Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 40, 25-31)

Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra manome hery an’izay sasatra.

Iza àry no hampitovinareo Ahy,
ka ho tahaka azy Aho, hoy ilay Masina?
Asandrato ny masonareo amin’ny eo ambony, ka mijere.
Iza no nahary ireo zavatra ireo?
Dia izay mampandeha milahatra ny tafik’ireo,
sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy,
ary noho ny haben’ny heriny sy ny hafatratry ny tanjany,
tsy misy midify ireny na dia iray aza.

Nahoana ianao, ry Jakôba, no milaza,
ary ianao koa, ry Israely, no miteny hoe:

“Miafina amin’ny Tompo ny lalako,
ary takona eo anatrehan’Andriamanitra
ny rariny ananako?”

Tsy fantatrao va? Tsy renao va?
Andriamanitra mandrakizay ny Tompo,
izay namorona ny faran’ny tany;
izay tsy mba mety sasatra na vizana
ary tsy takatry ny saina ny fahendreny.
Manome hery an’izay sasatra Izy
ary mampitombo tanjaka an’izay reraka.
Ny zatovo mety sasatra sy vizana,
ary ny tovon’olona mety hangozohozo.
Fa izay miankina amin’ny Tompo kosa,
mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery;
hihazakazaka, tsy hahalala sasatra;
handeha fa tsy hahatsiaro vizana.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 102, 1-2. 3-4. 8 sy 10

Isaory ny Tompo, ry fanahiko.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
sy ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra:
Isaory ny Tompo, ry fanahiko!
Aza misy hadinoina ny soa avy aminy!

Izy ilay mamela ny helokao rehetra,
manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny lavaka,
manototra hatsaram-po sy indrafo anao.

Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po!
Tsy araka ny otantsika no ataony antsika;
na araka ny helotsika no avaliny antsika.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany, sambatra izay vonona ny hitsena Azy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 11, 28-30)

Mankanesa aty amiko ianareo izay mijaly sy vesaram-pahoriana.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny nanao hoe:

“Mankanesa aty amiko ianareo rehetra
izay mijaly sy vesaram-pahoriana,
fa hanamaivana anareo Aho.
Ento ny jiogako, ary mianara amiko,
fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho,
dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo;
fa mora entina ny jiogako,
ary maivana ny Hazofijaliako.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 marsa 2024

♦ Notanterahana ny 15 hatramin'ny 17 marsa 2024, ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy ireo Ekipan'ny Rôzery Nasiônaly, mba hanentana ireo mpikambana any an-toerana... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Masindahy François d'Assise Antanandava, ny fankalazana ny Alahadin'ny Fijalian'ny Tompo, ho an'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...