♦ Nomarihana ny faran'ny herinandro teo ny andro eran-tany ho an'ny fizahan-tany. Hetsika maro no nankalazana izany tao Antsirabe. Nanome voninahitra ny lanonana ny Ministra tompon'andraikiitra... ♦ Mamaha olana maro ho an'ny mpanjifa ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra amin'ny tolotra tao raharaha avy amin'ny fanjakàna. Sakana nefa ny fahafahan'ny Malagasy mahazo ny internet hoy ny CCOC... ♦ Andry iankinan'ny firoboroboana ny teknolojia ny fifehezana ny matematika. Mihena nefa ny fitiavan'ny malagasy mpianatra ny taranja siantifika amin'izao fotoana izao... ♦ Hampitombo ny krizy ara-toekarena any Liban ny ady eo amin'ny Israeliana sy ny Hesbolah...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240930.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...