Vakiteny voalohany

Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 15, 1-4)

Nohirain’izy ireo ny hiran’i Môizy sy ny hiran’ny Zanak’ondry.

Izaho Joany nahita famantarana hafa sady lehibe no mahagaga tany an-danitra,
dia anjely fito nitondra loza fito farany,
fa amin’ireo no hanaperana ny fahatezeran’Andriamanitra.
Ary nahita toa ranomasina fitaratra miharo afo aho;
ka izay nandresy ny Biby sy ny sariny ary ny isan’ny anarany,
no nitsangana teo amoron’io ranomasina fitaratra io, mitana ny harp’Andriamanitra.
Ny hiran’i Môizy mpanompon’Andriamanitra sy ny hiran’ny Zanak’Ondry no nohirain’izy ireo, ka hoy izy:

“Lehibe sy mahagaga ny asanao, ry Tompo Andriamanitra tsitoha!
Marina sy mahitsy ny lalànao, ry Mpanjakan’ny taona mandrakizay!
Iza no tsy hatahotra sy hankalaza ny anaranao, Tompo ô?
Fa Ianao irery no masina, ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao ny firenena rehetra
satria niseho miharihary ny fitsaranao!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 97, 1. 2-3ab. 7-8. 9

Lehibe sady mahatalanjona ny asanao, ry Tompo Andriamanitra heni-pahefana.

Ihirao hira vao ny Tompo:
fa nahavita zava-mahagaga!
Namonjy Azy ny tanany havanana,
nanampy Azy ny sandriny masina!

Ny Tompo nanambara ny famonjeny,
sy naneho ny fahamarinany tamin’ireo firenena!
Tsarovy, ry Tranon’i Israely,
ny hatsaram-po sy fahamarinany!

Aoka hidobodoboka ny ranomasina sy izay mameno azy,
izao rehetra izao sy izay monina ao aminy!
Ny ony aoka hiteha-tanana;
ny vohitra indray hanakora!

Mba hitsena ny Tompo izay tamy!
Fa tamy Izy mba hitsara ny tany,
hitsara ny tontolo araka ny rariny,
sy ireo vahoaka araka ny hitsiny!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 12-19)

Ho halan’ny olona rehetra ianareo; nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Hosamborina ianareo, hoenjehina, hoentina any amin’ny sinagôga sy any an-tranomaizina,
ary hatolotra ny mpanjaka sy ny manam-pahefana noho ny Anarako.
Izany no ho tonga aminareo, dia mba ho vavolombeloko ianareo.
Koa alatsaho ao am-ponareo ny mba tsy hihevitra mialoha izay havalinareo akory;
fa Izaho ihany no hanome vava anareo,
sy fahendrena tsy ho azon’ny fahavalonareo toherina na lavina velively.
Na ny ray aman-dreny sy ny rahalahinareo aza,
mbamin’ny havana aman-tsakaizanareo dia hanolotra anareo koa,
ka hovonoiny ny maro aminareo,
ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako;
nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza.
Ny faharetanareo no hamonjenareo ny tenanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...