♦ Malemy ny fitondrana amin'ny Ben'ny Tanàna ho an'Antananarivo Renivohitra, hoy ny Ilo Mada. Nambaran'ny filohan'ity antoko ity fa efa ampoizina ireo fomba hanilihana ny mpifaninana amin'ny fikarakarana ny fifidianana amin'izao... ♦ Voatery nampidirina hôpitaly haingana i Mahery Lanto Manandafy omaly tolakandro. Ahiana ho tatry ny fahatapahan'ny lalan-drà ity mpanao pôlitika gadraina eny Antanimora ity... ♦ Tombanana hivoaka ny faran'ny herinandro izao ny valim-panadinana Bakalôrea 2024, ho an'ny Faritanin'Antananarivo...
♦ Mason-tsivana anisan'ny takiana amin'ireo mpilatsaka hofidiana ho Ben'ny Tanàna ny fandoavan-ketra. Namerina nampahatsiahy ireo kandidà ny Foibe Fitantanana ara-ketra... ♦ Hiroso avy hatrany amin'ny fanofanana ireo mpikambana amin'ny rantsana mpandray ny antonta-taratasin'ireo kandidà hilatsaka ho Ben'ny Tanàna ny CENI, amin'ity herinandro ity... ♦ Manjaka ny fanafihana mitam-piadiana hamoizana ain'olona, any amin'ny Distrikan'i Mananjary. Mpandraharaha iray no namoy ny ainy ny herinandro lasa teo...
♦ Manofana ireo mpikambana ao amin'ny rantsana mpandray antonta-taratasy filatsahan-ko fidiana amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina ny CENI ankehitriny... ♦ Efa anatin'ny fanaraha-maso ny fikarakarana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina ny SAFIDY. Miara-miasa amin'ny fikambanan'ny mpitsara ANJA, amin'ny famolavolana torolalana hampahafantarana ny fandikan-dalàna mety hitranga ihany koa izy ireo... ♦ Manjaka ny asan-dahalo sy ny volo olona, amin'ny faritra samihafa manerana ny nosy, isan'ny itrangan'izany ny any Mananjary sy Toliara Faharoa...
♦ Tontosa ny sabotsy 17 aogositra 2024, ny Andron'ny Diôsezy sy ny fankalazana ny fetin'i Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra, teo ihany koa ny fankalazana ireo taon-jobily samihafa, ho an'ireo pretra avy eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nifarana omaly ny Lasy Ravina andiany faharoa, ho an'ny Antilin'i Madagasikara ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Mamonjy antsika i Jesoa amin'ny alalan'ny famelomany ny fiainantsika amin'ny azy mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianarana nentin'ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
♦ Hanalalaka ny fanehoan-kevitra sy hanery ny mpitondra amin'ny fomba fitantanana ny firenena ny fahazoan'ny mpanohitra ny fitantanana an'Antananarivo, hoy ny antoko Humaniste écologiste... ♦ Tokony esorina ny Tale jeneralin'ny Jirama amin'izao, fa sady tsy mahavaha olana no mbola karamaina lafo, hoy ny FIMZOMPAM. Nambaran'ity fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa ity fa vahaolana teo aloha no nambarany...
Alahady faha-20 mandavantaona — B : Tena fihinana ny nofoko, tena fisotro ny rako ; ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; hamasino amin’ny fahamarinanao izahay. Ampy hanafaka anoanana ny rehetra ny mofo masina, araka ny voalaza ao amin'ny Ohabolana : Avia hano ny mofoko, ary sotroy ny divay nampifangaroiko. Ilaozy ny tsy fahalalana, dia ho velona ianareo; ary mizora amin’ny lalan’ny fahazavan-tsaina”. Tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako hoy Jesoa ; mampisitraka fahasoavana maro ny fihinanana ny Vatan'i Jesoa ny Rany, ary mampandova ny fiainana mandrakizay. Ilàna fahamendrehana ny fandraisana ny Eokaristia, ilàna finoana, ilàna fanetrentena...
♦ Hirotsaka hofidiana ho Ben'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra, ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, raha ny nambarany androany... ♦ Efa tafaverina eto Madagasikara omaly alakamisy, ireo sokatra miisa 200 naondrana an-tsokosoko tany Comores... ♦ Efa miomana amin'ny fandraisana andraikitra sy ny fanaraha-maso ny aretina "Variole du singe", i Madagasikara...
♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'Ambatondrazaka i Mompera Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, Rektoran'ny Seminera Zokiny fandalinana filôzôfia, ao Toamasina... ♦ Nomarihana tamin'ny fanombohan'ny volana aogositra teo ny JMJ andiany fahatelo ho an'ny Diôsezin'Ambanja...
♦ Miaina fahasahiranana maro ny vahoaka Malagasy amin'izao fotoana izao, hoy ny Docteur Pasitora Rakotozafy Denis, Filohan'ny FFKM. Hisy fivoriana ato ho ato hataon'ny FFKM, handinihana ny raharaham-pirenena... ♦ Tsy manana kaopia nahaterahana ny 26 %-n'ny zaza latsaky ny 5 taona eto Madagasikara. Efa misy ny ezaka hampakarana ny tahan'ny fananana kaopia, hoy ny Vovonan'ny fiarahamonim-pirenena misehatra amin'ny ankizy...
♦ Efa miroso amin'ny fandrafetana ny Governemanta vaovao ny Filohan'ny Repoblika sy ny Praiminisitra, ary tafiditra ao anatin'izany ny tomban'ezaka izay notakiana tamin'ireo Minisitra nametra-pialana... ♦ Manao ny adisisika amin'ny fampodiana an-tanindrazana ireo varika sy sokatra tra-tehaka tany Thailande ny volana mey teo, ny Tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly, raha nandray ireo delegasiôna avy amin'ny Fitsarana Thailandais...
♦ Ho fantatra amin'ny herinandro ho avy ny mpikambana handrafitra ny Governemanta vaovaon'ny Praiminisitra Ntsay Christian, hoy ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina androany... ♦ Efa vonona ny tetibola 52 Miliara Ariary, hiatrehan'ny CENI ny fanomanana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina amin'ny 11 desambra 2024, hoy ny filohan'ity andrim-panjakana ity... ♦ Ho vaindohan-draharahan'ny Tale jeneraly vaovaon'ny Bianco, Razakamanantsoa Gaby Nestor, ny ady amin'ny kolikoly amin'ny sehatry ny fananan-tany. Tontosa androany ny lanonam-pitsarana nametrahana azy...
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 4, 9-15)
Ry kristianina havana, izahay Apôstôly, araka ny fijeriko ny tenanay,
dia hoatra ny nasehon’Andriamanitra ho olona faraidiny sy toy ny voaheloka ho faty,
natao fizàhan’izao tontolo izao, na anjely, na olombelona.
Izahay moa, adala noho ny amin’i Kristy, ianareo kosa hendry ao amin’i Kristy!
Izahay osa, fa ianareo no matanjaka;
izahay faneso, ianareo kosa fanaja.
Mandraka ankehitriny, dia noana izahay, mangetaheta, tsy manan-katafy,
fatsahana totohondry, tsy manana antom-ponenana, ary misasatra miasa amin’ny tananay.
Ozonina izahay, misaotra; enjehina, mandefitra; endrikendrehina, milefaka;
mova tsy izahay iny no fakon’izao tontolo izao,
sy faditry ny olona rehetra, mandraka ankehitriny izao.
Tsy ny hampahamenatra anareo anefa no nanoratako an’izany,
fa ny hananatra anareo, toy ny zanako malalako.
Satria na dia ho iray alina aza ny mpampianatra anareo ao amin’i Kristy,
dia tsy maro ray ianareo,
fa izaho ihany no niteraka anareo tamin’ny Evanjely ao amin’i Kristy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 144, 17-18. 19-20. 21
Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo,
ary tsara fo amin’ny asany rehetra!
Ny Tompo eo anilan’izay rehetra miantso Azy:
dia izay rehetra miantso Azy amim-pahamarinana.
Tanterahiny izay sitraky ny matahotra Azy;
henoiny ny tarainany, vonjeny izy ireo!
Ny Tompo miambina izay rehetra tia Azy
ny ratsy fanahy kosa, aringany avokoa!
Ny vavako hiteny fiderana ny Tompo;
ny nofo rehetra hisaotra ny Anarany Masina!
Isaorana ny Tompo! Isaorana ny Anarany:
mandrakizay, mandrakizay!
Aleloia. Aleloia.
Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 1-5)
Indray Sabata, raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa,
dia nioty salohim-bary ny mpianany, ka nohaniny nony efa nokosokosohiny tamin’ny tanany.
Dia hoy ny Farisianina sasany taminy:
“Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao amin’ny Sabata?”
Ary i Jesoa namaly azy hoe:
“Tsy novakinareo va izay nataon’i Davida raha noana izy mbamin’izay nanaraka azy,
fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy ka naka ny mofo alahatra,
dia nihinana izany sy nanome izay nanaraka azy koa,
nefa tsy misy mahazo mihinana azy afa-tsy ny mpisorona ihany?”
Sady nampiany hoe:
“Ny Zanak’Olona no tompon’ny Sabata.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco