♦ Mbola tsy levona ao amin'ny Ranomasimbe Indiana ilay rivo-doza Eleanor. Tombanana hitondra rotsak'orana amin'iny morontsiraka atsinanana sy atsimo atsinanan'ny nosy izy, manomboka anio alatsinainy... ♦ Hiatrika ny Andron'ny Sekoly, ny mpianatra rehetra amin'ity herinandro ity... ♦ Nahatratrarana zava-mahadomelina mahery vaika "cocaïne", 64 kilao sy 32 grama tany Toamasina. Olona telo no nosamborin'ny Pôlisy amin'izao raharaha izao. Nalefa eny amin'ny fonjaben'i Tsiafahy izy ireo...

♦ Nizara ho roa ny vondron'ny kandidà 11. Ny tsy fitovian-kevitra momba ny fitarihana ny vondrona no antony, hoy Andriamatoa Marc Ravlomanana, mpitarika ny Vovonana Firaisankina... ♦ Mila mampiasa vola eo amin'ny lafiny maha olona sy mampiroborobo ny famoroanana asa i Madagasikara, raha te hampihena ny tahan'ny fahantrana ao aminy, hoy ny Banky Iraisam-pirenena... ♦ Mitohy ny hetsika fankalazana ny faha-100 taona nijoroan'ny Antilin'i Madagasikara. Nitohy tamin'ny fambolen-kazo izany androany...

♦ Nampidirina am-ponja vonjimaika ny 18 izay ahitana teratany Sinoa 4, ankoatra ireo nahazo fahafahana vonjimaika sy ireo mbola eo ambany fanaraha-mason'ny Fitsarana. Io no didim-pitsarana momba ireo olona 169 voatazona noho ny fanjonoana an-tsokosoko tany amin'ny fari-dranomasin'i Seychelles... ♦ Hanolotra kandidà iraisana amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, ny Vovonana Firaisankina, izay najoron'ireo ampahany tamin'ny vondron'ireo kandidà filoham-pirenena farany teo...

♦ Nivondrona anaty Vovonana Firaisankina, ny antoko TIM, Pro Siteny, HVM, Tsara Tahafina ary ny Antoko Pôlitika Madio. Handray anjara amin'ny fifidianana Solombavam-bahoka izy ireo, ka hanolotra kandidà iraisana amin'ny distrika 119 manerana ny nosy... ♦ Efa azo lazaina ho milamindamina ny Distrikan'i Belo-Sur-Tsiribihina, Faritra Menabe, raha nanjakan'ny asan-dahalo sy ny vono olona, teo aloha... ♦ Hotanterahana ny 20 hatramin'ny 23 jona 2024, etsy amin'ny CCI Ivato, ny andiany faha-10 amin'ny hetsika ITM sy ny andiany voalohany amin'ny IHM...

♦ Notontosaina tao amin'ny Nosy Maurice ny 11 ka hatramin'ny 17 febroary 2024 ny fiofanana sy fampiofanana momba ny fiarovana ny zaza sy ny marefo amin'ny herisetra… ♦ Manatanteraka ny “Fitsidihana miaraka” ho an'ny Faritra Afrika-Madagasikara, any Kigali Rwanda ny Filankevitra Jeneralin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco ny 20 ka 23 febroary 2024… ♦ Manentana ny kristianina hanamafy ny vavaka mba hisian'ny fandriampahalemana any amin'ny faritra atsinanan'ny Repoblika Demokratikan'i Congo ny Fivondronamben'ny Eveka any an-toerana…

♦ Antoka iray hisian'ny fifandanjan-kery amin'ny fifidianana ho avy eo, ny fiarahana sy ny firaisan-kinan'ireo hery sy antoko ivelan'ny fitondrana, hoy ny antoko pôlitika Roso ho an'ny Demôkrasia Sôsialy... ♦ Miaka-bidy, ka eo anelanelan'ny 1100 Ariary hatramin'ny 2500 Ariary, ny vary any amin'ny Distrikan'i Mandritsara... ♦ Notokanana tao amin'ny Distrikan'i Mahanoro, ny rantsan'ny Radio Katôlika Masôva Toamasina...

♦ Voafonja iray mamita sazy any Mandoto, ny iray tamin'ireo olona 54 voatana noho ilay fikomiana nitranga tao Ankazomiriotra, tamin'ny sabotsy teo, hoy ny Lehiben'ny Fampanoavana ao Antsirabe... ♦ Tsy raikitra indray ny hetsika saika hataon'ny Antenimieran'ny Ray aman-dreny ara-drazana sy Foko Malagasy, eny Mahamasina ho an'ny rahampitso sabotsy... ♦ Niampy telo indray ireo faritra miroso mankany amin'ny tany hay, na voakasiky ny fiangazanana eto Madagasikara...

♦ Voasambotra androany teny Mahamasina, ny filoha mpitarika ny Antenimieran'ny Ray aman-dreny Foko Malagasy. Tsy fantatra mazava ny antony, fa mety misy ifandraisany amin'ny hetsika kasaina hotanterahana amin'ny sabotsy izao... ♦ Nomarihana androany 22 febroary, izay daty nahaterahan'ny mpanorina azy, ny Andro maneran-tany ho an'ny Skotisma... ♦ Niampy telo indray ireo faritra miroso mankany amin'ny tany hay na voakasiky ny fiangazanana, eto Madagasikara. Milaza ho tsy mipetra-potsiny ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana, manoloana izany...

♦ Velom-panahiana momba ny ho avin'ny fananan-tany eto Madagasikara ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'izany manoloana ny fampihatoana ny fanomezana tanim-panjakàna ny mponina... ♦ Mbola maro ny tokantrano Malagasy misy Ray sy Reny. Iharan'ny fanavahana sy fanilikilihana ireo renim-pianakaviana miteraka nefa tsy manambady araka ny fanadihadiana natoan'ny UCM niarahany nanatontosa tamin'ireo mpikaroka aty Afrika sy any Frantsa... ♦ Tanterahana eny anivon'ny hopitalim-panjakàna manerana ny nosy nanomboka androany hatramin'ny sabotsy izao ny varavarana misokatra karakarain'ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka... ♦ Nihotsaka ny toeram-pitrandrahana haritany iray tsy ara-dalàna any Venezuela ny talata teo...

♦ Marihana androany ny andro eran-tany ho an'ny skotisma. Hanao hetsika eny amin'ny ANS Ampefiloha ny Antilin'i Madagasikara tafiditra amin'ny fankalazana ny faha 100 taona nijoroany... ♦ Nomarihana omaly koa ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Tenin-dreny. Nisy ny atrik'asa natokana ho an'ny mpanoratra, ny mpikabary ary ny mpikirakira ny teny Malagasy nanamarihana izany... ♦ Niakatra 28% ny tahan'ny fahaiza-mamaky teny tany amin'ireo EPP maherin'ny 10.000 nisitraka ny tetik'asa TAFITA, ary niakatra 25% izany ho an'ny fahaizana kajy... ♦ Niloa-bava momba ny toe-java-misy any Gaza ny tale jeneralin'ny OMS fa tsy misy fanajàna ny zon'olombelona intsony any amin'ity faritra palestiniana ity...

♦ Niakatra 28%, ny tahan'ny fahaiza-mamaky teny tany amin'ireo EPP maherin'ny 10.000 nisitraka ny tetikasa TAFITA, ary niakatra 25% izany ho an'ny fahaizana kajy, tany amin'ireo EPP ireo ihany... ♦ Hiara-hientana amin'ny fahatsiarovana an'i Baden-Powell indray ny Antilin'i Madagasikara, rahampitso 22 febroary, eny amin'ny ANS Ampefiloha... ♦ Mitaky ny fampitsaharana ny fametrahana ny Sekreteram-panjakana ho eo ambany fiahian'ny Fiadidiana ny Repoblika, ireo vondron'ny fiarahamonim-pirenena maromaro...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 18, 18-20)

Andeha hamely azy isika.

Hoy ireo olon-dratsy:

“Andeha, hiray tetika hamely an’i Jeremia isika,
fa tsy ho faty ny lalàna ao amin’ny mpisorona,
na ny hevitra ao amin’ny hendry,
na ny tenin’Andriamanitra, ao amin’ny mpaminany!
Andeha hasiantsika amin’ny vavantsika izy,
ary aza manongilan-tsofina amin’ny teniny isika.”

Atongilano amiko ny sofinao, ry Tompo,
ary henoy ny feon’ireo mandrafy ahy!
Dia ratsy va no havaly ny soa,
no dia mihady lavaka ho an’ny fanahiko izy ireo?
Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao,
hiteny aminao mba ho azy ireo,
hampiala ny hatezeranao amin’izy ireo!

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 30, 5-6. 14. 15-16)

Vonjeo izahay, ry Tompo, noho ny hatsaram-ponao.

Tsoahy amin’ny harato nafenina aho,
fa Ianao no heriko!
Apetrako eo an-tananao ny aiko,
avoty aho, ry Tompo Andriamanitra.

Henoko ny vavan’ny maro,
ka horohoro hatraiza hatraiza!
Miara-mioko izy hahavoa,
mifofo hanala ny aiko.

Fa izaho, ry Tompo, mifefy aminao!
Hoy aho hoe: “Andriamanitro Ianao”,
eo an-tananao ny androko,
afaho amin’ny fahavalo sy mpanenjika aho!

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!

Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 17-28)

Ary ireo hanameloka Azy ho faty.

Tamin’izany andro izany,
raha niakatra ho any Jerosalema i Jesoa,
dia nalainy mangingina ny mpianatra roa ambin’ny folo lahy
ka nilazany hoe:

“Indro miakatra ho any Jerosalema isika,
ary ny Zanak’Olona dia hatolotra amin’ny lohandohan’ny mpisorona
mbamin’ny mpanora-dalàna,
ary ireo hanameloka Azy ho faty,
ka hanolotra Azy amin’ny jentily mba hoesoiny sy hokapohiny
ary hofantsihana amin’ny Hazofijaliana;
fa hitsangana indray Izy amin’ny andro fahatelo.”

Ary tamin’izany nanatona Azy
ny renin’ny zanak’i Zebede mbamin’ny zanany lahy,
ka nitsaoka Azy ary nangataka zavatra taminy.
Ka hoy i Jesoa taminy:

“Inona no irìnao?”

Dia hoy izy:

“Aoka ireto zanako roa lahy ireto
mba hipetraka eo ankavananao ny anankiray
ary eo ankavianao ny anankiray,
ao amin’ny Fanjakanao.”

Dia hoy ny famalin’i Jesoa:

“Tsy fantatrareo izay angatahinareo.
Moa mahasotro izay kapoaka hosotroiko va ianareo?”

Hoy ireo taminy:

“Efanay ihany.”

Ary hoy Izy taminy:

“Raha ny amin’ny kapoakako, dia hosotroinareo tokoa;
fa raha ny amin’ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako kosa,
dia tsy Ahy ny hanome anareo izany,
fa homena izay nanamboaran’ny Raiko azy.”

Ary nony nandre izany izy folo lahy
dia tezitra tamin’izy mirahalahy.
Fa nasain’i Jesoa hanatona Azy izy ireo,
ka nilazany hoe:

“Fantatrareo fa ny mpanjakan’ny jentily mandidy azy mafy,
ary ny lehibeny mifehy azy fatratra.
Fa tsy mba ho tahaka izany aminareo;
fa izay te-ho lehibe aminareo kosa,
no aoka ho mpanompo anareo izy,
ary izay te-ho lohany aminareo,
no aoka ho mpanomponareo:
dia tahaka ny Zanak’Olona izany:
fa Izy tsy tonga mba hotompoina
fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy
ho fanavotana ny maro.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

 

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...