♦ Nazoto nisoratra anarana tao anaty lisitry ny mpifidy ny mponina any ambanivohitra, tamin'ny RAL na ny fanavaozana isan-taona ny lisim-pifidianana... ♦ Hatomboka any Faux Cap Distrikan'i Tsihombe ny sekolin'ny Jono, ary hitarina amin'ny Faritra hafa manerana ny Nosy... ♦ Teknisiana sy tantsaha mpampita miisa 20 minadahy no niofana momba ny fiompiana sy famokarana tantely nandritra ny telo andro... ♦ Nody mandry omaly tany amin'ny fonja nitazomana azy i Alexei Navalny, mpanohitra ny filoha Rosiana Vladmir Poutine... ♦ Teratany Israeliana roa no maty, enina hafa naratra vokatry ny tifitra nataon'ny Palestiniana iray tany Kiryat Malackhi, 30km miala ny tandavan'i Gaza...
♦ Mazoto nisoratra anarana tanaty lisitry ny mpifidy, ny mponina any ambanivohitra, tamin'ny RAL na ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana... ♦ Hatomboka any Faux-Cap, Distrikan'i Tsihombe ny sekolin'ny jono, ary hitarina amin'ny faritra hafa manerana ny nosy... ♦ Teknisianina sy tantsaha mpampiatra miisa 20 mianadahy no niofana momba ny fiompiana sy famokarana tantely, nandritra ny telo andro...
♦ Hisy fiomam-panahy iombonana ho an'ny Kôngresy Eokaristika nasiônaly amin'ny Radio Katôlika manerana an'i Madagasikara... ♦ Ny faharetana amin'ny finoana no hery entina miady amin'ny hakamoana sy ny tsy firaharahiana ny fianana anaty, hoy ny Papa François... ♦ Fiarovana ny tontolo iainana no hetsika ataon'ny tanora ao Ghanà ho fiainana ny karemy...
♦ Hifarana vonjimaika amin'ny faran'ity volana ity ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy. Mandray ny karine avy any amin'ny Fokontany ny CENI ankehitriny, ary mandika ny anarana ao anaty ordinatera... ♦ Mitohy androany eny amin'ny Lapan'ny Akademia Malagasy, eny Tsimbazaza, amin'ny alalan'ny loabary an-dasy ny hetsiky ny FIMPIMA... ♦ Kaominina miisa telo no voakasiky ny tetikasa fanajariana vaovao atao ao Bas-Mangoky, ka manohitra ny fangalana ny taniny ireo mponina...
♦ Hotanterahana manomboka ny alatsinainy 22 jolay 2024, ny fanadinam-panjakana bakalôrea. Efa nisokatra ny 13 febroary ary hifarana ny 26 aprily 2024 amin'ny 6 ora hariva, ny fisoratana anarana ho an'ireo mpiadina... ♦ Nazoto nanoratra ny anarany teo anivon'ny Fokontany ireo olom-pirenena. Hifarana vonjimaika amin'ny faran'ity volana febroary ity, ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy... ♦ Maro ireo lesoka mila harenina amin'ny fomba fiteny sy fitsipika ary fanoratana ny teny malagasy, hoy ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina...
♦ Nifarana vonjimaika androany, ny fampidirana mpifidy anatin'ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana. Nihoatra ny tombana napetraky ny CENI, ny isan'ireo olom-pirenena vaovao voasoratra anaty lisitra... ♦ Mitaky ny hampitsaharana tanteraka ny tetik'asa fitrandrahana fasimainty ataon'ny orinasa Base Toliara, ny firaisan-kinan'ny mponina voakasik'izany... ♦ Mbola mitohy amin'ny toerana maro manerana ny nosy ny rotsak'orana, androany hatramin'ny alahady izao. Faitra maromaro no nahazo fampitandremana avy amin'ny Météo...
♦ Namoizana ain'olona ny orambe misy amin'ny faritra maro eto amin'ny nosy ankehitriny. Teto Antananarivo ny roa ary tany Mandoto ny 2 hafa. Maherin'ny 4.000isa ireo tra-boina hoy ny BNGRC... ♦ Naneho ny tsy fankasitrahana ny hanaovana ny fifidianana eny anivon'ny kaominina aorian'ny fifidianana solombavambahoaka ny fiaraha-monim-pirenena FIVATO. Naneho hevitra toa izany koa ny Humaniste Ecologiste... ♦ Efa milamina ny any Mandoto hoy ny solombavambahoaka Rakotorahalahy Modeste taorian'ny asan-dahalo nahazo laka tany amin'ity distrika iray any Vakinankaratra ity tamin'ny taon-dasa...
Ny fitiavana dia mifototra amin'ireto teny telo ireto : fifampitokisana, fifanajana, fitiavana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Mitombo ny isan'ny tanora eo anelanelan'ny 17 ka hatramin'ny 25 taona mitondra ny tsimok'aretina VIH SIDA eto Madagasikara. Natoritory ny ady atao amin'ity aretina ity taorian'ny valan'aretina COVID hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Mitaraina ireo mpiasa manana toerana ambony any amin'ny orinasa tsy miankina fa niakatra be ny hetra IRSA alaina amin'ny karama... ♦ Mbola malalaka ny tsena ho an'ny famokarana tantely eto Madagasikara. Manana fiaraha-miasa ahafahana manondrana vokatra hatrany amin'ny 18 taonina isan-taona ny ao amin'ny tranoben'ny tantsaha mpamokatra... ♦ Miantso ny fitondrana israeliana hampitsahatra ny fanafihana any Gaza ny filoha Frantsay...
♦ Nitombo be ny isan'ireo olona mitondra ny tsimok'aretina VIH/Sida eto Madagasikara. Ny tanora, indrindra ny zatovovavy 17 hatramin'ny 25 taona, no maro voan'izany... ♦ Hanohana an'i Madagasikara amin'ny adisisika hiarovana ny vidin'ny lavanila eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, ny Fandaharan'asa CIR (Cadre Intégré Renforcé)... ♦ Hamafisina ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin'i Madagasikara sy i Frantsa. Isan'izany ny fanofanana miaramila, misy koa ny fanazaran-tena iarahana amin'ny FAZSOI...
♦ Nahatratra 13 isa ireo trangana fanolanana niseho nanerana an'i Madagasikara hatramin'ny volana janoary no nakaty, tranga izay feno habibiana ny ankamaroany ary misy no miafara hatramin'ny fahafatesan'ilay niharam-boina hoy ny Ministry ny Fitsaràna... ♦ Miisa 20 isa amin'izao ireo olona voamarina fa misandoka ny asan'ny infirmier, sady tsy manana ny fahaiza-manao no tsy manana marim-pahaizana mifandraika amin'izany, raha ny hita tamin'ny fidinana ifotony nataon'ny holafitra... ♦ Hanarina ny fahatarana tamin'ny sehatry ny fampandrosoana ny firenena tato anatin'ny 60 taona ny fitondrana hoy ny filoha Rajoelina Andry raha nandray fitenenana tamin'ilay fihaonana an-tampon'ny governemanta maneran-tany any Emirat Arabes Unis ...
♦ Olona 11 nomoy ny ainy, 25 hafa tsy hita popoka noho ny fisian'ny rano trambo tany amin'ny Distrikan' Benenitra, Faritra Atsimo-Andrefana, araka ny tatitra vonjimaika avy amin'ny BNGRC... ♦ Lavon'ny balan'ny zandary ny ben'ny tanàna ny kaominina ambanivohitra Tsimafana Distrika Belo-sur-Tsiribihina, izy izay voalaza fa isan'ny mpiray tsikombakomba amin'ireo dahalo mpaka ankeriny any an-toerana... ♦ Tafajoro ary nampahafantarina teny Antaninarenina omaly ny vondrona "kolektifan'ny Malagasy hanohy ny tolona nataon'ireo kolektifan'ny kandida tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany teo...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco