Boky faharoan’ny Tantara (2 Tant. 36, 14-16. 19-23)
Tamin’izany andro izany,
ny lehiben’ny mpisorona rehetra mbamin’ny vahoaka koa,
nandroso nanao fahadisoana manaraka ny fahavetavetan’ny hafa firenena,
sy nandoto ny Tranon’ny Tompo, izay efa nohamasininy, tao Jerosalema.
Malaky sady matetika no nampitondra teny fananarana tany amin’izy ireo,
ny Tompo Andriamanitry ny razany, tamin’ny alalan’ny irany,
fa nangoraka ny vahoaka sy ny Fonenany Izy.
Kanjo nihomehezan’izy ireo ny irak’Andriamanitra,
notsiratsirainy ny teniny, ary novazivazìny ny mpaminaniny,
mandra-pihàtran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny vahoakany tsy azo notohaina intsony.
Nodorany ny Tranon’Andriamanitra, noravany ny mandan’i Jerosalema,
notselarany afo ny lapa rehetra teo, ary nosimbany ny fanaka saro-bidy rehetra.
Nentin’i Nabokôdônôzôro ho babo tany Babilôna ny olona sisa tsy matin-tsabatra,
ka tonga mpanompon’izy sy ny zanany ireny, mandra-panjàkan’ny mpanjakan’i Persa.
Izany no nahatanterahan’ny tenin’ny Tompo, tamin’ny vavan’i Jeremia hoe:
“Mandra-pahazon’ny tany ny onitry ny sabatany,
dia hitsahatra izy mandritra ny fotoana nahafoana azy,
dia mandra-pahafenon’ny fitopolo taona”.
Ary tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa, mpanjakan’i Persa,
dia namporisihin’ny Tompo ny fanahin’i Sirosa mpanjakan’i Persa
mba hahatanteraka ny tenin’ny Tompo tamin’ny vavan’i Jeremia,
ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra hiely eran’ny fanjakany izao teny izao:
“Izao no lazain’i Sirosa mpanjakan’i Persa:
Efa nomen’ny Tompo Andriamanitry ny lanitra ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany:
ary efa nandidy ahy Izy, hanao trano ho Azy any Jerosalema.
Koa iza avy moa aminareo no vahoakany?
Homba azy anie Andriamanitra Tompony, ary aoka hiakatra izy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 136, 1-2. 3. 4-5. 6
Teo amin’ny onin’i Babilôna izahay nitorovoka,
nahatsiahy an’i Siôna ka nitomany.
Tamin’ny hazomalahelo izay teny
no nahantonay ny lokanganay.
Dia tonga ny mpamabo nangataka hira,
nasain’ireo mpampahory hifaly izahay:
“Anaovy hira izahay, hoy izy,
ihirao hiran’i Siôna!”
Dia an-tanin’olona ve izahay
no hihira ny hiran’ny Tompo?
Raha manadino anao aho, ry Jerosalema,
aoka ho maina ny tanako!
Ny lelako hipetaka amin’ny lanilaniko,
raha tsy mahatsiahy anao aho,
raha tsy ianao, ry Jerosalema,
no hany antom-pifaliako!
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 2, 4-10)
Ry kristianina havana,
Andriamanitra izay manan-karena amin’ny famindram-po,
noho ny halehiben’ny fitiavana izay nitiavany antsika,
na dia fony mbola matin’ny fahotana aza isika,
no nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);
niara-natsangany isika, sy niara-napetrany amin’i Jesoa Kristy any an-danitra,
mba hanehoany amin’ny andro ho avy ny haben’ny harem-pahasoavany,
amin’ny hatsaram-pony amintsika ao amin’i Kristy Jesoa.
Satria ny fahasoavana no namonjena anareo, noho ny finoana,
ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra,
tsy avy amin’ny asa, fandrao misy mirehareha.
Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa,
mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Dera sy laza anie ho Anao, ry Kristy Mpanavotra anay.
Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana; mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
Dera sy laza anie ho Anao, ry Kristy Mpanavotra anay.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 14-21)
Tamin’izany andro izany i Jesoa
niteny tamin’i Nikôdema nanao hoe:
“Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra
no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’Olona koa,
mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay”.
Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao:
ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy,
fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao,
mba hitsara an’izao tontolo izao, fa mba hamonjy an’izao tontolo izao.
Izay mino Azy dia tsy tsaraina; fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo,
satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana.
Ary izao no fitsarana: tonga amin’izao tontolo izao ny fahazavana,
nefa naleon’ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana,
satria ratsy ny asany.
Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana,
ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany;
fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana,
mba hiharihary ny asany, fa atao amin’Andriamanitra.
— Izany ary ny tenin’ny Tompo.
♦ Kandidà tokana sy iraisana no hatolotry ny vondrona Firaisankina, amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, manerana ny nosy... ♦ Ny 5%-n'ny zava-manana aina maneran-tany, dia eto Madagasikara avokoa, zava-dehibe araka izany ny fanamafisana ny vahaolana amin'ny fiarovana ireo karazan-java-manana aina ireo, hoy ny Minisitra Max Andonirina Fontaine... ♦ Nanamafy ny fitakian'ireo mpianatra nivoaka teo anivon'ny IFIRP, amin'ny tokony handraisana ho mpiasam-panjakana azy ireo, ny sendikàn'ny mpiasa SISFM...
alahady fahatelo amin'ny karemy : tsy mamela hipetra-poana ny fitiavana an'Andriamanitra ; lehibe tokoa ny fitiavan'Andriamanitra an' izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany lahitokana mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino azy. Ny tena tenimpoly dia i Jesoa izay misy ny Ray ; tsy azo vidim-bola Andriamanitra, nitondra ny tenin'Andriamanitra Rainy i Jesoa, miantefa amintsika ihany koa izany ka arovy mba tsy ho fitadiavam-bola ny fiangonana fa mba fampandrosoana araka ny tokony ho izy sy araka ny finoana no hatao ao. Mila miezaka isika mba tena fanamasinan-tena sy vavaka no haleha any am-piangonana, mila meneho finoana isika rehetra amin'izay hatao sy ny fihetsika. Mila manao ezaka isika mba hanadio ny fo sy ny vatana ary ny fanahy.
♦ Tsy marisarisa ny fifandraisan'ny CENI amin'ny mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena manohana ny fifidianana eto Madagasikara. Azo iatrehana ny fifidianana amin'ity taona ity ny 44 miliara Ariary natokan'ny fanjakàna ho amin'izany hoy ny filohany, Dama Arsène Andrianarisedo... ♦ Hanolotra kandidà solombavambahoaka ao amin'ny vovonana IRD ny fikambanana Emergence de Madagascar... ♦ Manohana ny tantsaha Malagasy amin'ny fampiroboroboana ny fiompiana omby sy ny ondry aman'osy any amin'ny Faritra atsimon'ny nosy ny ao amin'ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana... ♦ Hanome fanampiana ho an'ny mponina any Gaza i Etazonia ; miantso an'i Israel hamela malalaka ny fidiran'ny fanampiana izy ireo...
♦ Niakatra 3,92% ny isan'ny mpifidy voasoratra anarana nandritra ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy nifarana vonjy maika ny 28 febroary teo, raha ny tatitry ny CENI omaly... ♦ Nodinihina sy nakan-kevitra tao Taolagnaro tamin'ny alalan'ny atrik'asa nandritra ny roa andro nifarana omaly ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana hena mena any amin'ny Faritra Atsimon'i Madagasikaraka... ♦ Hatsangana ny vondron'ny mpamokatra lavanila maneranan-tany. Resy lahatra ireo ministra sy solontena avy amin'ny firenena mpamokatra lavanila eran-tany nandray anjara tamin'ny fivoriana tany ABHU DHABI renivohitr'i Emirats Arabes Mitambatra... ♦ Tontosa omaly ny fandevenana ny nofo mangatsiakan'i Alexey Navalny...
♦ Niakatra 3,92% ny isan'ny mpifidy voasoratra anarana anaty lisitry ny mpifidy, tamin'ny fanavaozana isan-taona ny lisitra, izay nifarana vonjy maika ny 28 febroary 2024, raha ny tatitry ny CENI androany... ♦ Nodinihina sy nakan-kevitra tao Tolagnaro, tamin'ny alalan'ny atrikasa nandritra ny roa andro, ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana hena mena, any amin'ny fatritra atsimon'i Madagasikara... ♦ Nanainga androany teto Antananarivo, nihazo ny Faritra Atsinanana, ny hetsika “Caravane de Santé” karakarain'ny fikambanana Fitia sy ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka...
♦ Hotanterahina ny alahady 14 aprily 2024 ny fanamasinana ho eveka an’i Mgr Jean Désiré Razafinirina, Evekan’ny Diôsezin’ny Morombe… ♦ Hotanterahina ny 9 sy ny 10 marsa izao ny Andron’ny Vehivavy Misiônera Katôlika eto amin’ny Diôsezin’Antananarivo… ♦ Toetra mila fongorana ny fitsiriritana sy ny fitadiavana voninahitra foana, hoy ny Papa François, tamin’ny Audience générale ny alarobia lasa teo… ♦ Niverina ao Vatican ny Papa François, rehefa avy nanao ny fizahana ara-pahasalamana…
♦ Nahitana taham-piakarana 3,92% ny fisoratana anarana, raha mitaha amin'ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy farany. Izany hoe misy mpifidy vaovao miisa 432.578 ao anaty lisitra... ♦ Natomboka ôfisialy androany, tao amin'ny seranan-tsambon'i Mahajanga Be ao Mahajanga I, ny fanjonoana makamba... ♦ Nahatratra 44 ny isan'ireo ankizy tsy hita naharaisan'ny Pôlisim-pirenena misahana ny zaza tsy ampy taona fitarainana, tao anatin'ny roa volana, ho an'ny teto Antananarivo Renivohitra...
♦ Hamoaka ny antontan'isa vonjy maika amin'ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy, ny CENI Foibe, anio maraina. Manana 20 andro hitsirihana ny lisitra eny amin'ny fokontany, ireo olom-pirenena... ♦ Vonona hanome tànana ireo tanora mpandraharaha liana amin'ny fananganana orinasa, ny tetikasa SEEED. Hisokatra anio ary haharitra 22 andro ny fandraisana ny antonta-taratasin'ireo maniry hanaraka izany... ♦ Mitombo ny isan'ireo olona marary saina ary miha-tanora izy ireny...
♦ Niantsy Lehiben'ny Distrika imasom-bahoaka indray ny olom-boafidy iray tany Mahajanga, tao aorian'ilay tranga tany Fianarantsoa. Tsy niandry ela fa naneho hevitra ny sendikàn'ny Andministrateurs civils... ♦ Mbola tsy voatendry ihany izay ho PDS hitantana an'Antananarivo Renivohitra. Mety tsy manana olona ny fitondrana, na tsy laharam-pahamehana ho azy ireo Antananarivo, hoy ny antoko Humaniste Ecologique... ♦ Maherin'ny 16.000 ny kapila mangirana hosoka, nogiazan'ny Brigade Anti-Piratage, nandritra ny taona 2023. Olona 86 no tratra nanao izany ary efa natolotra ny fampanoavana...
♦ Maro amin'ireo solombavambahoaka amperin'asa amin'izao fotoana izao no mbola hirotsaka ho kandidà amin'ny fifidianana amin'ny 29 mey 2024 ho avy izao. Isan'izany ny solombavambahoakan'i Betroka sy Vohipeno... ♦ Nametraka fototra tsara ho an'ny fampandrosoana ny tanàna an'Antananarivo ny ben'ny tanàna teo aloha Naina Andriantsitohaina hoy Ramatoa Lalatiana Ravololomanana. Tanteraka avokoa ny 86 tamin'ireo fanapahan-kevitra noraisin'ny filan-kevitry ny tanàna miisa 128... ♦ Handray anjara amin'ny dinika ara-diplômasia ho an'ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana hatao any Turquie ny delegasiôna Malagasy hotarihan'ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina...
Ny fanantenana dia mitondra amin'ny finoana ary ny finoana manova ny zavatra ho amin'ny tsara. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco