♦ Hitombo ny isan'ireo Solombavam-bahoaka handrafitra ny Antenimieram-pirenena. Misy ny kajikajy pôlitika ataon'ny fitondrana amin'izany, hoy ireo mpisehatra pôlitika sasantsasany... ♦ Nanamafy ny hirosoana amin'ny fampiharana ilay lalàna vaovao ho an'ireo mpanolana zaza ny Filoham-pirenena, androany... ♦ Nitombo avo enina heny, raha mitaha tamin'ny telo taona lasa, ireo Malagasy manao fizahan-tany anatiny. Tafakatra 63.000 ny isan'izy ireo tamin'ny taona 2023, araka ny antontan'isan'ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahan-tany...
♦ Hitohy hatramin'ny rahampitso ny oram-baratra amin'ny tapany atsimon'ny nosy. Mahazo fampitandremana miloko mena ny Faritra Atsimo-Atsinanana sy ny Distrika sasany ao amin'ny Faritra Anosy, Atsimo-Andrefana ary Menabe... ♦ Nampitomboana iray ka lasa 120 ny isan'ny disitrika eto Madagasikara. Natsangana ho distrika nandritra ny filan-kevitry ny ministra omaly ny ao Antanimora-Atsimo... ♦ Lesoka amin'ny fanomezana traik'efa ny tanora eto amintsika hoy nySendikan'ny Indostria eto Madagasikara ny tsy fahafahan'ny orinasa amin'ny sehatra tsy miankina mandray tanora manao fizaran'asa... ♦ Miantso ny fampisaharana haingana ny ady any Gaza ny fanjakàna any Chine...
♦ Nanao hetsika nanapaka lalana sy nandoro kodiarana omaly ny andian'olona eny amin'ny Fokontany Andohatapenaka-I ao Antananarivo renivohitra. Misy mivarotra an-tsokosoko ny tanin'izy ireo ka manaitra ny tompon'andraikitra mahefa izy ireo hanara-maso akaiky izany... ♦ Hanome tantsoroka ny federasiôna ivondronan'ny vehivavy mpandraharaha ao amin'ny faritry ny COMESA amin'ny fanatontosana ny tsenabe iraisam-pirenena Trade Fair andiany fahadimy atao eto Madagasikara ny ministera misahana ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra... ♦ Miatrika ny fanadinam-panjakàna fihodinana faharoa ireo mpianatry ny CNETMAD manodidina ny 17.000 miparitaka amin'ny ivon-toerana miisa 51 manerana ny Nosy...
♦ Hanome tantsoroka ny federasiôna ivondronan'ny vehivavy mpandraharaha ao amin'ny faritry ny COMESA, amin'ny fanatontosana ny tsenabe iraisam-pirenena Trade Fair faha-5 hatao eto amintsika, ny Minisitera Misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra... ♦ Miatrika ny fanadiam-panjakana fihodinana faharoa, ireo mpianatry ny CNTEMAD manodidina ny 17.000 miparitraka amin'ny ivontoerana 51 manerana ny nosy... ♦ Nidina an-dalambe nanapaka làlana sy nandoro kodiarana androany, ireo andian'olona monina eny Andohatapenaka voalohany. Nambaran'izy ireo fa nisy nivarotra ny taniny...
♦ Notendren'ny Papa François hiandraikitra ny Siège Titulaire d'Ursona ny Kardinaly Angel Fernandez Artime, lehiben'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco eran-tany. Ny 20 avrily izao no ametrahana azy amin'izany toerana izany... ♦ Hahazo vahana hatrany ny oram-baratra any amin'ny tapany atsimon'ny nosy noho ny fisian'ilay faritra andro ratsy ao amin'ny lakan-dranon'i Môzambika. Mahazo fampitandremana miloko mena ny Faritra Atsimo Atsinanana, Faritra Atsimo Andrefana, miampy an'i Morondrava sy Taolagnaro... ♦ Mbola miaina anaty tebiteby ireo olona manana toe-batana varira amin'izao fotoana izao. Miisa efatra indray tao anatin'ny roa volana ny tranga fakàna ankeriny nihatra tamin'izy ireo...
♦ Manamafy ny fiara-miasa ny Eglizy Katôlika aty Afrika sy ny vondrona Afrikanina. Amperin'asa indray ankehitriny ny biraom-pifandraisan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka Afrika sy Madagasikara amin'ny Vondrona Afrikanina ao Addis Abeba any Etiopia... ♦ Notanterahana teny amin'ny fidasin'ny lapan'ny tanànan'Antananarivo teny Analakely ny lanonam-panjakàna fandraisana ny fahefana sy nanolorana samboady ny PDS ho an'ny kaominina Antananarivo Renivohitra Ramanambitana Richard. Nametraka izany ny Prefet an'Antananarivo, ny jeneraly Angelot Ravelonarivo... ♦ Manomboka anio ny fanokafana ny fankalazana ny andron'ny 8 marsa ao Toamasina...
♦ Manamafy ny fiaraha-miasa ny Eglizy Katôlika aty Afrika sy ny Vondrona Afrikanina. Amperin'asa indray ankehitriny ny Biraom-pifandraisan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy Madagasikara amin'ny Vondrona Afrikanina ao Addis-Abeba... ♦ Notanterahana teny amin'ny fidasian'ny Lapan'ny Tananan'Antananarivo teny Analakely, ny lanonam-panjakana fandraisana fahefana sy nanolorana samboady ny PDS an'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Ramanambitana Richard...
♦ Hifandanja tsara ny tanjaky ny fitondràna sy ny mpanohitra amin'ny fifidianana amin'ny 29 mey, raha ny hevitry ny antoko Fiombonana. Tsy hamaritra izany ny voka-pifidianana tamin'ny volana novambra, hoy izy ireo... ♦ Nahasahana ny sakafon'ny voafonja ny fambolena tao amin'ny Camp Pénal ao Moramanga sy Vatomandry. Nitsidika ireo toerana ireo ny Ministry ny Fitsaràna ny faran'ny herinandro teo, nahita izany fivoarana izany... ♦ Efa natolotra ny sampan-draharaha misahana ny heloka mamoafady eo anivon'ny Pôlisim-pirenena i Da-Willy, ilay nanolana zaza 6 taona teny Imerintsiatosika. Voasambotra teny Anosibe androany vao maraina be izy...
♦ Efa nivoaka tanteraka any an-dranomasina ny foiben'ilay andro ratsy nandalo tany avaratry ny nosy. Hiitatra any amin'ny faritra avaratra-andrefana ny rotsak'orana aterany ato anatin'ny roa andro manaraka hoy ny Météo... ♦ Hanapan-kevitra amin'ny tohin'ny fitakiany ny Zoma izao ny sendikan'ny mpiraki-draharaham-pitsaràna eto Madagasikara. Ampy izay ny fampanantenana tsy nahitam-bokany hoy ny filohany... ♦ Nametraka fanamby ny hamerina hasina an'Antananarivo ny filhan'ny delegasiôna manokana, omaly. Nomen'ny filoham-pirenena baiko sahady izy, hanala ny fakon'Antananarivo atao anatin'ny 7 ka hatramin'ny 10 andro...
♦ Tsy nisy hatramin'izao ny valin-teny mahafa-po avy amin'ny Minisitry ny Fitsarana, manoloana ny fitakian'ny sendikàn'ny Mpirakidraharaham-pitsarana eto Madagasikara. Hivory ary handray fanapahan-kevitra ny sendikà, ny zoma 22 marsa 2024... ♦ Nanao tsindrom-paingotra ho an'ny zandary, manolona ny kolikoy eny an-dalambe, ny Praiminisitra Ntsay Chrisitan androany, nandritra ny famindram-pibaikoana teo amin'ny Kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena... ♦ Raikitra ny hazalambo atao amin'ilay lehilahy nanolana zazavavy kely 6 taona, tao Imerimandroso Imerintsiatosika...
♦ Manasa antsika hivavaka ho an'ireo manao martiry ny tenany, ny Papa François, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahanan'ny Papa maneran-tany, ho an'ity volana marsa ity... ♦ Hankalaza ny faha-10 taona nijoroany ny EKAR Notre-Dame de Lourdes Ambohimasina, ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe... ♦ Mila volena ao anatin'ny tsirairay sy ny manodidina azy ny toe-tsaina hanitatra ny tranoben'Andriamanitra, hoy ny Papa François, tamin'ny vavaka Angélus omaly...
♦ Kandidà voalohany natolotry ny vondrona Firaisan-kina amin'ny fifidianana solombavambahoaka ao amin'ny boriborintany fahaefatra ao Antananarivo Renivohitra i Rina Andriamasinoro... ♦ Vita sonia teny amin'ny Lapam-panjakàna Mahazoarivo ny fifanaovan-tsonia fifanarahana ara-bola mitentina 88 tapitrisa Euros teo amin'i Madagasikara sy Frantsa amin'ny alalan'ny AFD sy ny vondrona Eraopeanina... ♦ Fonjan'i Vatomandry : omena fiofanana arak'asa mamaly ny filan'ny mponina any an-toerana ireo voafonja, hiomanany sahady ihany ko amin'ny fiverenana eny anivon'ny fiaraha-monina aorian'ny fahavitan'ny sazy... ♦ Miangavy mafy ireo rehetra tompon'andraikitra amin'ny ady any amin'ny Faritra Proche-Orient Ny Papa mba hampitsahatra ny ady...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco