Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 40, 1-11)

Hampionona ny vahoakany Andriamanitra.

“Ampionony, ampionony ny vahoakako,
hoy Andriamanitrareo.
Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema, ary ataovy antso avo aminy,
fa tapitra ny fanompoany, voaonitra ny helony,
voarainy tamin’ny tanan’ny Tompo,
ny indroa heny valin’ny fahotany.”

Injany misy feo miantso hoe:

“Misavà lalana any an’efitra ho an’ny Tompo,
manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika!
Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra:
ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry;
ny avo hanjary tany lemaka;
ary ny vato mideza ho lembalemba.
Dia hiseho ny voninahitry ny Tompo,
ka ho hitan’ny nofo rehetra tsy an-kanavaka
fa ny vavan’ny Tompo no efa niteny.”

Injay misy feo manao hoe:

“Miantsoa!”

dia nisy namaly hoe:

“Ahoana no antso hataoko?”
— “Ahitra ihany ny nofo rehetra
ary tahaka ny vonin-javatra eny antsaha
ny hatsaran-tarehiny.
Maina ny ahitra, malazo ny voniny
rahefa seranin’ny fofon’ain’ny Tompo.
Eny, ahitra ihany ny olombelona:
maina ny ahitra, malazo ny voniny,
fa ny tenin’Andriamanitra haharitra mandrakizay.”

Miakara eny an-tendrombohitra ianao
izay mitondra ny teny soa ho an’i Siôna.
Manandrata feo mafy ianao
izay mitondra ny teny soa ho an’i Jerosalema;
manandrata feo fa aza matahotra,
lazao amin’ny tanànan’i Jodà hoe:
Indro ny Andriamanitrareo!
Indro fa tonga ny Tompo Andriamanitra,
amin’ny heriny, ny sandriny mampiasa ny fahefana.
Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy,
ary ny tamby homeny, eo anoloany.
Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry izy;
handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny,
hitondra an’ireny eo an-trotroany,
ary handroaka moramora ny mampinono.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 95, 1-2. 3 sy 10ad. 11-12. 13

Indro fa tonga ny Andriamanitsika miaraka amin’ny heriny.

Ikaloy ireo hira vaovao
ho an’ny Tomponao ry manan’aina.
Ny fisaorana aoka hanakoako.
Isan’andro vaky dia torio
’tony vonjy nentiny lazao,
mba handre daholo ny eran-tany.

Fa ny Tompo ihany no ambony,
mahatahotra Izy noho ny hafa,
ka variana erý ny firenena.
Tsinontsinona avokoa, rey lahy
ny andriamani-kafa tsy miteny,
f’Izy irery no masi-mandidy.

He! ny Tompo irery no Mpanjaka.
’Tony tany: vitany mijoro.
Zany rariny entiny mitsara.
Mifalia, ry lanitra sy tany.
Aoka hidobodoboka ny riaka
ka hifalihavanja izany saha.

Mandihiza ianao, ry hazo an’ala.
Anoloan’ny Tompo: indro Izy
mba hitsara ’zao tontolo izao.
’Tony tany itony hozakainy.
Ny ambanilanitra hotsarainy,
ilazany “marina” hatrany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Indro avy ny Mpanjaka, Tompon’ny tany, ary Izy no hanafaka antsika amin’ny jiogam-panandevozana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 18, 12-14)

Tsy tian’Andriamanitra hisy very na dia ny anankiray amin’ireo madinika ireo aza.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Ahoana ny hevitrareo?
Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray,
moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo;
ka handeha hitady ilay nania izy?
Ary raha sendra hitany izy,
dia lazaiko marina aminareo
fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy
noho ny sivy amby sivifolo tsy nania.
Toy izany koa,
tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very
na dia ny anankiray amin’ireo madinika ireo aza.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 marsa 2024

♦ Notanterahana ny 15 hatramin'ny 17 marsa 2024, ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy ireo Ekipan'ny Rôzery Nasiônaly, mba hanentana ireo mpikambana any an-toerana... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Masindahy François d'Assise Antanandava, ny fankalazana ny Alahadin'ny Fijalian'ny Tompo, ho an'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...