♦ Notsipahan'Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko ny firotsahan-kofidian'Andriamatoa Rivo Rakotovao ho ben'ny Tanàna ao Mahajanga-I, amin'ny anaran'ny vovonana Firaisan-kina. Nametraka fitoriana teny amin'ny CENI izy ny faran'ny herinandro teo... ♦ Atsy amin'ny nosy Maorisy ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina, hanatrika ny lanonam-pianianan'ny sekretera jeneralin'ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana vaovao Edgard Razafindravahy hotanterahana anio izy... ♦ Nomarihana ny sabotsy 28 septambra teo ny andro eran-tany iadiana amin'ny haromontana. Aretina mbola mamono olona am-polony maro eto Madagasikara vokatry ny kaikitry ny alika mararain'ny haromontana...

[audio src="/images/sounds/jma-20240930.mp3" background="#0099ffff"]

[Vaovao manokana] Alarobia 19 aogositra 2026

Notendren'ny Papa Leon xIV ho Eveka mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera MARIUSZ KASPERSKI, pretra avy amin'ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée (OMI), Curé ao amin'ny Paroasy Md Eugène de Mazanod, ao Toamasina.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...