♦ Hipaka any amin'ny morontsirak'i Sava, rahampitso tolakandro na alina, amin'ny tanjaka Cyclone Tropical na Cyclone Tropical Intense, ilay rivodoza Gamane niforona tao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Mety hahatratra 150 hatramin'ny 165 km/h ny rivotra hiaraka aminy... ♦ Manentana ny tsirairay handray andraikitra amin'ny fiainam-pirenena amin'ny maha olom-pirenena ny FFKM, amin'ny fifidianana ho avy. Isan'izany ny fijerena sy ny fanamarinana ny anarana ao anatin'ny lisitry ny mpifidy...

♦ Tompon'antoka amin'ny fahapotehana sy ny fahantran'ny firenena ny mpanao pôlitika mpamadika palitao, hoy ny Sekretera Nasiônalin'ny antoko TGV... ♦ Mandray anjara amin'ny fampivoarana ny fanabeazana eto Madagasikara ny orinasa Ravinala Airports. Nanavao ny efitrano sy ny trano famakiam-boky tetsy amin'ny EPP Ivato Tanàna ity orinasa ity... ♦ Nivadika ho rivodoza Gamane, ilay faritra andro ratsy tao amin'ny Ranomasimba Indiana...

♦ Fihetsika fanakorontanana sy fikasana fanonganam-panjakàna no ataon'ny filohan'ny antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa hoy ny solombavambahoaka mivondrona ao amn'ny IRD... ♦ Hamafisina ny fiarovana sy ny fisorohana ny loza etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, nahazo fitaovana ilaina amin'izany avy amin'ny Masoivoho Frantsay ny kaompanian'ny zandarimariam-pirenena Ivato Aéroport... ♦ Nahazo milina fanodinana ny voamaina ho lafarinina ny any amin'ny distrika Ambato-Boeny, tafiditra amin'ilay tetik'asa ODOF izy io... ♦ Nandresy vonjy maika tamin'ny fifidianana filohan'ny repoblika tany Sénegal ny alahady teo ny kandidan'ny mpanohitra Andriamatoa Bassirou Dio Maye Faye...

♦ Fihetsika fanakorontanana sy fikasana hanongam-panjakana no ataon'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa, hoy ny Solombavam-bahoka mivondrona ao amin'ny IRD... ♦ Ho fanamafisana ny fiarovana sy ny ho fisorohana ny loza etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, dia notoloran'ny DCIS, eo anivon'ny Masoivoho frantsay, fiara tsy mataho-dalana, ny Kaompanian'ny Zandarimariam-pirenena etsy Ivato... ♦ Misy andro ratsy miforona any amin'ny 168 km, avaratra atsinananan'i Vohemar...

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

♦ Tsy niandry ela ny valin-kafatra avy amin'ny solombavambahoaka IRD izay mitaky ny fandraisana andraikitra amin-dRamatoa Razanamahasoa Christine filohan'ny antenimieram-pirenena... ♦ Mbola maro ireo fepetra tsy voahaja hahafahana miroso amin'ny fifidianana tena lavitry ny herisetra raha ny zava-misy ankehitriny hoy ny tamba-jotra misoroka ny fifandirana amin'ny fifidianana na ny ROPE... ♦ Misedra olana goavana ny mpiasa malagasy hoy ny eo anivon'ny Valaben'ny Sendikan'ny mpiasa malagasy na ny SSM... ♦ Natokan'ny fitondrana rosiana ho andro fisaonana omaly alahady taorian'ilay asa fampihorohoroana nitranga tao Moscou...

♦ Nanaporofo ny fisarahan-dalana eo aminy sy ny fitondrana ankehitriny ny filohan'ny antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa. Milaza ho vonona sy hijoro ho vahaolana ny tenany saingy mbola tsy namaritra mazava ny dingana ho atao amin'izany... ♦ Miala sasatra noho ny fiatrehana ny herinandro Masina hidirana any amin'ny Paka ny sekoly katôlika eto Madagasikara raha toa ka manohy ny fianarana toy ny mahazatra ny sekolim-panjakàna... ♦ Iniana tsy resahana fa antony iray mampirongatra ny fanolanana ny fahantrana. Misy ireo ray aman-dreny manao sorona ny zanany raha ny fanadihadiana nataon'ny mpanao gazety Rina Raymond... ♦ Nahatsiaro am-bavaka ireo olona 137 maty tao Moscou ny Papa François...

♦ Miantso ny hery velona sy ny ankolafi-politika tsy ankanavaka hanatrika ilay fihaonana hatao eny Tsimbazaza anio ny filohan'ny antenimieram-pirenena. Fihaonana hanehoana ny olana eto amin'ny Firenena sady hikatsahana vahaolana momba izany... ♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny amin'ny fampirantiana eny amin'ny zaridainan'Anosy ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana ny 29 marsa 1947... ♦ Nivory omaly sendikan'ny Mpiraki-draharaham-panjakàna eto Madagasikara. Herinandro no omen'izy ireo ny fitondrana hamaliana ny fitakiana, raha tsy izany handray fepetra amin'ny tohin'ny tolona izy ireo... ♦ Notafihin'ny kômandô mitam-piadiana alina ny efitrano fijerena fampisehoana iray tao Moscou any Rosia, maro ny maty...

♦ Manamarika ny andro iraisam-pirenena ho an'ny famantarana ny toetry ny andro isika eto Madagasikara. Hifarana anio ny hetsika natokana anamarihana izany eny amin'ny Lapan'ny Tanàna Analakely... ♦ Haparitaka eny amin'ny tantsaha ilay karazam-bary Mavitrika vokatry ny fikarohana nataon'ny manam-pahaizana teto Madagasikara sy tany ivelany. Misy ny paik'ady momba izany hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Notolorana fankasitrahana ireo mpianatra teny Japoney mendrika teny amin'ny Oniversite an'Antananarivo. Tsy ampy nefa ny mpampianatra... ♦ Notsipahan'ny rosianina sy ny sinoa tamin'ny alalan'ny didy tsy azo ivalozana ny volavolan-kevitra naroson'i Etazonia, mitaky ny hampihtoana ny ady any Gaza...

Alahadin'ny sampan-kazo : fahatsiarovana ny nidiran'ny Tompo tao Jerosalema sy fandinihana ny nijalian'i Jesoa Kristy. Ho antsika dia nanolon-tena i Kristy, nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana, ho valin'izany dia nasandratr'Andriamanitra ambony indrindra izy ary nomeny anarana ambony mihoatra ny anarana rehetra. Zavatra roa mifanohitra no hita taratra amin'ity fankalazana ity dia fifaliana, fiombiana ary fanamelohana, fivadiham-pitokisana. Misy ny tsy fahamarinana hita taratra tamin'ny fitsarana an'i Jesoa, mbola mitohy ny fijalian'i Jesoa isaky ny mandika izay voalazan'ny Evanjely, isika. Ho antsika izay hiaran'ny tsindry hazo lena dia ohatra ho antsika i Jesoa, banjino izy, raha mino isika dia hiara-velona aminy...

Ny fanantenana dia ilaina foana eo amin'ny fiainana satria hananana tanjona, ary tsy misaraka amin'ny finoana na dia kely aza izany finoana izany hahavitana zavatra goavana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Tsy midika ho endrika fanjanahana ny fisokafana sy fiarahana amin'ireo tany miteny frantsay, hoy ny Filohan'ny Antenimieran-doholona, nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Frankôfônia... ♦ Manome fe-potoana 100 andro ho an'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, hamaliana ny fitakian'izy ireo, ny sendikà SISFM ivondronan'ireo Sage-femmes sy Infirmiers... ♦ Tsy mametraka olana amin'ny fisokafana amin'ny antoko hafa ny antoko TGV, amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka ho avy, fa mametraka fitokisana amin'ireo tompon'andraikitra misafidy izay ho kandidà...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...