana moa, dia fahafatesana indray maka ny amin’ny fahotana;
fa ny fahavelomany kosa, dia fahavelomana ho an’Andriamanitra.
Ary aoka ho toy izany koa ianareo
ka hanao ny tenanareo ho toy ny efa maty ny amin’ny fahotana,
fa velona kosa ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo.
Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 37-42)
Izay tsy mitondra ny hazofijaliany dia tsy mendrika Ahy. Izay mandray anareo mandray Ahy.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao tamin’ny mpianany hoe:
“Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho Izaho,
dia tsy mendrika Ahy;
ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho Izaho,
dia tsy mendrika Ahy.
Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy,
dia tsy mendrika Ahy.
Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy,
fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy.
Izay mandray anareo, mandray Ahy;
ary izay mandray Ahy, dia mandray Izay naniraka Ahy.
Izay mandray ny mpaminany noho izy mpaminany,
dia hahazo valisoan’ny mpaminany;
ary izay mandray olo-marina noho izy olo-marina,
dia hahazo valisoan’ny olo-marina;
ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran’ny kapoaka monja aza
hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinika indrindra ireo,
noho izy mpianatro,
dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.