♦ Tsy navela hanaterana fehezam-boninkazo teny amin'ny kianjan'ny 13 mey ny maraina teo. Tsy nahasakana ireo mpikamban'ny "hetsiky ny 13 mey" tonga teny an-toerana anefa izany... ♦ Tale teo aloha 36 isa eo anivon'ny JIRAMA no miatrika fitsaràna eny amin'ny PAC androany. Vesatra hanenjehana azy ireo amin'izany ny fandraisana tambin-karama mihoam-pampana izay misy tafakatra 1 miliara Ariary... ♦ Niitatra tamin'ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso ilay tranga fitifirana tovolahy tetsy Antalamohitra-Ambohibao ka nisy ireo naratra... ♦ Noesorin'i Vladmir Poutine ny Ministry ny Fiarovana Rosiana, Sergueï Choigou. Fanesorana no fanovàna tampoka ireo mpikamban'ny governemanta, alina...
♦ Napetraka ho Evekan'ny Diôsezin'i Miarinarivo, araka ny fomban'ny Eglizy omaly, i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa... ♦ Mirongatra ny fanondranana an-tsokosoko ny biby arovana sy hazo sarobidy amin'izao manakaiky fifidianana izao. Tranga efatra no niseho tato ho ato, hoy ireo Fiaraha-monim-pirenena 73, raha nanao fanambaràna ny sabotsy teo... ♦ Tafakatra hanao "Mondial" diviziôna fahatelo ny ekipam-pirenena malagasy eo amin'ny baolina lavalava. Lasan'i Afrika atsimo ny tompondakan'i Afrika, nandritra ny lalao teny Andohatapenaka omaly tolak'andro... ♦ Mbola mitohy ny fanafihana ataon'ny tafika israeliana any amin'ny Faritra Gaza. Teratany palestiniana 20 isa no namoy ny ainy tany Jabalyia, vokatr'izany omaly...
♦ Natao teto Antananarivo nandritra ny telo andro ny fivoriana voalohany fiomanana amin'ny fanolorana ny pôlitika ara-barotr'i Madagasikara any amin'ny OMC, na ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny varotra... ♦ Nidina ny vidin'ny vary gasy manerana ny distrika miisa 9 any amin'ny Faritra Atsimo-andrefana. Anatin'ny fararano fiakaran'ny vokatra ny any an-toerana amin'izao fotoana izao... ♦ Tsy mbola mivaha hatramin'izao ny olan'ny fananan-tany ao amin'ny kaominina Betsoana distrika Mandoto Faritra Vakinankaratra. Miantso ny fitondrana hamaha ny olana misy ny mponina ao an-toerana... ♦ Mbola miaina tondra-drano govana ny any Bresil amin'izao fotoana izao. Olona 100 mahery no maty...
Alahady fahafito fankalazana ny Paka : Fitiavana sy fahamarinana no tena endrik'i Kristy Fitiavana ; tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo. Aoka hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon’ny nitsanganany ho velona. Izay mitoetra ao amin’ny fitiavana, dia mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy. Ny votoatin'ny Evanjely anio dia ny fisarahana mahamenatra eo amin'ny olona sy ny fiangonana ; misy koa ny fisarahana izay efa tsinjon'i Kristy mialoha dia ny fisarahan'ny mpianatra amin'ny fitoriana ny filazan-tsara, eo koa ny fahasimban'ny firaisana Aminy, ary anton'ny vavaka nataon'i Jesoa hoe : Ho iray tahaka Antsika anie izy ireo...
♦ Telo taona sy tapany an-tranomaizina. izay no sazy navokan'ny fitsaràna britanika ho an'ny tale kabinetran'ny filohan'ny repoblika teo aloha Ramatoa Romy Voos Andrianarisoa. Didim-pitsarana noho ny raharaha kolikoly nanenjehana azy... ♦ Manahy amin'ny ho avin'ny orinasa iasany manoloana ny fiovan-drafitra amin'ny fitantanana ao amin'ny OMNIS ireo mpiasa. Nisy omaly ny fivoriambe niarahan'ny mpiasa tamin'ny Ministra tompon'andraikitra... ♦ Tsy vahaolana hanarenana ny JIRAMA ny fampiharana ny vidin'ny tena izy amin'ny jiro sy rano hoy ny Fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Miantso an'i Israël hanajanona ny fanafihana ataony ao Rafah faritra atsimon'i Palestine ny firenena tandrefana...
♦ Velona ahiahy amin'ny ho aviny, manoloana ny fiovan-drafitra amin'ny fitantanana misy eo anivon'ny OMNIS, ireo mpiasa... ♦ Tanora avy amin'ny tontolo ambanivohitra miisa 142 no tafiditra miasa amin'ireo orinasa samihafa vokatry ny tetikasa Pro-Agri-Youth, izay tanterahan'ny OIT eto Madagasikara... ♦ Tsy vahaolana hanarenana ny orinasa Jirama ny fampiharana ny vidiny tena izy amin'ny jiro sy ny rano, hoy ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH...
♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...
♦ Andrasana amin'izay ho Solombavam-bahoaka vaovao ho lany eo, ny fandraisana fepetra hentitra amin'ireo mpitondra tsy manaja ny Lalam-panorenana sy tsy manome hasina ny andrim-panjakana, hoy Andriamatoa Constant Raveloson... ♦ Hihamafy ny fanapahan-kevitra horaisina amin'ny fivoriana tsy ara-potoana hataon'ny Sendikàn'ny Mpirakidraharaham-pitsarana eto Madagasikara, raha toa ka mbola minia manampin-tsofina amin'ny fitakiany ireo tompon'andraikitra...
♦ Hanomboka anio ny fanaparitahana ireo fitaovana samihafa ilaina amin'ny fifidianana, araka ny tetiandro nampahafantarin'ny CENI... ♦ Manentana ny vahoaka Malagasy mba handray anjara amin'ny zotram-pifidianana ny Masoivoho Amerikana eto Madagasikara. Antoka hampahomby izany anefa, hoy ny fanamabarany, ny hanatanterahana fifidianana malalaka sy ara-drariny ary amim-pilaminana... ♦ Manomboka anio zoma amin'ny 3 ora tolakandro no ao am-bohitra, ao Tsaramihafara Itaosy, ny nofo mangatsiakan'i Tsimitoviaminandriandehibe Rajaofetra Guy, fantatra amin'ny anarana hoe Xhi...
Isika olom-pirenena malagasy dia hiatrika fifidianana solombavambahoaka amin'ity taona ity, zo sy adidy ny mifidy. Ny safidy dia zava-dehibe ary fototry ny ho avy koa samia miezaka ho tony sy hisaina tsara izay mety hampandrosoana ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Noraisin'ny CENI tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato androany, irao fitaovana samihafa hampiasaina amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka ny 29 mey 2024... ♦ Nanomboka androany, manerana an'i Madagasikara, ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, hatao amin'ny 29 mey 2024... ♦ Nomarihana androany 8 mey teny amin'ny Parvis Analakely ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Vokovoko Mena. Lohahevitra tamin'izany ny hoe: "Koloy aina, ny mahaolona"...
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 28, 16-20. 30-31)
Rahefa tonga tany Rôma izahay,
dia nahazo nitoetra nitokana i Paoly, fa miaramila no niambina azy.
Nony afaka hateloana,
dia nampiantsoin’i Paoly ny lohandohan’ny Jody,
ka nony tafavory izy ireo dia hoy izy taminy:
“Ry rahalahy,
izaho dia nafatotra hatrany Jerosalema sy natolotra teo an-tanan’ny Rômanina
na dia tsy nanao na inona na inona manohitra ny firenentsika
sy ny fanaon-drazantsika aza.
Nony namatotra ahy ireo,
ka nahita fa tsy nisy tokony hahafaty ahy,
dia nikasa handefa ahy ihany izy ireo;
nefa notoherin’ny Jody izany,
ka voatery ho nangataka hotsarain’i Sezara aho;
tsy ao an-tsaiko velively anefa izay hiampanga ny fireneko amin’izany.
Izany ny niangaviako ny mba hifankahita sy hidinika aminareo;
fa noho ny fanantenan’i Israely ity,
no ifatorako amin’izao rojo vy izao.”
Nitoetra roa taona nipaka tao amin’ny trano anankiray nohofany i Paoly;
ary nandray tsara an’izay rehetra nankao aminy.
Nitory ny fanjakan’Andriamanitra
sy nampianatra ny amin’i Jesoa Kristy Tompo tamin-kasahiana lehibe izy,
sady tsy nisy nisakana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 10, 4. 5 sy 7
Ny Tompo ao an-tempoliny masina;
ny Tompo amin’ny fiketrahany any an-danitra;
ny masony mitazana;
ny fijeriny mandinika ny zanak’olombelona.
Ny Tompo mandinika ny ratsy fanahy sy ny olo-marina:
halany mainty ny mpanao an-keriny!
Eny, marina ny Tompo, ny fahamarinana no tiany:
ka izay mahitsy fo dia hibanjina ny tavany.
Aleloia. Aleloia.
Hirahiko ho eo aminareo ny Fanahin’ny Fahamarinana, hoy ny Tompo; Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 20-25)
Tamin’izany andro izany, nony nitodika i Piera,
dia hitany teo aoriany ilay mpianatra malalan’i Jesoa
izay niankina tamin’ny tratrany teo am-pisakafoana sy nanao hoe:
“Tompoko, iza no hamadika Anao?”
Ary nony nahita azy i Piera dia hoy izy tamin’i Jesoa:
“Tompoko, mba inona kosa no ho anjaran’ity?”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Raha tiako hitoetra izy mandrapiaviko, mampaninona anao izany?
Fa manaraha Ahy ianao.”
Dia niely tamin’ny rahalahy fa hoe tsy ho faty izany mpianatra izany;
nefa i Jesoa tsy nilaza hoe tsy ho faty izy, fa hoe:
Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko, mampaninona anao izany?
Izy no ilay mpianatra manambara izany sy nanoratra azy,
ary fantatsika fa marina ny filazany.
Maro koa ny zavatra hafa nataon’i Jesoa,
ka raha izany rehetra izany no hosoratana tsirairay,
dia ataoko fa na izao tontolo izao aza
tsy ho omby ny boky hosoratana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco