♦ Hamatsy vola mitentina 220 tapitrisa dolara hanohanana ireo tetik'asa samihafa hamatsiana rano eto Madagasikara ny Banky iraisam-pirenena... ♦ Hitambatra anaty vondrona iray ireo tanora Malagasy tia mikirakira ny resaka "Cyber criminalité" na ny eloka an'habaka mba iarovana ny osoka amin'ny fampiasana internet... ♦ Tetika politika hampandresena ny kandidà miara-dia amin'ny fitondrana ny fanokafana ny lisim-pifidianana amin'ny fahazoana ordonnance hoy ny VAMI... ♦ Manamafy ny fanoherana ny fifindra-monina mankany Etazonia ny kandidà Donald Trump... ♦ Nitohy androany ny fankalazana ny andro masina Yom Kippour any Israely, na dia mihamafy aza ny tsikera mahazo ity firenena ity ankehitriny...

[audio src="/images/sounds/jmi-20241012.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...